bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 21
Revelation 21
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
1
Dia nahita habakabaka vaovao sy tany vaovao aho; fa efa lasa ny habakabaka voalohany sy tany voalohany, ary ny ranomasina dia tsy misy intsony.
2
Ary hitako nidina avy any an-danitra ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema vaovao, voaomana tahaka ny ampakarina voahaingo hihaona amin’ny vadiny.
3
Ary nisy feo mahery reko avy teo amin’ilay sezafiandrianana ka nanao hoe: «Indro ny fonenan’Andriamanitra tonga eny amin’ny olona, ary Andriamanitra dia hiara-monina aminy; ka izy ireo ho vahoakany, ary ilay Andriamanitra miaraka aminy kosa ho Andriamanitr’izy ireo.
4
Hofafan’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny mason’ireo vahoakany; ary tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy alahelo na fitarainana na fahoriana intsony, fa efa lasa ny zavatra taloha.»
5
Dia hoy Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana hoe: «Indro havaoziko ny zavatra rehetra!» Avy eo Izy no niteny tamiko hoe: –Soraty, satria azo antoka sy marim-pototra ireo teny ireo.
6
Dia hoy indray Izy tamiko: –Tanteraka ny zavatra rehetra! Izaho no Alfa sy Ômega, fiandohana sy fiafarana. Izay mangetaheta dia hampisotroiko maimaimpoana amin’ny loharano miboiboika ranovelona.
7
Izay mandresy no hahazo izany lova izany; ka dia ho Andriamaniny Aho, ary izy ho zanako.
8
Fa ny kanosa, ny tsy mpino, ny mpanimbazimba, ny mpamono olona, ny mpijangajanga, ny mpanao ody ratsy, ny mpanompo sampy ary ny mpandainga rehetra, dia hanana ny anjarany any amin’ny farihy mirehitra afo aman-tsolifara: izany no fahafatesana faharoa.
9
Ary tonga ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nitondra lovia fito feno ny loza fito farany, ka nilaza tamiko hoe: –Avia, fa hasehoko anao ilay ampakarina, dia ny vadin’ny Zanakondry!
10
Dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho ka nentin’ny anjely tany amin’ity tendrombohitra sady lehibe no avo, ary nasehony ahy ny tanàna masina avy tamin’Andriamanitra, dia i Jerosalema nidina avy any an-danitra
11
sady heniky ny voninahitr’Andriamanitra. Ny famirapiratan’ilay tanàna masina dia tahaka ny an’ny vato sarobidy tokoa, dia ny vatosoa jaspa miendrika kristaly manganohano.
12
Nanana manda matevina sady avo izy, ary koa nanana vavahady 12; ka tamin’ireo vavahady ireo dia nisy anjely 12 sady nisy anarana voasoratra, dia ny anaran’ny foko 12 amin’ny Israelita:
13
vavahady telo eo atsinanana, vavahady telo eo avaratra, vavahady telo eo atsimo, vavahady telo eo andrefana.
14
Nisy vatofanorenana 12 ny mandan’ilay tanàna; ka tamin’ireo vatofanorenana ireo dia nisy anarana 12, dia ny anaran’izy 12 lahy apôstôli n’ny Zanakondry.
15
Ilay anjely niteny tamiko dia nanana volotara volamena fandrefesana, mba handrefesana ny tanàna sy ny vavahadiny ary ny màndany.
16
Miendrika efamira ny tanàna, ka mitovy refy ny lafiny rehetra. Dia nandrefy ny tanàna tamin’ny volotara ilay anjely, ka samy 12 000 stàdy avy ny lafiny efatra sy ny haavony;
17
ary norefesiny koa ny màndany, ka 144 hakiho ny hateviny araka ny refy mahazatra ny olona, izay refy nampiasain’ny anjely.
18
Vatosoa jaspa no nanaovana izany manda izany; ary ny tanàna dia tena volamena madio toy ny fitaratra madio.
19
Ireo vato fanorenana ny mandan’ny tanàna kosa dia voaravaka vatosoa isan-karazany: vato jaspa ny fanorenana voalohany, vato safira ny faharoa, vato kalsedoanina ny fahatelo, vato emeralda ny fahefatra,
20
vato sardôniksa ny fahadimy, vato sardoanina ny fahenina, vato krizôlita ny fahafito, vato berila ny fahavalo, vato tôpaza ny fahasivy, vato krizôpraso ny fahafolo, vato hiasinta ny faha-11, ary vato ametista ny faha-12.
21
Ny vavahady 12 dia perla 12, fa perla vongana iray ihany no nanaovana ny isam-bavahady; ary ny lalamben’ny tanàna dia tena volamena madio toy ny fitaratra manganohano.
22
Tsy nahita tempoly tao amin’ilay tanàna aho, satria ny Tompo Andriamanitra Tsitoha sy ny Zanakondry no tempoliny.
23
Ny tanàna tsy mba mila ny masoandro na ny volana hamirapiratra ao aminy: fa ny voninahitr’Andriamanitra no efa manazava azy, ary ny Zanakondry no jiro manilo azy.
24
Handeha amin’ny fahazavàn’ilay tanàna ny firenena rehetra: ary ny mpanjakan’ny tany dia hitondra ny voninahiny ho ao anatiny.
25
Hisokatra tontolo andro ny vavahadin’ny tanàna, (satria tsy mba hisy alina ao aminy).
26
Ny voninahitra sy ny zava-tsoan’ny firenena rehetra dia hoentina ho ao anatiny;
27
ary tsy mba hiditra ao mihitsy ny zavatra maloto na ny olona mpanazimbazimba na ny mpandainga; fa ny hany miditra ao dia ireo olona voasoratra anarana anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay: io horonamboky io dia teo am-pelatanan’ny Zanakondry.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22