bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 7
Revelation 7
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 8 →
1
Taorian’izany, dia hitako nisy anjely efatra nijoro teo amin’ny vazan-tany efatra sady nihazona ny rivotra efatra amin’ny tany mba tsy hisy rivotra hitsoka na amin’ny tany, na amin’ny ranomasina, na amin’ny hazo iray akory aza.
2
Ary hitako nisy anjely iray hafa koa niakatra avy any atsinanana sady nitana ny tombokasen ’ilay Andriamanitra velona. Dia niantso tamin’ny feo mahery an’ireo anjely efatra navela hanimba ny tany aman-dranomasina io anjely io
3
nanao hoe: «Aza manimba ny tany na ny ranomasina na ny hazo ianareo, mandra-panisinay tombokase eo an-kandrin’ireo mpanompon’Andriamanitsika.»
4
Ary reko ny isan’izay voaisy tombokase teo an-kandrina: ka 144 000 no voaisy tombokase, avy tamin’ny fitambaram-pokon’ireo israelita.
5
Avy tamin’ny fokon’i Joda: 12 000 no voaisy tombokase. Avy amin’ny fokon’i Reobena: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Gada: 12 000.
6
Avy tamin’ny fokon’i Asera: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Naftalỳ: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Manase: 12 000.
7
Avy tamin’ny fokon’i Simehôna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Levỳ: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jisakara: 12 000.
8
Avy tamin’ny fokon’i Zebolòna: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Jôsefa: 12 000. Avy tamin’ny fokon’i Benjamîna: 12 000 no voaisy tombokase.
9
Taorian’izany, dia indreo hitako nisy olona betsaka tsy tambo isaina avy tamin’ny firenena sy ny fokom-pirenena ary ny vahoaka mbamin’ny olona samy hafa fiteny rehetra, niakanjo fotsy lava sy nitana sampan-drofia teny an-tanany. Nijoro teo anoloan’ny sezafiandrianana sy ny Zanakondry ireo,
10
sady niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: «Ny famonjena dia an’ilay Andriamanitsika, Izay mipetraka eo ambony sezafiandrianana, ary koa an’ny Zanakondry!»
11
Dia nanodidina ny sezafiandrianana sy ireo loholona ary ny zava-miaina efatra ny anjely rehetra ka niankohoka teo anoloan’ny sezafiandrianana sady nitsaoka an’Andriamanitra
12
nanao hoe: « Amen! An’Andriamanitsika ny dera sy ny voninahitra amam-pahendrena, ny saotra sy ny haja ary ny fahefana sy ny hery, mandrakizay mandrakizay! Amen.»
13
Dia niteny tamiko ny anankiray tamin’ny loholona nanao hoe: –Iza moa ireo miakanjo fotsy lava ireo ary avy taiza no niaviany?
14
Ka novaliako hoe: –Ianao, tompoko, no mahalala! Dia hoy izy tamiko: –Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe ka nanasa sy namotsy ny akanjony tamin’ny ra nafoin’ilay Zanakondry.
15
Noho izany, dia mitoetra eo anoloan’ny sezafiandrianan’Andriamanitra izy ireo ka manompo an’Andriamanitra andro aman’alina ao an- tempoliny; ary Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana dia hiara-monina aminy ka hiaro azy.
16
Tsy ho noana na hangetaheta intsony ireo; ary tsy haninona azy ny masoandro na izay hafanana.
17
Fa ny Zanakondry Izay mipetraka eo afovoan’ny sezafiandrianana no ho Mpiandry azy ka hitondra azy ho amin’ny loharano velona; ary hofafàn’Andriamanitra ny ranomaso rehetra amin’ny masony.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22