bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 20
Revelation 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 21 →
1
Ary hitako nisy anjely anankiray nidina avy tany an-danitra, izay nanana ny fanalahidin’ny hantsambe sy rojo vy lehibe teny an-tanany.
2
Nosamborin’io anjely io ny dràgona, dia ilay bibilava fahizay (izany hoe ny devoly na i Satàna), ka nafatony arivo taona
3
sy natsipiny tao amin’ny hantsambe. Dia nohidian’ilay anjely ny hantsambe ary nasiany tombokase teo amboniny, mba tsy hahazoan’ny dràgona mamitaka ireo firenena intsony mandra-pahatapitry ny arivo taona; fa tsy maintsy hovahana mandritra ny fotoana fohifohy izy aorian’izany.
4
Dia hitako nisy sezafiandrianana maro, izay nipetrahan’olona nomem-pahefana hitsara. Ary hitako ny fanahin’ireo notapahin-doha satria nitana ny hafatra nijoroan’i Jesoa ho vavolombelona sy nitory ny tenin’Andriamanitra: tsy mba nivavaka tamin’ny biby na tamin’ny sarin’ny biby ireo, sady tsy mba nandray ny marik’ilay biby teo amin’ny handriny na teo amin’ny tanany; efa velona ireo ka niara-nanjaka tamin’i Kristy arivo taona.
5
(Fa ny sisa amin’ny maty dia tsy mbola velona, raha tsy efa tapitra ny arivo taona.) Izany no fitsanganana voalohany avy any amin’ny maty.
6
Sambatra sy masina izay manana anjara amin’izany fitsanganana voalohany izany; tsy mba ananan’ny fahafatesana faharoa fahefana ireo, fa ho mpisoron’Andriamanitra sy ho mpisoron’i Kristy, ka hiara-manjaka amin’i Kristy arivo taona.
7
Rehefa tapitra ny arivo taona, dia hovahana i Satàna hiala amin’ny fonja nitoerany,
8
ka hivoaka hamitaka ireo firenena amin’ny vazan-tany efatra, mba hamory azy ho amin’ny ady: ireo firenena ireo dia i Gôga sy i Magôga, izay tahaka ny fasi-dranomasina ny isany.
9
Ary niakatra nanerana ny lafin-tany izy rehetra, ka nanodidina ny toby nisy ny vahoakan’Andriamanitra sady nanodidina ny tanàna lalain’Andriamanitra; kanjo nisy afo nidina avy tany an-danitra ka nandevona ireo firenena ireo.
10
Ny devoly izay namitaka azy ireo dia natsipy tany amin’ny farihy afo aman-tsolifara, izay efa nanipazana ilay biby sy ilay mpaminany sandoka; ary hampijalîna andro aman’alina mandrakizay mandrakizay izy telo ireo.
11
Dia hitako ity sezafiandrianana fotsy lehibe sy Ilay mipetraka eo amboniny. Ny tany amana habakabaka dia nandositra teo anatrehany, ka tsy hita intsony izay toerana nisy azy.
12
Ary hitako ny maty rehetra, na ny lehibe na ny kely, tafajoro teo anoloan’io sezafiandrianana io. Dia nisy horonamboky maro novelarina; ary nisy horonamboky iray hafa koa novelarina, dia ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; ka tamin’ny zavatra voasoratra tao anatin’ireo horonamboky ireo no nitsarana ny maty rehetra, araka ny asany avy.
13
Ny ranomasina dia namoaka ny maty tao aminy; Rafahafatesana sy ny Toeran’ny maty koa namoaka ny maty tao aminy; ka samy notsaraina araka ny asany avy ny maty rehetra.
14
Rafahafatesana sy ny Toeran’ny maty kosa natsipy tany amin’ny farihy afo. Izany farihy afo izany no fahafatesana faharoa;
15
ka raha nisy olona tsy hita voasoratra tao anatin’ilay horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay, dia natsipy tany amin’ny farihy afo izy.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22