bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 6
Revelation 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 7 →
1
Ary izao no hitako. Rehefa novahan’ny Zanakondry ny voalohany tamin’ireo tombokase fito, dia reko niteny mafy toy ny kotro-baratra ny anankiray tamin’ny zava-miaina efatra, nanao hoe: Avia!
2
Dia indro hitako nisy soavaly fotsy, ary ilay nitaingina azy dia nanana tsipîka; nomena satroboninahitra izy, ka lasa nandeha toy ny efa naharesy sady mbola haharesy.
3
Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase faharoa, dia reko ny zava-miaina faharoa nanao hoe: Avia!
4
Dia soavaly mena kosa no nipoitra; ary ilay nitaingina azy dia nomena sabatra lehibe ary navela hanaisotra ny fihavanana hiala amin’ny tany mba hifamonoan’ny olona.
5
Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahatelo, dia reko ny zava-miaina fahatelo nanao hoe: Avia! Dia nijery aho, ka indro nisy soavaly mainty; ary ilay nitaingina azy dia nitana mizàna teny an-tanany.
6
Sady reko toa nisy feo avy tao afovoan’ny zava-miaina efatra nanao hoe: «Ataovy denàry iray ny varimbazaha iray kilao ary denàry iray ny ôrza telo kilao; saingy aza mbola asondro-bidy ny menaka sy ny divay.»
7
Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahefatra, dia reko ny zava-miaina fahefatra nanao hoe: Avia!
8
Dia indro hitako nisy soavaly hatsatra; ary ilay nitaingina azy dia natao hoe Rafahafatesana izay niaraka tamin’ny Toeran’ny maty. Nomena fahefana tamin’ny ampahefatry ny tany izy ireo, hamono amin’ny sabatra sy ny mosary ary ny areti-mifindra sy ny bibidia etỳ an-tany.
9
Rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahadimy, dia hitako teo ambanin’ny alitara ny fanahin’ireo voavono ho faty satria nitory ny tenin’Andriamanitra sy nitana ny hafatra nijoroan’i Kristy ho vavolombelona.
10
Ary niantso tamin’ny feo mahery izy rehetra nanao hoe: «Ry Tompo masina sy marina ô, rahoviana no hotsarainao ny mponina eny ambonin’ny tany ka hovalianao ny ranay nalatsany?»
11
Dia samy nomena akanjo fotsy lava izy rehetra; ary nasaina mbola niala sasatra fotoana fohy mandra-pahafeno ny isan’ireo mpanompo namany sy ireo havana iray finoana, izay efa hovonoina tahaka azy koa.
12
Ary nijery aho rehefa novahan’ny Zanakondry ny tombokase fahenina, ka nisy horohorontany mahery vaika; tonga mainty tahaka ny akanjo volon’osy ny masoandro; tonga mena tahaka ny ra ny volana manontolo;
13
ary ny kintan’ny habakabaka dia niraraka tamin’ny tany, tahaka ireo voa manta ahintsan’ny aviavy hozongozonin’ny rivo-mahery.
14
Dia lasa tsy hita teo tahaka ny boky voahorona ny habakabaka; ary ny tendrombohitra sy ny nosy rehetra dia nafindra niala tamin’ny toerany.
15
Ny mpanjakan’ny tany, ireo lehibe sy ireo komandin-tafika, ireo mpanankarena sy ireo lehilahy matanjaka, mbamin’ny olona rehetra na mpanompo na tsy mpanompo, dia lasa niery tany anatin’ny zohy sy tany ambanin’ny vatolampy teny an-tendrombohitra,
16
ka nilaza tamin’ny tendrombohitra sy ny vatolampy hoe: «Ianjerao izahay ary afeno lavitry ny tavan’Ilay mipetraka eo ambony sezafiandrianana sy lavitry ny hatezeran ’ny Zanakondry;
17
fa tonga ny andro lehibe isehoan’ny hatezeran’Andriamanitra mbamin’ny an’ny Zanakondry, ka iza no mahatanty izany?»
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22