bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 17
Revelation 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
1
Dia nanatona ahy ny anankiray tamin’ireo anjely fito izay nanana ny lovia fito, ka niteny tamiko nanao hoe: –Avia atỳ fa hasehoko anao ny fitsarana ilay vehivavy janga malaza ratsy, izay mipetraka eo ambonin’ny ranobe.
2
Fa io vehivavy io no nijangajangan’ny mpanjakan’ny tany, ary nahaboboka ny mponina ambonin’ny tany tamin’ny divaim- pijangajangàny.
3
Dia nahazo tsindrimandry avy amin’ny Fanahy Masina aho ka nentin’ny anjely ho any an-taniefitra, ary nahita vehivavy mitaingina biby. Mivolon-jaky ilay biby, rakotra anarana manevateva an’Andriamanitra ny tenany, sady nanana loha fito sy tandroka folo.
4
Ravehivavy dia nitafy lamba volomparasy sy jaky sady niravaka volamena sy vatosoa ary perla; teny an-tanany kosa nisy tsatokaty volamena feno fanazimbazimbana, dia ny zava-maloto vokatry ny fijangajangàny;
5
ary nisy anarana voasoratra teo an-kandriny, dia anarana mifono hevi-miafina manao hoe: «Izaho no Babilôna lehibe, foiben’ny fijangajangana sy ny fanazimbazimbana eto ambonin’ny tany.»
6
Hitako ravehivavy fa boboky ny ran’ireo vahoakan’Andriamanitra, boboky ny ran’ireo vavolombelona nanambara an’i Jesoa ka novonoina ho faty noho izany. Gaga dia gaga tokoa aho nahita an-dravehivavy;
7
ka hoy ny anjely tamiko: –Nahoana no gaga ianao? Holazaiko anao ny hevi-miafina ny amin-dravehivavy sy ny amin’ilay biby fito loha sy folo tandroka mitondra azy.
8
Ny biby izay hitanao dia nanan-kery taloha, fa tsy manana intsony izao, ary efa hiakatra avy any amin’ny hantsambe mba hizotra ho amin’ny fandringanana. Dia ho gaga ny mponina ambonin’ny tany raha mahita ilay biby: satria nanan-kery izy io taloha, fa tsy manana intsony izao, nefa mbola hanan-kery indray. Ho gaga ny mponina ambonin’ny tany, izany hoe ny olona tsy voasoratra anarana ao amin’ny horonamboky mirakitra ny lisitr’ireo hanana ny fiaina-maharitra mandrakizay; io horonamboky io dia nisy hatramin’ny fiandohan’izao tontolo izao.
9
Eto no ilàna saina manam-pahendrena. Ny loha fito dia tendrombohitra fito izay ipetrahan-dravehivavy; ary milaza mpanjaka fito koa ireo:
10
efa lavo ny dimy fa iray ihany no eo izao, ary ny iray mbola tsy tonga; ary rehefa tonga izy dia vetivety fotsiny no tsy maintsy hitoerany.
11
Ny biby, izay nanan-kery taloha nefa tsy manana intsony izao, dia ilay mpanjaka laharana fahavalo naman’ireo fito ireo ary mizotra ho amin’ny fandringanana.
12
Ny tandroka folo, izay hitanao, dia mpanjaka folo tsy mbola nahazo fanjakana; kanefa handray fahefana maha mpanjaka izy ireo ka hanjaka mandritra ny adiny iray monja miaraka amin’ilay biby.
13
Miray hevitra ireo mpanjaka folo ireo ka manolotra ny hery sy ny fahefàny ho an’ilay biby.
14
Hiady amin’ny Zanakondry izy rehetra, nefa haharesy azy ny Zanakondry satria Izy no Tompon’ny tompo sy Mpanjakan’ny mpanjaka; ary haharesy miaraka amin’ny Zanakondry koa ireo olona voaantso sy voafidy, dia ireo mpino Azy.
15
Dia hoy koa ny anjely tamiko: –Ny ranobe, izay hitanao ipetrahan’ilay vehivavy janga, dia vahoaka sy olona maro mbamin’ny firenena sy ny samy hafa fiteny.
16
Ny tandroka folo sy ny biby efa hitanao kosa no hankahala ilay vehivavy janga, ka hahatonga azy hanirery sy hampitanjaka azy ary hihinana ny nofony sy handevona ny tenany amin’ny afo.
17
Fa nanome fo azy ireo Andriamanitra hanatanteraka ny heviny, dia hevitra tokana: ny hanomezan’ireo ny fanjakany ho an’ilay biby, mandra-pahatanteraky ny tenin’Andriamanitra.
18
Ravehivavy efa hitanao no ilay tanàna lehibe izay manjaka amin’ireo mpanjakan’ny tany.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22