bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Revelation 11
Revelation 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 12 →
1
Ary nomena volotara tahaka ny tehina fandrefesana aho, dia nilazana hoe: –Mitsangàna, ka refeso ny tempoli n’Andriamanitra sy ny alitara ary isao izay mivavaka ao.
2
Ny kianjan’ny tempoly, ilay eo ivelany, dia avelao ihany fa aza refesina; satria nomena ny hafa firenena izany, ka hanitsakitsaka ny tanàna masina izy ireo mandritra ny 42 volana.
3
Ary homeko hery ny vavolombelona roa mpanambara Ahy, ka hitondra ny hafatro mandritra ny 1 260 andro sady hitafy gony.
4
Ireo vavolombelona roa ireo no fototr’ôliva anankiroa sy fitoeranjiro anankiroa, izay mijoro eo anatrehan’ilay Tompon’ny tany.
5
Ka raha misy mitady hanisy ratsy azy ireo, dia misy afo mivoaka avy ao am-bavany handevona ny fahavalony; ary tsy maintsy hovonoina ho faty toy izany izay mitady hanisy ratsy azy ireo.
6
Ireo no manam-pahefana hanidy ny lanitra, mba tsy hilatsahan’ny ranonorana mandritra ny andro hampitany ny hafatr’Andriamanitra; sady manam-pahefana amin’ny rano, ka mahova azy ho ra; ary manam-pahefana hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te hanao izany.
7
Ary rehefa nahavita fijoroana vavolombelona ireo olona roa ireo, dia hiadian’ilay biby miakatra avy amin’ny hantsambe ary ho resiny sy hataony maty.
8
Ka ny fatiny dia hiampatra eny an-dalamben’ilay tanàna lehibe; io tanàna io no nanomboana ny Tompony tamin’ny hazofijaliana sady antsoina koa hoe Sôdôma na Ejipta araka ny heviny ara-panahy.
9
Vahoaka sy foko ary olona samy hafa fiteny sy firenena maro no misy mijery ny fatin’ireo mandritra ny telo andro sy tapany, sady tsy avela halevina izy.
10
Mifaly sy miravo ary mifanatitra fanomezana ny mponina ambonin’ny tany noho ny nahafatesan’ireo, fa nampiferinaina ny mponina ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.
11
Taorian’ny telo andro sy tapany, dia nisy fofonaina avy tamin’Andriamanitra niditra tao anatin’ireo faty ireo, ary nampijoro azy tamin’ny tongony; ka raiki-tahotra mafy izay olona nahita azy.
12
Dia nahare feo mahery avy tany an-danitra ireo mpaminany roa ireo, nanao taminy hoe: «Miakara atỳ!» Dia niakatra ho any an-danitra tao anatin’ny rahona ireo, ary nahatazana azy ny fahavalony.
13
Tamin’izay fotoana izay dia nisy horohorontany mafy ka nirodana ny ampahafolon’ilay tanàna ary olona fito arivo no matin’io horohorontany io. Raiki-tahotra ny olona sisa ka nanome voninahitra an’ilay Andriamanitra monina ao an-danitra.
14
Lasa izay ny loza faharoa; indro hisosoka faingana ny loza fahatelo.
15
Dia nitsoka trompetra ny anjely fahafito, ka nisy feo mahery tany an-danitra nanao hoe: «Efa lasan’ny Tompontsika sy ilay Mesiany ny fanjakana amin’izao tontolo izao, ka ho fanjakana maharitra mandrakizay izany!»
16
Ary ny loholona 24 izay samy mipetraka eo ambony sezafiandrianany eo anatrehan’Andriamanitra, dia niankohoka nitsaoka an’Andriamanitra
17
sady nanao hoe: «Misaotra Anao izahay, ry Tompo Andriamanitra Tsitoha, Ilay ankehitriny sy taloha, noho Ianao naneho ny herinao lehibe ary noho Ianao efa manjaka.
18
Tezitra ireo firenena, kanefa tonga ny fahatezeranao sy ny fotoana hitsaranao ny maty; tonga ny fotoana hanomezanao valisoa ny mpaminany mpanomponao sy ny vahoakanao mbamin’ireo manaja Anao, na kely na lehibe; tonga ny fotoana hanimbanao izay olona manimba ny tany.»
19
Dia novohana ny tempoli n’Andriamanitra any an-danitra, ka niseho teo anatin’ny tempolin’Andriamanitra ilay vata mirakitra ny fanekempihavanana nataony; ary nisy tselatra sy kotrokorana ary kotro-baratra sy horohorontany mbamin’ny havandra vaventy.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22