bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 10
Ecclesiastes 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 11 →
1
Ny fatin-dalitra dia mahamaimbo sy mampamorivory ny menaky ny mpampiharo zavamanitra; toy izany ny hadalana kely izay mavesatra noho ny fahendrena sy ny voninahitra.
2
Ny fon’ny hendry dia mitondra azy ho amin’izay tsara, fa ny fon’ny adala kosa dia mitondra azy any amin’izay tsy izy.
3
Ary koa, rehefa mandeha eny an-dalambe ny adala dia tonga tsy ampy ny fisainany ka milaza tena amin’ny olona rehetra izy fa adala.
4
Raha tezeran’ny mpanapaka ianao, aza miala amin’ny toeranao; fa ny fahatoniana dia mahasakana fahotana lehibe.
5
Misy ratsy hitako atỳ ambanin’ny masoandro, toa vokatry ny fahadisoana tsy nahy nataon’ny mpanapaka izany:
6
Asandratra ho amin’ny toerana ambony indrindra ny adala, nefa misy mpanankarena mipetraka amin’ny toerana ambany.
7
Efa hitako ny mpanompo mitaingin-tsoavaly, nefa ny mpanapaka dia mandeha an-tongotra toy ny mpanompo.
8
Izay mihady lavaka no ho latsaka ao ary izay mandrava tamboho no hokekerin’ny menarana.
9
Izay manongotra vato no ho voaratrany, ary izay mamaky hazo no ho voany.
10
Raha dombo ny fitaovana vy ka tsy asaina dia mila ampiasana hery be; fa ny fahendrena no mahasoa, satria mahalavorary ny raharaha izany.
11
Raha manaikitra ny menarana satria tsy nanan-kery ny ody dia tsy misy ilàna ny mpisikidy mahay mampiasa ny vavany.
12
Fahasoavana ny teny aloaky ny vavan’ny hendry, fa ny molotry ny adala kosa dia mandevona ny tenany.
13
Ny fiandohan’ny teny aloaky ny vavany dia fahadalana, ary ny fiafaran’ny teniny dia fahaverezan-tsaina mampidi-doza.
14
Maro teny ny adala. Tsy misy olombelona mahafantatra izay ho avy; ary iza no mahalaza aminy izay ho avy any aorianany?
15
Ny fisasaran’ny adala dia mahareraka azy fa ny lalana mankany an-tanàna aza dia tsy fantany akory.
16
Lozanao, ry tany, raha tovolahy no mpanjakanao, ary ny lehibenao dia mihinana dieny maraina!
17
Sambatra kosa ianao, ry tany, raha olona tena mendri-kaja no mpanjakanao, ary ny lehibenao dia homana amin’izay fotoana mety mba hampatanjaka ny tenany fa tsy ny hampahamamo azy!
18
Ny fahalainana no mampianjera ny sakamandimby, ary ny hakamoan’ny tanana no mampitete ny trano.
19
Atao ho fialam-boly ny fisakafoanana; ny divay no maharavoravo ny aina, ary ny vola no mamaha ny olana rehetra.
20
Aza manozona ny mpanjaka na dia amin’ny eritreritrao aza ary aza manozona ny mpanankarena na dia ao anatin’ny efitrano fandrianao aza; fa na dia ny voromanidina aza ange ka hitondra ny feo ary na dia ny manana elatra aza dia hanambara ny teny.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12