bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 8
Ecclesiastes 8
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 9 →
1
Iza no tahaka ny hendry? Ary iza no mahalala izay anton-javatra ao ambadiky ny zava-miseho? Ny fahendren’ny olona dia mahamiramirana ny tarehiny ary manova ny endriny masiaka.
2
Hoy aho: Tandremo ny didin’ny mpanjaka, ary izany dia noho ny fianianana nataon’Andriamanitra.
3
Aza malaky manalavitra azy; aza mikikitra amin’ny raharaha ratsy; fa na inona na inona sitrany dia azony atao avokoa;
4
fa ny tenin’ny mpanjaka dia tenim-pahefana; koa iza no mahazo miteny aminy hoe: Inona no ataonao?
5
Izay mitandrina ny didy tsy mba hahita loza; ary ny saina hendry dia mahalala ny fotoana sy ny fitsarana;
6
fa samy manana ny fotoanany sy ny fitsarana azy ny zava-mitranga rehetra, satria ny ratsy nataon’ny olona dia mitambesatra aminy.
7
Fa tsy mahafantatra izay ho avy izy, sady iza no hampahafantatra azy izay hiavian’izany?
8
Tsy misy olona manan-kery hahatana ny fofonainy, na manana fahefana ny amin’ny andro hahafatesany; tsy misy afa-miala rehefa misy ady ary ny ratsy fanahy dia tsy ho voavonjin’ny haratsiam-panahiny.
9
Izany rehetra izany dia efa hitako avokoa tamin’ny nampiasako ny saiko nandinika ny asa rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro. Misy andro anamparan’ny olona fahefana amin’ny namany ka ampidirany loza aminy.
10
Tamin’izany dia hitako ny ratsy fanahy nalevina; nandeha ny olona, ary niala avy teo amin’ny fitoerana masina ka hadino tao an-tanàna ny asa ratsy nataon’ireo. Izany koa dia zava-poana.
11
Saingy tsy tanterahina haingana ny didy ho famaliana ny ratsy natao dia feno faniriana hanao asa ratsy ny fon’ny zanak’olombelona ao anatiny.
12
Eny, fa na manao asa ratsy injato aza ny mpanota ka ela velona ihany, dia fantatro kosa fa hisy soa ho an’izay matahotra an’Andriamanitra, dia izay matahotra eo anatrehany.
13
Tsy hisy soa ho an’ny ratsy fanahy; fa ho toy ny aloka izy ka tsy haharitra ela satria tsy matahotra eo anatrehan’Andriamanitra.
14
Izao koa no zava-poana izay atao etỳ ambonin’ny tany: Misy olo-marina iharan-javatra izay tokony ho anjaran’ny ratsy fanahy; ary misy ratsy fanahy mahazo izay tokony ho anjaran’ny marina. Hoy aho: Izany koa dia zava-poana.
15
Dia noderaiko ny fifaliana satria tsy misy mahasoa ny olona etỳ ambanin’ny masoandro afa-tsy ny mihinana sy ny misotro ary ny miravoravo ka izany no hanara-dia azy amin’ny fisasarany mandritra ny andro hiainany izay nomen’Andriamanitra azy etỳ ambanin’ny masoandro.
16
Raha nampiasaiko ny saiko hahalala fahendrena sy hahita ny asa atao etỳ ambonin’ny tany, satria misy tsy mahita torimaso na andro na alina,
17
dia hitako avokoa ny asan’Andriamanitra, fa tsy takatry ny sain’ny olona ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro; koa na dia mikely aina hitady izany aza ny olona tsy ho hitany; eny, raha milaza hahafantatra izany aza ny hendry dia tsy hisy hahazoany mamantatra izany akory.
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12