bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 2
Ecclesiastes 2
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 3 →
1
Hoy aho anakampo: Aoka ianao mba hozahako toetra amin’ny fifaliana ka hahita ny atao hoe fahafinaretana; kanjo indro, zava-poana koa izany.
2
Hoy aho momba ny fihomehezana: Hadalana izany! Ary momba ny fifaliana: Mahefa inona izany?
3
Nisaina tato am-poko hamalifaly ny tenako tamin’ny divay aho, nefa ninia mbola hitondra izany amin’ny fahendrena ihany aho; nisaina hitana ny hadalana koa aho, mandra-pahitako izay tsara ho an’ny zanak’olombelona ka tokony hataony etỳ ambanin’ny lanitra amin’ny andro vitsy iainany.
4
Nanao asa lehibe aho: Nanangana trano maro, nanao tanim-boaloboka;
5
nanao zaridaina sy saha mahafinaritra aho, dia namboly hazo fihinam-boa samihafa karazana tao;
6
nanao kamory aho hanondrahana ny zana-kazo ao amin’ny tany famboleko hazo;
7
nahazo mpanompolahy sy mpanompovavy maro aho, mbamin’ireo zanany teraka tato an-trano; nanana omby sy ondry aman’osy betsaka koa aho, mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema.
8
Nihary volafotsy sy volamena koa aho, rakitra sarobidy izay fananan’ny mpanjaka sy izay avy amin’ny fari-piadidiana samihafa; nahazo mpihira lahy sy vavy maro aho mbamin’izay mahafinaritra ny zanak’olombelona, dia vady sy vady tsindrano betsaka.
9
Efa nisandratra mihoatra noho izay rehetra talohako teto Jerosalema aho, nefa ny fahendreko dia mbola tato amiko ihany.
10
Ary na inona na inona nirin’ny masoko dia tsy nisy narovako taminy; tsy nisakana ny foko tamin’izay mety ho fifaliana aho fa nahazo hafaliana avy tamin’ny fisasarako rehetra ny foko; ary izany no anjarako avy tamin’ny fisasarako rehetra.
11
Kanefa nitodika aho nandinika ny asa rehetra nataon’ny tanako sy ny fisasarana izay nisasarako ka indreo, zava-poana sy sambo-drivotra avokoa izany rehetra izany fa tsy nisy nahasoa tetỳ ambanin’ny masoandro.
12
Ary nitodika aho hijery ny fahendrena sy ny fahaverezan-tsaina ary ny fahadalana; fa inona no hataon’ny olona izay handimby ny mpanjaka? Izay efa natao hatramin’ny ela ihany.
13
Ary hitako fa ny fahendrena dia tsara noho ny fahadalana, toy ny fahatsaran’ny mazava noho ny maizina.
14
Ny mason’ny hendry dia eo an-dohany, fa ny adala kosa dia mandeha ao amin’ny maizina; nefa izaho dia mahita fa mitovy ihany ny manjo azy roa tonta.
15
Dia hoy aho anakampo: Mitovy amin’ny manjo ny adala ihany ny manjo ahy; koa nahoana ary aho no nanana tombom-pahendrena? Dia hoy aho anakampo: Izany koa dia zava-poana.
16
Fa samy tsy mamela fahatsiarovana mandrakizay na ny hendry na ny adala; fa raha vao mandroso ny fotoana dia samy hadino izy rehetra. Ary, indrisy! Samy ho faty na ny adala na ny hendry!
17
Dia tonga halako ny miaina satria heveriko fa ratsy ny asa atao etỳ ambanin’ny masoandro ary zava-poana sy sambo-drivotra avokoa ny zava-drehetra.
18
Eny, halako ny fisasarako rehetra izay nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro, izay havelako ho an’izay olona handimby ahy.
19
Ary iza no mahalala na ho hendry izy na ho adala? Nefa izy no ho tompon’izay rehetra nisasarako sy nataoko tamin’ny fahendreko tetỳ ambanin’ny masoandro. Izany koa dia zava-poana.
20
Tonga namoy fo aho ny amin’ny fisasarana rehetra izay nisasarako tetỳ ambanin’ny masoandro.
21
Fa misy olona izay misasatra amin’ny fahendrena sy ny fahalalana ary ny fahakingana, nefa ny olona izay tsy nisasatra tamin’izany akory no tsy maintsy hamelany azy ho lovany. Izany koa dia zava-poana sy fatiantoka lehibe.
22
Fa inona no azon’ny olona amin’ny fisasarany rehetra sy amin’ny ezaky ny fony izay nisahiranany tetỳ ambanin’ny masoandro?
23
Satria ny androny rehetra dia fanaintainana avokoa ary ny fisasarany dia fahasorisorenana; eny, na dia amin’ny alina aza dia tsy manam-pitsaharana ny fony. Izany koa dia zava-poana.
24
Tsy misy mahasoa ny olona mihoatra noho ny mihinana sy misotro ary ny manao izay hampahafinaritra ny tenany amin’izay nisasarany. Izany koa dia hitako fa avy amin’ny tanan’Andriamanitra.
25
Fa iza no mihinam-be ary iza no manaram-po mihoatra noho izaho?
26
Ny olona izay ankasitrahan’Andriamanitra dia omeny fahendrena sy fahalalana ary fifaliana; fa ny mpanota kosa dia ampiasainy hanangona sy hamory mba hisy homeny ho an’izay ankasitrahan’Andriamanitra. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra avokoa.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12