bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 11
Ecclesiastes 11
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 12 →
1
Atsipazo eny ambonin’ny rano ny mofonao fa ho hitanao ihany izy rehefa ela.
2
Samy omeo anjara ny fito, eny, na ny valo aza, fa tsy fantatrao izay fahoriana hanjo etỳ ambonin’ny tany.
3
Rehefa feno ranonorana ny rahona dia arotsany amin’ny tany izany; ary na mianjera mianatsimo ny hazo na mianavaratra, dia eo amin’izay ianjerany ihany no handriany.
4
Izay fatra-pihevitra ny rivotra dia tsy mba hamafy ary izay manahy ny rahona dia tsy mba hijinja.
5
Toy ny tsy ahafantaranao ny lalana alehan’ny rivotra, na ny amin’ny fitombon’ny taolana ao an-kibon’izay manana anaka, dia toy izany no tsy ahafantaranao ny asan’Andriamanitra, Mpanao ny zavatra rehetra.
6
Amin’ny maraina dia afafazo ny voanao ary amin’ny hariva dia aza atsahatra ny tananao; fa tsy fantatrao izay ho vanona, na itsỳ, na irỳ, na angamba samy ho vanona avokoa izy roa tonta.
7
Mamy tokoa ny mazava ary mahafinaritra ny maso ny mijery ny masoandro;
8
fa raha ela velona ny olona dia aoka ho faly amin’ny androny rehetra ary aoka izy hahatsiaro fa ho maro ny andro maizina. Zava-poana avokoa izay rehetra ho avy.
9
Mifalia, ry zatovo, dieny mbola tanora ianao; ary aoka ny fonao hampifalifaly anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, koa mandehana any amin’izay sitraky ny fonao sy izay jeren’ny masonao; nefa aoka ho fantatrao fa hoentin’Andriamanitra hotsaraina ianao amin’izany rehetra izany.
10
Koa esory ao am-ponao ny alahelo ary avilio tsy hikasika ny nofonao ny ratsy; fa ny fahatanorana sy ny fahatanjahana dia samy zava-poana.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12