bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 12
Ecclesiastes 12
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
1
Tsarovy ny Mpanao anao amin’ny andron’ny fahatanoranao, dieny tsy mbola tonga ny andro mahory ary tsy mbola mihatra ny taona izay hilazanao hoe: Tsy sitrako izao;
2
dieny tsy mbola mihamaizina ny masoandro sy ny fahazavana ary ny volana sy ny kintana, ary tsy mbola mitambatra indray ny rahona rehefa avy nilatsaka ny ranonorana;
3
fa amin’izay dia hangovitra ny mpiandry trano ary hanjoko ny lehilahy matanjaka, hitsahatra ny mpanompovavy mikoso-bary, satria efa vitsy ireo ary ho maizina ny vehivavy mitsirika eny am-baravarankely;
4
hirindrina ny varavarana kopa-droa mankeny an-dalambe rehefa mihamalemy ny feon’ny fikosoham-bary; ho taitra ny olona raha vao maneno ny voronkely ary tsy hahaloa-peo ny zazavavy mpihira rehetra;
5
hatahorana ny toerana avo, fa toa misy zava-mahatahotra eny an-dalana; hamony ny hazo amanda, ny valala dia ho tonga mavesatra, ny voan-tsimperifery tsy hanan-kery intsony fa mandroso ho any amin’ny tranony mandrakizay ny olona ary ireo mpitomany dia mandehandeha eny an-dalambe;
6
dieny tsy mbola mivaha ny kofehy volafotsy, tsy mbola vaky ny vilia volamena fitoeran-diloilo, tsy mbola potika ny siny eo an-doharano, ary tsy mbola tapaka ny kodia eo an-davaka fantsakana.
7
Fa amin’izany ny vovoka dia hiverina amin’ny tany ho toy ny teo aloha fa ny fanahy kosa dia hiverina amin’Andriamanitra izay nanome izany.
8
Tena zava-poana, hoy i Mpitoriteny, eny, zava-poana ny zavatra rehetra!
9
Ary izao koa, satria hendry i Mpitoriteny dia nampianatra ny olona fahalalana izy; eny, nandinika sy nieritreritra ary nandahatra tenim-pahendrena maro izy.
10
Nikaroka i Mpitoriteny mba hahita teny mahafinaritra; ary izay tena izy no voasorany, dia teny azo antoka.
11
Ny tenin’ny hendry dia toy ny fanindronana ary toy ny tsatòka natsangan’ireo mpanangona tenim-pahendrena. Fanomezana avy amin’ny mpiandry tokana izany.
12
Ankoatra izany, anaka, minoa anatra; fa tsy misy farany ny manao boky maro ary manasatra ny tena ny fianarana be.
13
Rehefa re izany rehetra izany dia izao no teny farany: Andriamanitra no atahory ary ny didiny no tandremo, fa izany no tokony hataon’ny olona rehetra.
14
Fa ny atao rehetra dia hoentin’Andriamanitra ho amin’ny fitsarana ny zavamiafina tsy an-kanavaka, na soa na ratsy.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12