bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 3
Ecclesiastes 3
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 4 →
1
Misy fotoana ho an’ny zavatra tsirairay ary misy fotoana ho an’ny raharaha rehetra etỳ ambanin’ny lanitra:
2
Ao ny andro iterahana ary ao ny andro ahafatesana; ao ny andro ambolena ary ao ny andro anongotana ny nambolena;
3
ao ny andro amonoana ary ao ny andro anasitranana; ao ny andro andravana ary ao ny andro ananganana;
4
ao ny andro itomaniana ary ao ny andro ihomehezana; ao ny andro isaonana ary ao ny andro andihizana;
5
ao ny andro anariam-bato ary ao ny andro anangonam-bato; ao ny andro amihinana ary ao ny andro ifadiana tsy hamihinana;
6
ao ny andro itadiavana ary ao ny andro ahaverezana; ao ny andro itahirizana ary ao ny andro anariana;
7
ao ny andro androvitana ary ao ny andro anjairana; ao ny andro anginana ary ao ny andro itenenana;
8
ao ny andro itiavana ary ao ny andro ankahalana; ao ny andro iadiana ary ao ny andro ihavanana.
9
Inona no soa azon’ny mpiasa amin’izay isasarany?
10
Efa hitako ny asa izay nomen’Andriamanitra ny zanak’olombelona hisahiranany.
11
Ny zavatra rehetra dia samy nataony ho mendrika amin’ny fotoanany avy; ary ny mandrakizay dia efa nataony tao am-pony, kanefa tsy hitan’ny olona ny asan’Andriamanitra na hatramin’ny voalohany na hatramin’ny farany.
12
Fantatro fa: Tsy misy tsara amin’ny olombelona afa-tsy ny mifaly sy ny manao ny tsara raha mbola velona koa izy.
13
Fantatro koa fa raha mihinana sy misotro ary finaritra amin’ny fisasarany rehetra ny olombelona dia fanomezan’Andriamanitra izany.
14
Fantatro fa izay rehetra ataon’Andriamanitra dia haharitra mandrakizay: Tsy azo ampiana ary tsy azo analana izany. Ataon’Andriamanitra izany mba hahatonga ny olona hatahotra Azy.
15
Izay atao izao dia efa natao fahiny ary izay mbola ho avy dia efa nisy fahiny ihany koa; na dia ny efa lasa aza dia mbola tadiavin’Andriamanitra indray.
16
Izao koa no hitako tetỳ ambanin’ny masoandro: Eo amin’ny toeran’ny fitsarana dia ao ny haratsiam-panahy; ary eo amin’ny toeran’ny fahamarinana dia ao ihany koa ny ratsy fanahy.
17
Hoy aho anakampo: Samy hotsarain’Andriamanitra na ny marina na ny ratsy fanahy; fa samy manana ny androny avy ny raharaha rehetra sy ny asa rehetra etỳ.
18
Hoy aho anakampo, ny amin’ny zanak’olombelona: Ny mba hizahan’Andriamanitra toetra azy izany ka ho hitany fa raha ny tenany ihany dia biby izy.
19
Fa izay manjo ny zanak’olombelona no manjo ny biby; mitovy ihany ny mihatra amin’izy roa tonta; fa toy ny ahafatesan’ny iray no ahafatesan’ny iray koa; eny, iray ihany ny fofonaina ananan’izy rehetra; ary tsy misy ihoaran’ny olona amin’ny biby; fa samy zava-poana daholo izy ireo.
20
Izy rehetra dia samy toerana iray ihany no alehany: Avy tamin’ny vovoka izy rehetra ary samy hiverina ho amin’ny vovoka ihany indray.
21
Iza no mahalala raha miakatra ho any ambony ny fanahin’ny olombelona, ary raha midina any ambany, amin’ny tany, ny fanahin’ny biby?
22
Efa hitako fa tsy misy tsara noho ny ifalian’ny olona amin’ny asany satria izany no anjarany; fa iza no hitondra azy hiverina mba hahita izay ho avy any aorianany?
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12