bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 5
Ecclesiastes 5
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 6 →
1
Aza haingam-bava, ary aoka tsy halaky hanonona teny eo anatrehan’Andriamanitra ny fonao; fa Andriamanitra dia any an-danitra ary ianao dia etỳ an-tany, koa aoka ho vitsy ny teninao.
2
Fa ny haben’ny fisasarana no mahatonga ny nofinofy, ary ny haben’ny teny no isehoan’ny rediredin’ny adala.
3
Raha mivoady amin’Andriamanitra ianao, aza manao ampitso lava, fa tsy ankasitrahany ny adala; koa efao ny voadinao.
4
Aleo tsy mivoady toy izay mivoady nefa tsy mahefa.
5
Aza avela hahatonga heloka amin’ny tenanao ny vavanao, ary aza miteny eo imason’ny anjelin’Andriamanitra hoe: Niteny tsy nahy aho. Nahoana no ho tezitra amin’ny teninao Andriamanitra ka hanimba ny asan’ny tananao?
6
Fa amin’ny haben’ny nofinofy dia misy zava-poana, ary toy izany koa ny haben’ny teny. Koa matahora an’Andriamanitra.
7
Raha hitanao any amin’ny fari-piadidiana iray ny fampahoriana ny mahantra mbamin’ny famadihana ny fitsarana sy ny rariny dia aza gaga amin’izany; fa misy ambony kokoa mibanjina ny ambony ary mbola misy ambony noho ireo indray aza.
8
Fa ny tombontsoa avy amin’ny tany dia ho an’ny rehetra ary na ny mpanjaka aza dia miankina amin’ny tany famboly.
9
Izay tia vola dia tsy ho voky vola; ary izay fatra-pitia harena be dia tsy ho vokin’ny fitomboan-karena. Zava-poana koa izany.
10
Raha mitombo ny fananana dia mitombo koa ny mpihinana azy; ary inona no soa azon’ny tompony afa-tsy ny mijery maso azy fotsiny ihany?
11
Mamy ny torimason’ny mpiasa na homan-kely izy na homam-be; fa ny haben’ny fananan’ny mpanankarena kosa no tsy ahitany tory.
12
Misy ratsy mandrera-po hitako etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny harena tehirizin’ny tompony nefa mampidi-doza amin’ny tenany;
13
sady levona izany harena izany noho ny fampiasany azy tamin’ny asa ratsy, dia miteraka zazalahy izy nefa tsy misy na inona na inona eny an-tanany.
14
Toy ny nivoahany mitanjaka avy tany an-kibon’ny reniny, dia toy izay niaviany ihany no hiverenany; tsy hisy na inona na inona hoentin’ny tanany ho valin’ny fisasarany.
15
Ratsy mandrera-po koa izany fa tsy misy hafa amin’izay niaviany no handehanany; ary inona no soa azony noho ny nisasarany ho an’ny rivotra?
16
Sady laniny ao amin’ny maizina ny androny rehetra ary feno fahasosorana sy mararirary anaty izy sady manao fo lentika.
17
Indro, efa hitako izay soa sy izay tsara, dia ny mihinana sy misotro ary mifaly amin’ny fisasarana rehetra izay isasaran’ny olona etỳ ambanin’ny masoandro mandritra ny andro vitsy omen’Andriamanitra azy hiainany; fa izany no anjarany.
18
Ary izao koa, ho an’ny olona rehetra izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sady omeny fahefana hihinanany azy sy hahazoany ny anjarany ary hifaliany amin’ny fisasarany, dia fanomezan’Andriamanitra izany.
19
Fa tsy hahatsiaro loatra ny andro niainany izy satria ny fahafinaretana no amenoan’Andriamanitra ny fony.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12