bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 7
Ecclesiastes 7
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 8 →
1
Tsara ny laza soa noho ny menaka manitra ary ny andro ahaterahana dia tsy mahaleo ny andro ahafatesana.
2
Tsara ny mankany amin’ny trano misy fisaonana noho ny mankany amin’ny trano misy fanasana, fa ho amin’io no hiafaran’ny olombelona rehetra, koa ny velona dia handatsaka izany am-po.
3
Tsara ny alahelo noho ny hehy, fa na dia malahelo aza ny tarehy, mety ho tsara ihany ny fo.
4
Ny fon’ny hendry dia ao amin’ny trano misy fisaonana, fa ny fon’ny adala kosa dia any amin’ny trano misy fifaliana.
5
Tsara ny mihaino ny anatra mafy ataon’ny hendry noho ny mihaino ny hiran’ny adala.
6
Toy ny firefodrefotry ny tsilo ao ambanin’ny vilany, dia tahaka izany ny fihomehezan’ny adala. Izany koa aza dia zava-poana.
7
Ny fampahoriana dia mahavery saina ny hendry, ary ny kolikoly dia mahasimba ny fo.
8
Tsara ny fiafaran’ny raharaha iray noho ny fiandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavona.
9
Aoka tsy halaky tezitra ianao, fa ny fahatezerana dia milafika ao am-pon’ny adala.
10
Aza milaza hoe: Ahoana no nahatsara ny andro taloha noho ny ankehitriny? Fa tsy avy amin’ny fahendrena no anontanianao izany.
11
Tsara tahaka ny lova ny fahendrena, sady zava-mahasoa ho an’izay mahita masoandro izany
12
satria fialokalofana ny fahendrena ary fialokalofana ny vola; fa ny mahatsara ny fahalalana dia izao: Maharo ny ain’izay manana azy ny fahendrena.
13
Diniho ny asan’Andriamanitra; fa iza moa no mahahitsy izay nataony meloka?
14
Amin’ny andro mahafaly dia mifalia ary amin’ny andro mahory dia mieritrereta; fa Andriamanitra no nanao ny iray, toy ny nanaovany ny iray koa, mba tsy hahitan’ny olombelona izay ho avy any aorianany akory.
15
Izao rehetra izao dia efa hitako tamin’ny androko mandalo foana: misy marina maty noho ny fahamarinany ary misy meloka ela velona noho ny faharatsiany.
16
Aza marina loatra ary aza miseho ho hendry loatra; nahoana no hosimbanao ny tenanao?
17
Aza ratsy loatra ary aza adala; nahoana no ho faty raha tsy mbola tonga ny andronao?
18
Tsara raha mitana iroa ianao, nefa aza mampiala ny tananao amin’itsy; fa izay matahotra an’Andriamanitra dia ho afaka amin’izany rehetra izany.
19
Ny fahendrena dia mahatonga ny hendry hahery kokoa noho ny mpanapaka folo ao an-tanàna.
20
Fa tsy misy olona marina ambonin’ny tany izay manao ny tsara ka tsy manota.
21
Aza mihaino izay teny rehetra tenenina, fandrao handre ny mpanomponao manozona anao ianao
22
satria fantatrao tsara fa matetika ny tenanao koa dia mba efa nanozona ny sasany ihany.
23
Izany rehetra izany dia nozahako toetra tamin’ny fahendrena. Hoy aho: Ho hendry aho. Kanjo lavitra ahy izany.
24
Eny, lavitra ny zava-misy; lalina dia lalina! Iza no hahatakatra azy?
25
Nitodika aho ka nampiasaiko ny saiko mba hahalala, handinika ary hitady fahendrena sy izay anton’ny zavatra rehetra ka hahafantatra ny haratsiam-panahy ho fahadalana, ary ny fahadalana ho fahaverezan-tsaina.
26
Ary hitako fa mangidy noho ny fahafatesana ny vehivavy, rehefa izy no fandrika ary harato ny fony, sady famatorana ny tanany; nefa izay olona ankasitrahan’Andriamanitra dia ho afa-mandositra azy fa ny mpanota ihany no ho azony.
27
Indro, izany no hitako, hoy i Mpitoriteny, rehefa nandinika ny zavatra tsirairay aho mba hahitako izay antony.
28
Izay mbola notadiaviko koa nefa tsy hitako, dia izao: Lehilahy iray no hitako ho marina tao amin’ny arivo; fa tao amin’ny vehivavy rehetra dia tsy nisy hitako na dia iray akory aza.
29
Indro, izao ihany no hitako: Nataon’Andriamanitra mahitsy ny olombelona, fa izy tenany ihany no namorona tetika maro.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12