bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 9
Ecclesiastes 9
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 10 →
1
Fa izany rehetra izany dia nalatsako tato am-poko ka ireto rehetra ireto no zavatra hitako: Ny marina sy ny hendry mbamin’ny asany dia samy eo an-tanan’Andriamanitra avokoa; ary koa, na ho fitiavana na ho fankahalana dia samy tsy fantatry ny olombelona ny zavatra miandry azy.
2
Mitovy avokoa ny manjo ny olombelona rehetra; eny, zavatra iray ihany no manjo ny marina sy ny ratsy fanahy, ny manjo ny tsara fanahy sy ny madio ary ny maloto, ny mamono zavatra hatao fanatitra sy ny tsy mamono zavatra hatao fanatitra; mitovy ihany ny amin’ny tsara fanahy sy ny amin’ny mpanota, ary ny amin’ny mianiana sy ny amin’izay tsy sahy hianiana.
3
Izao no zava-dratsy amin’izay rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro: Zavatra iray ihany no manjo ny olombelona rehetra, sady feno faharatsiana ny fon’ny zanak’olombelona ka hadalana no ao am-pony amin’ny andro iainany; ary rehefa afaka izany dia ho any amin’ny maty izy.
4
Fa ho an’izay voaisa ho naman’ny velona kosa dia mbola misy antenaina; fa ny amboa velona no tsara noho ny liona maty.
5
Fantatry ny velona mantsy fa ho faty izy, fa ny maty kosa dia tsy mba mahalala na inona na inona, ary tsy misy valim-pitia ho azy intsony satria hadino ny fahatsiarovana azy.
6
Na ny fitiavany, na ny fankahalany, na ny fialonany, dia samy efa levona ela sady tsy manana anjara intsony mandrakizay izy amin’izay atao etỳ ambanin’ny masoandro.
7
Mandehana, hano amin’ny fifaliana ny mofonao ary sotroy amin’ny fo falifaly ny divainao, fa efa nankasitrahan’Andriamanitra sahady ny asanao.
8
Aoka ho fotsy mandrakariva ny fitafianao ary aoka tsy ho diso menaka ny lohanao.
9
Miravoravoa amin’ny vady malalanao amin’ny andronao rehetra mandalo foana izay nomeny anao etỳ ambanin’ny masoandro, dia ny andronao rehetra mandalo foana; fa izany no anjaranao amin’ny andro iainanao sy amin’ny fisasarana izay isasaranao etỳ ambanin’ny masoandro.
10
Izay rehetra azon’ny tananao atao dia ataovy amin’ny herinao; fa tsy misy asa, na hevitra, na fahalalana, na fahendrena any amin’ny fitoeran’ny maty izay alehanao.
11
Ary hitako etỳ ambanin’ny masoandro indray fa tsy ho an’ny mahery mandeha ny hazakazaka, tsy ho an’ny mahery ny ady, tsy ho an’ny hendry ny hanina, tsy ho an’ny mazava saina ny harena ary tsy ho an’ny manam-pahalalana ny fitia; fa ny fotoana sy ny sampona dia samy mahatratra azy rehetra.
12
Tsy fantatry ny olombelona ny fotoanany fa toy ny hazandrano azon’ny harato mandoza izy ary toy ny voronkely izay voan’ny fandrika, dia voafandrika toy izany ny zanak’olombelona amin’ny andro mahory rehefa mahavoa azy tampoka izany.
13
Izao koa no fahendrena efa hitako tetỳ ambanin’ny masoandro ary hitako ho zava-dehibe:
14
Nisy vohitra kely sady vitsy olona, dia avy ny mpanjaka lehibe iray ka namely sy nanao fahirano azy ary nanao manda lehibe hamelezany azy.
15
Nisy lehilahy iray tao, izay mahantra nefa hendry, ary izy no nahavonjy ny tanàna tamin’ny fahendreny, nefa tsy nisy olona mba nahatsiaro izany lehilahy mahantra izany.
16
Koa hoy aho: Aleo fahendrena toy izay hery; kanjo hamavoina ny fahendren’ny mahantra ary ny teniny dia tsy mba henoina.
17
Ny tenin’ny hendry izay re ao amin’ny filaminana dia tsara noho ny antsoantso ataon’ny mpanapaka eo amin’ny olona adala.
18
Aleo fahendrena toy izay fitaovam-piadiana; ary ny mpanota iray dia mahasimba ny soa marobe.
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12