bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 4
Ecclesiastes 4
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 5 →
1
Hitako koa ny fampahoriana rehetra atao etỳ ambanin’ny masoandro ka indro ny ranomason’ny ampahorina nefa tsy misy izay mampionona azy; hery no eo anilan’ny mpampahory azy nefa tsy misy izay mampionona azy.
2
Ny maty izay efa maty ela dia heveriko fa sambatra noho ny velona izay mbola velona,
3
nefa sambatra indray noho ny maty sy ny velona aza izay tsy mbola ary akory ka tsy mahita ny ratsy atao etỳ ambanin’ny masoandro.
4
Ary hitako ny fisasarana rehetra sy ny fahombiazana rehetra fa avy amin’ny fifampialonan’ny olona ireny. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany.
5
Ny adala dia mamihin-tanana ka homana ny tenany.
6
Tsara ny fialan-tsasatra eran’ny tanana an’ila noho ny fisasarana eran’ny tanana roa nefa sambo-drivotra foana.
7
Ary izao koa no zava-poana hitako etỳ ambanin’ny masoandro:
8
Misy olona mitoetra irery ka tsy mana-namana, tsy manan-janaka, tsy manana rahalahy aza, nefa tsy misy farany ny fisasarany samihafa ary ny masony dia tsy afa-po amin’ny harena ka ilazany hoe: Ho an’iza no isasarako sy tsy ananako fahasambarana? Zava-poana sy asa mahareraka koa izany.
9
Tsara ny roa noho ny iray fa misy valiny tsara ny fisasarany.
10
Raha misy lavo dia arenin’ny namany; fa mahantra ny tokana izay lavo nefa tsy manana namana hanarina azy.
11
Ary koa, raha miara-mandry ny roa dia mafana izy; fa hatao ahoana no hampahafana ny irery?
12
Raha misy maharesy ny irery aza, ny roa kosa dia tsy ho leony; ny mahazaka telo olana dia tsy mora tapahina.
13
Aleo zatovo mahantra nefa hendry toy izay mpanjaka antitra adala ka tsy laitra anarina intsony,
14
na dia avy tao an-tranomaizina aza no nivoahany hanjaka ary na dia tao anatin’ny fahantrana aza no nahaterahany hitondra ny fanjakany.
15
Hitako ny miaina rehetra izay mandeha etỳ ambanin’ny masoandro, manotrona ilay zazalahy izay mitsangana handimby ny efa teo.
16
Tsy hita isa ny fitambaran’ny vahoaka, dia izay rehetra anjakany; nefa izay ho avy any aoriana dia tsy mba hahita fifaliana aminy. Izany koa dia zava-poana sy sambo-drivotra.
17
Tandremo ny tongotrao raha mankao amin’ny tranon’Andriamanitra ianao; fa ny manatona hihaino no tsara noho ny fanateran’ny adala fanatitra satria tsy fantatr’ireny akory fa ratsy ny ataony.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12