bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Ecclesiastes 6
Ecclesiastes 6
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 7 →
1
Misy toe-javatra ratsy hitako etỳ ambanin’ny masoandro ary mitambesatra amin’ny olona izany,
2
dia olona izay omen’Andriamanitra vola aman-karena sy voninahitra ka tsy misy tsy ananany izay rehetra niriny, nefa tsy omen’Andriamanitra fahefana hihinana amin’izany izy fa olon-kafa no homana azy; zava-poana sy toe-javatra mampahory koa izany.
3
Na dia misy miteraka zato aza sady tratra antitra ka efa maro ny andro niainany, nefa tsy mba voky soa izy sady tsy mba alevina akory ny fatiny, dia hoy aho: Ny tsy tonga volana dia tsara kokoa noho izy.
4
Fa tamin’ny zava-poana no niaviany ary ao amin’ny maizina no alehany, sady ho voasaron’ny haizina ny anarany,
5
ary tsy nahita na nahalala ny masoandro akory koa izy; mahita fitsaharana be kokoa noho izy ilay tsy tonga volana.
6
Eny, na dia tratry ny arivo taona indroa aza izy nefa tsy nahita fahasambarana, tsy ho any amin’ny toerana iray ihany va no alehan’izy rehetra?
7
Ny fisasarana rehetra ataon’ny olona dia ho an’ny sakafony ihany, nefa tsy mety afa-po ny faniriany.
8
Fa inona no soa azon’ny hendry mihoatra noho ny adala? Tombontsoa inona no ananan’ny mahantra izay mahay mitondra tena eo imason’ny velona?
9
Ny eo am-pelatanana dia tsara noho ny nofinofy. Zava-poana sy sambo-drivotra koa izany.
10
Izay efa teo dia voalaza anarana hatry ny fony ela, ary fantatra fa ny olombelona dia tsy mahazo mifandahatra amin’Izay mahery noho izy.
11
Araka ny hamaron’ny teny no maha maro ny zava-poana, koa inona no tombontsoa azon’ny olona?
12
Fa iza no mahalala izay mahasoa ny olona amin’ny fiainana, amin’ny andro mandalo foana izay laniny toy ny fihelin’ny aloka? Iza no hahalaza amin’ny olona izay zavatra ho avy any aorianany etỳ ambanin’ny masoandro?
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12