bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 10
Joshua 10
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
1
Rehefa ren’i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa azon’i Josoa ka nataony zavatra voaozona i Ay; ary araka izay nataony tamin’i Jeriko sy ny mpanjakany no nataony tamin’i Ay sy ny mpanjakany sady nanao fihavanana tamin’ny Israely ny mponina tany Gibeona ka tafatoetra eo aminy,
2
dia raiki-tahotra indrindra izy satria tanàna lehibe i Gibeona, tahaka ny tanàn-dehibe iray ao amin’ny fanjakan’ny mpanjaka, sady lehibe noho Ay, ary nahery daholo ny lehilahy tao.
3
Koa nandefa iraka i Adony-Zedeka, mpanjakan’i Jerosalema, ho any amin’i Hohama, mpanjakan’i Hebrona, i Pirama, mpanjakan’i Jarmota, i Jafia, mpanjakan’i Lakisy, ary i Debira, mpanjakan’i Eglona, hiteny hoe:
4
Miakara atỳ amiko ka manampia ahy, hamelezantsika an’i Gibeona; fa efa nanao fihavanana tamin’i Josoa sy ny Zanak’Israely izy.
5
Ary niangona ireo mpanjaka dimy tamin’ny Amorita ireo, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy, ary ny mpanjakan’i Eglona, ka niakatra izy sy ny miaramilany rehetra dia nitoby tandrifin’i Gibeona ka namely azy.
6
Ary nandefa iraka ho any amin’i Josoa teo an-toby tany Gilgala ny mponina tao Gibeona mba hiteny hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara haingana ho atỳ aminay ary vonjeo sy ampio izahay fa miangona hamely anay ny mpanjakan’ny Amorita rehetra izay monina any amin’ny tany havoana.
7
Dia niakatra niala tany Gilgala i Josoa sy ny mpanafika rehetra tao aminy, dia ny lehilahy mahery rehetra.
8
Ary hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra azy fa efa natolotra eo an-tananao izy ka tsy hisy hahajanona eo anoloanao izy na dia iray akory aza.
9
Dia tonga tampoka tamin’ireo i Josoa fa nanao lava alina avy tany Gilgala izy.
10
Ary NY TOMPO nampifanaritaka ireo teo anoloan’ny Israely; namely ireo tany Gibeona ny Israely ka nahafaty olona maro be sady nanenjika azy tamin’ny fiakarana mankany Bety-Horona ka namely azy hatrany Azeka ka hatrany Makeda.
11
Nony nandositra teo anoloan’ny Israely teo am-pidinan’i Bety-Horona izy ireo dia nandatsaka havandra vaventy taminy avy tany an-danitra hatrany Azeka NY TOMPO ka nahafaty azy. Be lavitra ny matin’ny havandra noho izay novonoin’ny Zanak’Israely tamin’ny sabatra.
12
Tamin’io andro nanoloran’NY TOMPO ny Amorita teo anoloan’ny Zanak’Israely io i Josoa dia niteny tamin’NY TOMPO teo imason’ny Zanak’Israely hoe: Ry masoandro, mijanòna eo ambonin’i Gibeona; Ary, ianao kosa, ry volana, dia mijanòna any an-dohasahan’i Aialona.
13
Dia nijanona ny masoandro, ary nijanona koa ny volana, mandra-pamalin’ny olona ny fahavalony. Tsy efa voasoratra ao amin’ny Bokin’i Jasara va izany? Dia nijanona teo afovoan’ny lanitra ny masoandro ka tsy nandroso hilentika saika indray andro manontolo.
14
Ary tsy nisy andro tahaka izany, na tany alohany, na tatỳ aorianany, izay nihainoan’NY TOMPO ny feon’olona; fa NY TOMPO niady ho an’ny Israely.
15
Avy eo i Josoa sy ny Israely rehetra dia niverina nankany an-toby tany Gilgala.
16
Ary nandositra ny mpanjaka dimy ka niery tao anatin’ny zohy any Makeda.
17
Dia nolazaina tamin’i Josoa hoe: Indreo, miery ao anatin’ilay zohy any Makeda ny mpanjaka dimy.
18
Ary hoy i Josoa: Manakodiava vato lehibe hatampina ny vavan’ny zohy ary asio olona eo anoloany hiambina azy;
19
nefa aza mijanona ianareo, fa manenjeha ny fahavalonareo ka mameleza ny vodilalana; aza avela ho tafiditra any an-tanànany ireny, fa efa natolotry NY TOMPO Andriamanitrareo eo an-tananareo.
20
Ary voaringan’i Josoa sy ny Zanak’Israely ireny mandra-pahalany ritra azy ka izay afa-nandositra no lasa niditra tany amin’ny tanàna mimanda.
21
Dia niverina soa amantsara ho any amin’i Josoa teo an-toby tany Makeda ny vahoaka rehetra; ary tsy nisy sahy nanao vava ratsy tamin’ny Zanak’Israely intsony.
22
Ary hoy indray i Josoa: Sokafy ny vavan’ny zohy ka avoahy tao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo hankaty amiko.
23
Dia nataon’ny olona izany ka navoakany avy tao an-johy ireo mpanjaka dimy ireo ho eo aminy, dia ny mpanjakan’i Jerosalema, ny mpanjakan’i Hebrona, ny mpanjakan’i Jarmota, ny mpanjakan’i Lakisy ary ny mpanjakan’i Eglona.
24
Rehefa navoaka tao ireo mpanjaka ireo ka noentina ho eo amin’i Josoa dia niantso ny lehilahy rehetra amin’ny Israely i Josoa ka niteny tamin’ny mpitarika ny mpiady izay teo aminy hoe: Manatòna ka ataovy eo amin’ny vozon’ireto mpanjaka ireto ny tongotrareo. Dia nanatona ireo ka nanao ny tongony teo amin’ny vozon’ireo.
25
Ary hoy i Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’NY TOMPO amin’ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
26
Rehefa afaka izany dia namely ireo i Josoa ka nahafaty azy ary nahantony tamin’ny hazo dimy ny fatiny; dia nihantona tamin’ny hazo ireo, mandra-paharivan’ny andro.
27
Tamin’ny filentehan’ny masoandro kosa dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy ka mbola ao izany mandraka androany.
28
Azon’i Josoa koa i Makeda tamin’izany andro izany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany. Naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa.
29
Ary i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy dia niala tany Makeda ka nankany Libna ary namely azy;
30
dia natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Israely koa izy sy ny mpanjakany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy mbamin’ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakany koa.
31
Ary niala tany Libna i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy ka nankany Lakisy, dia nitoby tandrifiny ka namely azy.
32
Natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Israely koa i Lakisy ka azony tamin’ny andro faharoa, dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny olona rehetra tao, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Libna koa.
33
Ary niakatra i Horama, mpanjakan’i Gezera, hamonjy an’i Lakisy; dia nasian’i Josoa izy sy ny vahoakany mandra-paharingany.
34
Niala tany Lakisy indray i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Eglona, dia nitoby tandrifiny ka namely azy,
35
dia azony tamin’izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia nataony zavatra voaozona tamin’io andro io ihany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Lakisy.
36
Niakatra niala tany Eglona i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Hebrona ary namely azy,
37
dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
38
Ary niverina i Josoa sy ny Israely rehetra teo aminy ka nankany Debira ary namely azy,
39
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy ka nataony zavatra voaozona avokoa ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay efa nataony tamin’i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’i Debira sy ny mpanjakany, tahaka izay efa nataony tamin’i Libna sy ny mpanjakany koa.
40
Ary nasian’i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany amin’ny havoana, tany Negeva, tany Sefela ary ny tany am-pototry ny tendrombohitra. Tsy nasiany niangana ireny fa nataony zavatra voaozona avokoa ny manam-pofonaina rehetra, araka ny didin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
41
Nasian’i Josoa izy ireo hatrany Kadesy-Barnea ka hatrany Gaza ary ny tany Gosena rehetra hatrany Gibeona.
42
Ary ireo mpanjaka rehetra ireo sy ny taniny dia azon’i Josoa indray mandeha satria NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, no niady ho an’ny Israely.
43
Dia niverina ho any an-toby tany Gilgala i Josoa sy ny Israely rehetra niaraka taminy.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24