bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 17
Joshua 17
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
1
Nahazo zaratany tamin’ny antsapaka koa ny fokon’i Manase, fa izy no lahimatoan’i Josefa, dia i Makira, lahimatoan’i Manase, rain’i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’i Gileada sy i Basana.
2
Nisy koa ho an’ny taranak’i Manase sisa araka ny fokony, dia ho an’ny taranak’i Abiezera, ny taranak’i Heleka, ny taranak’i Asriela, ny taranak’i Sekema, ny taranak’i Hefera ary ny taranak’i Semida: Ireo no zanakalahin’i Manase, zanak’i Josefa, araka ny fianakaviany avy.
3
Fa i Zelofada, zanak’i Hefera, zanak’i Gileada, zanak’i Makira, zanak’i Manase, kosa dia tsy mba nanan-janakalahy, fa zanakavavy ihany; ary izao no anaran’ny zanany vavy: I Mahala, i Noa, i Hogla, i Milka ary i Tirza.
4
Dia nanatona teo anatrehan’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny loholona izy ireo ka niteny hoe: NY TOMPO efa nandidy an’i Mosesy hanome anay zaratany eo amin’ny anadahinay. Ary nomeny lova teo amin’ny rahalahin-drainy izy araka ny didin’NY TOMPO.
5
Dia nahazo anjara folo i Manase afa-tsy ny tany Gileada sy Basana, izay any andafin’i Jordana,
6
satria ny zanakavavin’i Manase dia niara-nahazo lova tamin’ny zanany lahy; ary ny tany Gileada dia an’ny zanakalahin’i Manase sisa.
7
Ny sisintanin’i Manase dia hatrany Asera ka hatrany Mikmeta, tandrifin’i Sekema, dia mandroso mianatsimo, hatrany Jamina, hatrany amin’ny mponina any Eny-Tapoa.
8
Ary an’i Manase ny faritr’i Tapoa; fa i Tapoa izay eo amin’ny sisintanin’i Manase kosa dia an’ny taranak’i Efraima.
9
Ny sisintaniny dia nidina hatreo atsimon’ny lohasahan-driakan’i Kana; ireo tanàna teo amin’ny tanànan’i Manase ireo dia an’i Efraima; ary ny sisintanin’i Manase dia teo avaratry ny lohasahan-driaka ka nihatra tamin’ny ranomasina.
10
Ny atsimo dia an’i Efraima, ary ny Avaratra dia an’i Manase, koa ny ranomasina no sisintaniny; ary nipaka tamin’i Asera teo avaratra sy tamin’Isakara teo atsinanana izy.
11
Nahazo anjara koa i Manase teo amin’Isakara sy teo amin’i Asera, dia Bety-Sana sy ny vohitra miankina aminy, Ibleama mbamin’ny vohitra miankina aminy, ny mponina any Dora mbamin’ny vohitra miankina aminy, ny mponina any Eny-Dora koa mbamin’ny vohitra miankina aminy, ao koa ny mponina any Tanàka mbamin’ny vohitra miankina aminy ary ny mponina any Megido mbamin’ny vohitra miankina aminy, dia amin’ny faritany telo ireo.
12
Kanefa tsy nahazo ireo tanàna ireo ny taranak’i Manase, fa tian’ny Kananita hitoerana indrindra izany tany izany.
13
Rehefa nihanahery anefa ny Zanak’Israely dia nampanao fanompoana ny Kananita izy fa tsy nandroaka azy rehetra.
14
Niteny tamin’i Josoa indray ny taranak’i Josefa hoe: Nahoana no lova iray sy anjara iray ihany no nomenao ahy, kanefa efa tonga firenena lehibe aho, fa notahìn’NY TOMPO toy izao mandraka ankehitriny?
15
Dia hoy i Josoa taminy: Raha firenena lehibe ary ianao dia miakara any amin’ny ala ka miteveza honenanao any amin’ny tanin’ny Perizita sy ny Refaìta, fa tery loatra aminao ny tany havoanan’i Efraima.
16
Ary hoy ny taranak’i Josefa: Tsy ampy ho anay ny havoana; sady manana kalesy vy fitondra miady ny Kananita rehetra izay monina any amin’ny tany lemaka, dia izay any Bety-Sana mbamin’ny vohitra miankina aminy ary izay any amin’ny tany lemaka Jezirela.
17
Dia hoy i Josoa tamin’ny taranak’i Josefa, dia i Efraima sy i Manase: Firenena lehibe ianao ka mahery indrindra; tsy anjara iray ihany no ho azonao
18
fa ny havoana koa; fa ala izany ka tevezo, dia ho anao manontolo izany. Fa handroaka ny Kananita ianao, na dia manana kalesy vy fitondra miady aza izy ireo sady mahery.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24