bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 23
Joshua 23
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
1
Rehefa afaka fotoana ela, taorianan’ny nanomezan’NY TOMPO fitsaharana ho an’ny Israely ho afaka amin’ny fahavalony rehetra manodidina, ary efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa,
2
dia nantsoin’i Josoa ny Israely rehetra, dia ny loholony, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy ka hoy izy taminy: Efa zokiolona aho izao ka mandroso fahanterana,
3
ary ianareo dia efa nahita izay rehetra nataon’NY TOMPO Andriamanitrareo tamin’ireo firenena rehetra ireo teo anoloanareo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo no niady ho anareo.
4
Indreo, efa voazarako ho lovan’ny fokonareo tamin’ny antsapaka ireo firenena sisa ireo, hatrany Jordana, mbamin’ny firenena rehetra izay nofongorako, ka hatramin’ny Ranomasina Lehibe any andrefana.
5
Ary NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no handroaka ireny eo anoloanareo, dia hampiala azy eo anoloanareo. Ary handova ny taniny ianareo araka izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo taminareo.
6
Dia mahereza tsara ianareo mitandrina sy manatanteraka izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalànan’i Mosesy, mba tsy hivilianareo hiala aminy, na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia,
7
mba tsy hankanesanareo any amin’ireo firenena sisa eo aminareo ireo. Ny anaran’ny andriamaniny dia aoka tsy hotononinareo na hampianiananareo akory, ary aza manompo azy na miankohoka eo anatrehany;
8
fa NY TOMPO Andriamanitrareo ihany no ifikiro, araka ny nataonareo mandraka androany.
9
Fa nandroaka firenena lehibe sy mahery teo anoloanareo NY TOMPO; ary tsy nisy olona nahajanona teo anoloanareo mandraka androany.
10
Ny lehilahy iray aminareo dia manenjika ny arivo; fa NY TOMPO Andriamanitrareo, Izy no miady ho anareo, araka izay nolazainy taminareo.
11
Tandremo tsara ny fanahinareo mba ho tia NY TOMPO Andriamanitrareo.
12
Fa raha mihemotra ianareo ka miray amin’ireo firenena sisa eo aminareo ireo ary mifanambady aminy ka miditra ao aminy, ary izy kosa ao aminareo,
13
dia ho fantatrareo tokoa fa tsy handroaka ireo firenena ireo eo anoloanareo intsony NY TOMPO Andriamanitrareo; fa ho fandrika sy tonta aminareo ireo, ary ho fanindronana amin’ny tehezanareo sy ho tsilo eo amin’ny masonareo mandra-pahalany ritra anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
14
Ary indro, efa handeha ho amin’ny lalana falehan’ny tany rehetra aho izao; ary fantatrareo ao amin’ny fonareo manontolo sy ny fanahinareo manontolo fa tsy misy latsaka na dia zavatra iray akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo; efa tanteraka taminareo avokoa izy rehetra: Tsy nisy latsaka izy na dia zavatra iray akory aza.
15
Tahaka ny efa nanatanterahana taminareo ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO Andriamanitrareo taminareo, no hanatanterahan’NY TOMPO aminareo kosa ny loza rehetra mandra-paharingany anareo tsy ho eo amin’ity tany soa nomen’NY TOMPO Andriamanitrareo anareo ity.
16
Amin’izay hivadihanareo ny faneken’NY TOMPO Andriamanitrareo izay nandidiany anareo sy handehananareo hanompo ireo andriamanitra hafa ary hiankohofanareo eo anatrehany dia hirehitra aminareo ny fahatezeran’NY TOMPO ary ho lany ringana haingana ianareo tsy ho eo amin’ny tany soa nomeny anareo.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24