bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 15
Joshua 15
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 16 →
1
Izao no anjaran’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka araka ny fianakaviany: Hatrany amin’ny sisintanin’i Edoma, dia ny tany efitra Zina atsimo, izay faran’ny faritany atsimo.
2
Ary ny faritaniny atsimo dia hatrany amin’ny faran’ny Ranomasintsira, hatrany amin’ny helodrano atsimo,
3
nandroso hatrany atsimon’ny fiakarana Akrabima, nandroso hatrany Zina, niakatra any atsimon’i Kadesy-Barnea, nandroso hatrany Hezrona, niakatra any Adara, niolaka hatrany Karka,
4
nandroso hatrany Azmona, nahazo ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary nihatra tamin’ny ranomasina. Izany no ho sisintaninareo atsimo.
5
Ny sisintany atsinanana dia ny Ranomasintsira hatrany amin’ny faran’i Jordana. Ny sisintaniny tamin’ny lafiny avaratra dia hatramin’ny helodrano eo amin’ny faran’i Jordana,
6
niakatra hatrany Bety-Hogla, nandroso any avaratr’i Bety-Araba, niakatra hatramin’ny vaton’i Bohana, zanak’i Robena,
7
niakatra ho any Debira hatramin’ny lohasaha Akora, nianavaratra manandrify an’i Gilgala tandrifin’ny fiakarana Adomima izay eo atsimon’ny lohasahan-driaka, nandroso hatrany amin’ny ranon’i Eny-Semesy, nihatra tany Eny-Rogela,
8
niakatra teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mankeo anilany atsimon’ny Jebosita na Jerosalema, niakatra hatramin’ny tampon’ny tendrombohitra izay manandrify ny lohasahan’i Hinoma eo andrefany, amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaìta,
9
nizotra hatrany an-tampon’ny tendrombohitra, nihatra tamin’ny loharanon’i Neftoa, nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, nizotra hatrany Baala na Kiriata-Jearima,
10
niolaka hatrany Baala andrefana hatrany amin’ny tendrombohitra Seìra, nandroso hatrany amin’ny ilany avaratry ny tendrombohitra Jearima na Kesalona, nidina hatrany Bety-Semesy, nandroso hatrany Timna,
11
nihatra tamin’ny lafiny avaratr’i Ekrona, nizotra hatrany Sikerona, nandroso hatrany amin’ny tendrombohitra Baala, nihatra tamin’i Jabniela, ary nihatra hatrany amin’ny ranomasina.
12
Ary ny sisintany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisintany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fianakaviany.
13
Ary i Kaleba, zanak’i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ny taranak’i Joda, araka ny didin’NY TOMPO tamin’i Josoa, dia ny Kiriata-Arba na tanànan’i Arba, rain’i Anàka; Hebrona izany.
14
Dia noroahin’i Kaleba niala tao izy telo lahy, taranaky ny Anakita, dia i Sesay sy i Ahimana ary i Talmay.
15
Niakatra avy tao izy hankany amin’ny mponina any Debira ary Kiriata-Sefera no anaran’i Debira taloha.
16
Ary hoy i Kaleba: Izay mamely an’i Kiriata-Sefera ka mahazo azy dia homeko azy i Aksa zanako vavy ho vadiny.
17
Ary i Otniela, zanak’i Kenaza, rahalahin’i Kaleba, no nahazo azy ka nomeny azy i Aksa zanany vavy ho vadiny.
18
Rehefa voampakatra Ravehivavy dia nanesika ny lahy hangataka saha tamin’ny rainy; dia niala tamin’ny borikiny haingana Ravehivavy ka hoy i Kaleba taminy: Inona no ilainao?
19
Ary hoy izy: Omeo fanomezana manokana aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
20
Izao no lovan’ny foko taranak’i Joda araka ny fianakaviany:
21
Ny tanàna any amin’ny faran’ny sisintanin’ny foko taranak’i Joda, manakaiky ny sisintanin’i Edoma amin’ny Negeva, dia i Kabzela, i Edera, i Jagora,
22
i Kina, i Dimona, i Adada,
23
i Kadesy, i Hazora, Itnana,
24
i Zifa, i Telema, i Bealota,
25
i Hazora-Hadata, i Keriota-Hezrona na i Hazora,
26
i Amama, i Sema, i Molada,
27
i Hazara-Gada, i Hesmona, i Bety-Paleta,
28
i Hazara-Soala, i Bery-Sheba, i Biziotia,
29
i Baala, Iima, i Azema,
30
i Eltolada, i Kesila, i Horma,
31
i Ziklaga, i Madmana, i Sansana,
32
i Lebaota, i Silima, i Aina, i Rimona; sivy amby roapolo ny tanàna rehetra mbamin’ny vohitra miankina aminy.
33
Ary teo amin’ny tany Sefela dia i Estaola, i Zora, i Asna,
34
i Zanoa, i Eny-Ganima, i Tapoa, i Enama,
35
i Jarmota, i Adolama, i Soko, i Azeka,
36
i Saraima, i Aditaima, i Gedera, i Gederotaima: Tanàna efatra amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy;
37
ary i Zenana, i Hadasa, i Migdala-Gada,
38
i Dilana, i Mizpa, i Joktela,
39
i Lakisy, i Bozkata, i Eglona,
40
i Kabona, i Lamasa, i Kitlisa,
41
i Gederota, i Bety-Dagona, i Nama, i Makeda: Tanàna enina amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy,
42
i Libna, i Etera, i Asana,
43
i Jifta, i Asna, i Neziba,
44
i Keila, i Akziba, i Maresa: Tanàna sivy sy ny vohitra miankina aminy;
45
i Ekrona sy ny tanàna ao aminy mbamin’ny vohitra miankina aminy;
46
hatrany Ekrona no miankandrefana, dia izay rehetra akaiky an’i Asdoda, mbamin’ireo vohitra miankina aminy,
47
i Asdoda sy ny tanàna ao aminy mbamin’ny vohitra miankina aminy, i Gaza sy ny tanàna ao aminy mbamin’ny vohitra miankina aminy, hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta sy ny moron’ny Ranomasina Lehibe.
48
Ary tany amin’ny havoana dia i Samira, i Jatira, i Soko,
49
i Dana, i Kiriata-Sana na i Debira,
50
i Anaba, i Estemo, i Anima,
51
i Gosena, i Holona, i Gilo: Tanàna iraika amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy;
52
i Araba, i Doma, i Esana,
53
i Janoma, i Bety-Tapoa, i Afeka,
54
i Homta, i Kiriata-Arba na i Hebrona, ary i Ziora: Tanàna sivy mbamin’ny vohitra miankina aminy,
55
i Maona, i Karmela, i Zifa, i Jota,
56
i Jezirela, i Jokdeama, i Zanoa,
57
i Kaina, i Gibea, i Timna: Tanàna folo mbamin’ny vohitra miankina aminy;
58
i Halola, i Bety-Zora, i Gedora
59
i Marata, i Bety-Anota, i Eltekona: Tanàna enina sy ny vohitra miankina aminy;
60
i Kiriata-Baala na i Kiriata-Jearima, i Raba: Tanàna roa mbamin’ny vohitra miankina aminy.
61
Tany an-tany efitra dia i Bety-Araba, i Midina, i Sekaka,
62
i Nibsana sy ilay Tanànan-tsira ary i Eny-Gedỳ: Tanàna enina mbamin’ny vohitra miankina aminy.
63
Ary ny amin’ny Jebosita, mponina any Jerosalema, dia tsy naharoaka azy ny taranak’i Joda; fa miara-monina amin’ny taranak’i Joda any Jerosalema mandraka androany izy ireny.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24