bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 20
Joshua 20
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
1
Ary NY TOMPO niteny tamin’i Josoa hoe:
2
Lazao amin’ny Zanak’Israely hoe: Fidio ny tanàna fialofana izay nasaiko nolazain’i Mosesy taminareo,
3
handosiran’izay nahafaty olona tamin’ny fanahy tsy niniana; koa ho fialofana ho anareo izany mba tsy ho azon’ny mpamaly ra.
4
Raha misy mandositra ho ao amin’ny tanàna iray amin’ireo tanàna ireo ka mijanona eo anoloan’ny vavahady ary mandahatra ny raharahany eo anatrehan’ny loholona amin’izany tanàna izany dia hampidiriny ho ao an-tanàna izy ka homeny toerana mba hitoetra ao aminy.
5
Ary raha manenjika azy ny mpamaly ra dia tsy hanolotra azy ho eo an-tanany izy satria ilay nahafaty olona dia nahafaty tsy nahy ny namany fa tsy nankahala azy teo aloha.
6
Dia hitoetra ao amin’izany tanàna izany izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana mba hotsaraina, sy mandra-pahafatin’izay Mpisoronabe amin’izany fotoanandro izany; fa avy eo dia hiverina ilay nahafaty olona ka hody any an-tanànany sy any an-tranony, dia any amin’ny tanàna izay nialany fony izy nandositra.
7
Dia nanokana an’i Kadesy any Galilia any amin’ny tany be havoana any Naftaly sy i Sekema any amin’ny tany be havoana any Efraima ary i Kiriata-Arba na i Hebrona any amin’ny tany be havoana any Joda ny Zanak’Israely.
8
Ary nifidy an’i Bezera any an-tany efitra amin’ny tany lemaka izay an’ny fokon’i Robena, sy Ramota izay any Gileada, an’ny fokon’i Gada, ary i Golana any Basana, izay an’ny fokon’i Manase, any andafy atsinanan’i Jordana, tandrifin’i Jeriko koa izy ireo.
9
Ireo no tanàna voafidy ho an’ny Zanak’Israely rehetra sy ny vahiny eo aminy handosiran’izay rehetra nahafaty olona tsy nahy mba tsy ho fatin’ny tanan’ny mpamaly ra izy mandra-pisehony eo anatrehan’ny fiangonana.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24