bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 18
Joshua 18
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
1
Nivory tao Silo ny fiangonana, dia ny Zanak’Israely manontolo, ka nanangana ny tranolay fihaonana tao. Ary ny tany dia resy teo anoloany.
2
Nisy foko fito tamin’ny Zanak’Israely anefa tsy mbola nahazo ny lovany.
3
Dia hoy i Josoa tamin’ny Zanak’Israely: Mandra-pahoviana ianareo no hiraviravy tanana tsy hiditra handray ny tany izay nomen’NY TOMPO, Andriamanitry ny razanareo, anareo?
4
Manendre telo lahy avy isam-poko, dia haniraka azy aho ary hiainga izy ka handeha hitety ny tany mba hanoratra azy araka ny ho lovany, dia hiverina atỳ amiko.
5
Ary hizara azy ho fito toko izy; koa ny Joda dia hijanona any amin’ny taniny ao atsimo, ary ny taranak’i Josefa dia hijanona any amin’ny taniny ao avaratra.
6
Soratinareo ny tany ka ataovy fito toko; ary ento atỳ amiko ny soratra, dia hanao antsapaka ho anareo eto anatrehan’NY TOMPO Andriamanitsika aho.
7
Fa tsy mba manana anjara eo aminareo ny levita fa ny fisoronana amin’NY TOMPO no lovany; ary i Gada sy i Robena ary ny antsasaky ny fokon’i Manase dia efa nahazo ny lovany any andafy atsinanan’i Jordana izay nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, azy.
8
Dia niainga ireo lehilahy ireo ka nandeha; ary nandidy izay nandeha hanoratra ny tany i Josoa hoe: Mandehana mitety ny tany ka soraty ireny, dia miverena atỳ amiko fa eto Silo no hanaovako antsapaka ho anareo eo anatrehan’NY TOMPO.
9
Dia lasa ireo lehilahy ireo ka nandeha nitety ny tany, dia nanoratra azy ireo tamin’ny boky ka nataony fito toko, araka ny tanàna, ary niverina tany amin’i Josoa tao an-toby tao Silo.
10
Nanao antsapaka ho azy tao Silo teo anatrehan’NY TOMPO i Josoa; ary tao no nizarany ny tany ho an’ny Zanak’Israely araka ny anjarany.
11
Dia nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka ny fokon’i Benjamina isam-pianakaviany; ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa.
12
Ny sisintaniny amin’ny lafiny avaratra dia hatrany Jordana ka miakatra hatrany amin’ny ilan’i Jeriko amin’ny avaratra, niakatra niankandrefana nahazo ny havoana, nihatra tamin’ny tany efitr’i Bety-Avena;
13
hatreo dia mandroso hatrany Lozy, hatrany amin’ny ilany atsimon’i Lozy na Betela, midina hatrany Atarota-Adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Bety-Horona ambany,
14
miolaka amin’ny lafiny andrefana, mianatsimo hatramin’ny tendrombohitra izay eo anoloan’i Bety-Horona eo atsimo, mihatra any Kiriata-Baala na Kiriata-Jearima, tanànan’ny taranak’i Joda: Izay no lafiny andrefana.
15
Ary ny lafiny atsimo dia hatrany amin’ny sisin’i Kiriata-Jearima; ary ny sisintany dia mandroso miankandrefana, mihatra amin’ny loharanon’i Neftoa,
16
midina hatrany amin’ny faran’ny tendrombohitra, izay tandrifin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, eo amin’ny lohasahan’ny Refaìta eo avaratra, midina hatramin’ny lohasahan’i Hinoma, hatramin’ny ilany atsimon’ny Jebosita, midina hatrany Eny-Rogela,
17
mizotra avy any avaratra, mandroso hatrany Eny-Semesy sy i Gelilota izay tandrifin’ny fiakarana Adomima, midina hatramin’ny vaton’i Bohana, zanak’i Robena,
18
mandroso hatrany amin’ny ilany avaratra tandrifin’ny tany ngazana, midina hatrany amin’ny tany ngazana,
19
mandroso hatramin’ny ilany avaratr’i Bety-Hogla, mihatra amin’ny helodrano avaratra amin’ny Ranomasintsira, eo amin’ny farany atsimo amin’i Jordana: Izay no sisintany atsimo.
20
Ary i Jordana no mamaritra ny sisintaniny atsinanana. Ireo no lovan’ny taranak’i Benjamina sy ny sisintany manodidina azy, araka ny fokony.
21
Ary ny tanànan’ny fokon’i Benjamina araka ny fianakaviany dia i Jeriko sy i Bety-Hogla ary ny lohasahan’i Keziza,
22
i Bety-Arabà, i Zemaraima, i Betela,
23
i Avima, i Para, i Ofra,
24
i Kefara-Hamony, i Ofny, i Geba: Tanàna roa amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy;
25
i Gibeona, i Rama, i Berota,
26
i Mizpa, i Kefira, i Moza,
27
i Rekema, Iripela, i Tarala,
28
i Zela, i Elefa, ny Jebosita na Jerosalema, i Gibea sy i Kiriata: Tanàna efatra amby folo sy ny vohitra miankina aminy. Izay no lovan’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24