bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 24
Joshua 24
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
1
Ary nanangona ny fokon’ny Israely rehetra tany Sekema i Josoa ka niantso ny loholon’ny Israely, ny lehibeny, ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, dia niara-niseho teo anatrehan’Andriamanitra izy ireo.
2
Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Izao no lazain’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely: Tany andafin’ny ony Eofrata no nonenan’ny razanareo tany aloha, dia i Tera, rain’i Abrahama sy i Nahora; ary nanompo andriamanitra hafa izy.
3
Dia naka an’i Abrahama razanareo avy tany andafin’ny ony Eofrata Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an’Isaka ho zanany.
4
Ary Isaka koa dia nomeko an’i Jakoba sy i Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan’i Esao ny tendrombohitra Seìra; fa i Jakoba sy ny taranany kosa dia nankany Ejipta.
5
Dia naniraka an’i Mosesy sy i Arona Aho ka namely an’i Ejipta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany dia nitondra anareo nivoaka avy tany Aho.
6
Nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Ejipta Aho dia tonga teo amin’ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin’ny Ranomasina Mena ny Ejiptiana, nitaingina kalesy fitondra miady sy soavaly.
7
Dia nitaraina tamin’NY TOMPO izy ka nasiany haizina teo anelanelanareo sy ny Ejiptiana sady nakatony taminy ny ranomasina ka nasarony azy ary ny masonareo dia nahita izay nataoko tany Ejipta; ary nitoetra ela tany an-tany efitra ianareo.
8
Nentiko ho any amin’ny tanin’ny Amorita izay nonina tany andafin’i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho mba handovanareo ny taniny ary nandringana azy teo anoloanareo Aho.
9
Dia nitsangana i Balaka, zanak’i Zipora, mpanjakan’i Moaba, ka niady tamin’ny Israely; dia nandefa iraka haka an’i Balama, zanak’i Beora, izy, hanozona anareo.
10
Fa tsy nety nihaino an’i Balama anefa Aho, koa nitahy anareo tokoa izy ary namonjy anareo tamin’ny tanany Aho.
11
Nita an’i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin’ny Amorita, ny Perizita, ny Kananita, ny Hetita, ny Girgasita, ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny.
12
Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra izay nandroaka ny mpanjaka roa tamin’ny Amorita teo anoloanareo, fa tsy tamin’ny sabatrao na tamin’ny tsipìkanao.
13
Ary nomeko tany izay tsy nisasaranareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo dia nonina tao; ary nihinana ny avy amin’ny tanim-boaloboka sy ny tanin’oliva izay tsy nambolenareo ianareo.
14
Koa ankehitriny, matahora NY TOMPO ka manompoa Azy amin’ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata sy tany Ejipta ka manompoa NY TOMPO.
15
Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo NY TOMPO dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo, na ny andriamanitra izay notompoin’ny razanareo tany andafin’ny ony Eofrata na ny andriamanitry ny Amorita izay mponina teto amin’ny tany onenanareo fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo NY TOMPO izahay.
16
Dia namaly ny vahoaka hoe: Sanatria raha hahafoy NY TOMPO izahay ka hanompo izay andriamanitra hafa.
17
Fa NY TOMPO Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano nanandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin’ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin’ny firenena rehetra izay notetezintsika.
18
Ary NY TOMPO nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin’ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo NY TOMPO fa Izy no Andriamanitsika.
19
Ary hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: Tsy mahay manompo NY TOMPO ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo.
20
Raha mahafoy NY TOMPO ianareo ka manompo andriamanitra hafa dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo rehefa avy nanisy soa anareo.
21
Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: Tsia, fa NY TOMPO ihany no hotompoinay.
22
Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka: Vavolombelona ho an’ny tenanareo ianareo fa efa nifidy NY TOMPO hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny, vavolombelona izahay.
23
Arionareo ary ankehitriny ny andriamanitra hafa izay eo aminareo ka ampanatony NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny fonareo.
24
Dia hoy ny vahoaka tamin’i Josoa: NY TOMPO Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay.
25
Ary nanao fanekena tamin’ny vahoaka i Josoa tamin’izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema.
26
Dia nosoratan’i Josoa tao amin’ny bokin’ny lalànan’Andriamanitra ireo teny ireo, ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin’ny hazo terebinta izay teo anilan’ny toerana masin’NY TOMPO.
27
Dia hoy i Josoa tamin’ny vahoaka rehetra: Indro, io vato io no ho vavolombelona amintsika fa efa nahare ny teny rehetra nolazain’NY TOMPO tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin’Andriamanitrareo ianareo.
28
Dia nampodìn’i Josoa samy ho any amin’ny lovany avy ny vahoaka.
29
Ary taorianan’izany zava-nitranga rehetra izany dia maty i Josoa, zanak’i Nona, mpanompon’NY TOMPO, rehefa folo amby zato taona ny androny.
30
Dia nalevina tao amin’ny faritanin’ny lovany izy, dia tao Timnata-Sera, any amin’ny tany be havoana any Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gaasy.
31
Ary nanompo NY TOMPO ny Israely tamin’ny andro rehetra niainan’i Josoa sy tamin’ny andro rehetra niainan’ny loholona izay velona taorianan’i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon’NY TOMPO ho an’ny Israely.
32
Ary ny taolan’i Josefa izay efa noentin’ny Zanak’Israely avy tany Ejipta dia naleviny tao Sekema tao amin’ny tany izay novidin’i Jakoba volafotsy zato tamin’ny zanak’i Hamora, rain’i Sekema; dia tonga lovan’ny taranak’i Josefa izany.
33
Dia maty koa i Eleazara, zanak’i Arona, ka naleviny teo amin’ny havoanan’i Finehasa zanany izay nomena azy tany amin’ny tany be havoana any Efraima.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24