bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 21
Joshua 21
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
1
Ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny levita dia nanatona an’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely,
2
ka niteny taminy tao Silo tao amin’ny tany Kanana hoe: NY TOMPO efa nampandidy an’i Mosesy mba homena tanàna hitoerana sy tany manodidina azy ho an’ny biby fiompinay izahay.
3
Avy tamin’ny lovany no nanomezan’ny Zanak’Israely ny levita ireny tanàna ireny sy ny tany manodidina azy avy, araka ny didin’NY TOMPO.
4
Dia nahazo anjara tamin’ny antsapaka ny fianakavian’ny Kehatita; ny anjara azon’ny taranak’i Arona mpisorona isan’ny levita dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’i Joda sy ny fokon’i Simeona ary ny fokon’i Benjamina.
5
Ny anjara azon’ny taranak’i Kehata sisa tamin’ny antsapaka dia tanàna folo, avy tamin’ny fokon’i Efraima sy ny fokon’i Dana ary ny antsasaky ny fokon’i Manase.
6
Ny anjara azon’ny taranak’i Gersona tamin’ny antsapaka dia tanàna telo amby folo, avy tamin’ny fokon’Isakara sy ny fokon’i Asera sy ny fokon’i Naftaly ary tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase any Basana.
7
Ny anjara azon’ny taranak’i Merary isam-pokony tamin’ny antsapaka dia tanàna roa amby folo, avy tamin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary fokon’i Zebolona.
8
Nomen’ny Zanak’Israely ny levita tamin’ny antsapaka ireo tanàna ireo sy ny tany manodidina azy avy, araka izay nandidian’NY TOMPO tamin’ny alalan’i Mosesy.
9
Nomen’ny zanak’Israely avy tamin’ny foko taranak’i Joda sy ny foko taranak’i Simeona ireto tanàna hotononina anarana ireto,
10
izay azon’ny taranak’i Arona, isam-pianakavian’ny taranak’i Kehata, amin’ny taranak’i Levy; fa azy ny anjara voalohany tamin’ny antsapaka.
11
Dia nomeny azy Kiriata-Arba na ny tanànan’i Arba, rain’i Anàka, dia i Hebrona izany, any amin’ny tany be havoana any Joda, mbamin’ny tany manodidina azy.
12
Fa ny saha momba ny tanàna sy ny vohitra miankina aminy dia nomeny ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone.
13
Nomeny ny taranak’i Arona mpisorona i Hebrona sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, nanampiny azy i Libna sy ny tany manodidina azy,
14
i Jatira sy ny tany manodidina azy, i Estemoa sy ny tany manodidina azy,
15
i Holona sy ny tany manodidina azy, i Debira sy ny tany manodidina azy,
16
i Aina sy ny tany manodidina azy, i Jota sy ny tany manodidina azy, i Bety-Semesy sy ny tany manodidina azy: Tanàna sivy avy tamin’ireo foko roa ireo;
17
ary avy tamin’ny fokon’i Benjamina dia i Gibeona sy ny tany manodidina azy, i Geba sy ny tany manodidina azy,
18
i Anatota sy ny tany manodidina azy, i Almona sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra.
19
Ny tanàna rehetra an’ny mpisorona, taranak’i Arona, dia telo amby folo sy ny tany manodidina azy avy.
20
Ny amin’ny taranak’i Kehata, dia ny levita sisa tamin’ny taranak’i Kehata, ny tanàna azony tamin’ny antsapaka dia avy tamin’ny fokon’i Efraima.
21
Nomen’ny zanak’Israely azy i Sekema sy ny tany manodidina azy any amin’ny tany be havoana any Efraima, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Gezera sy ny tany manodidina azy,
22
i Kibzaima sy ny tany manodidina azy, i Bety-Horona sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra;
23
ary avy tamin’ny fokon’i Dana, dia i Elteke sy ny tany manodidina azy, i Gibetona sy ny tany manodidina azy,
24
i Aialona sy ny tany manodidina azy, i Gata-Rimona sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra;
25
avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia i Tanàka sy ny tany manodidina azy, i Gata-Rimona sy ny tany manodidina azy: Tanàna roa.
26
Ny tanàna rehetra azon’ny fianakavian’ny taranak’i Kehata sisa dia folo, miampy ny tany manodidina azy avy.
27
Izao no azon’ny taranak’i Gersona, isan’ny taranaky ny levita; avy tamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase, dia i Golana any Basana sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Bestera sy ny tany manodidina azy: Tanàna roa;
28
ary avy tamin’ny fokon’Isakara dia i Kisiona sy ny tany manodidina azy, i Daberata sy ny tany manodidina azy,
29
i Jarmota sy ny tany manodidina azy, i Eny-Ganima sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra;
30
ary avy tamin’ny fokon’i Asera dia i Misala sy ny tany manodidina azy, i Abdona sy ny tany manodidina azy,
31
i Helkata sy ny tany manodidina azy, i Rehoba sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra;
32
avy tamin’ny fokon’i Naftaly dia i Kadesy any Galilia sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, niampy an’i Hamota-Dora sy ny tany manodidina azy, i Kartana sy ny tany manodidina azy: Tanàna telo.
33
Ny tanàna rehetra an’ny Gersonita araka ny fianakaviany dia telo amby folo sy ny tany manodidina azy avy.
34
Izao no azon’ny fianakavian’ny taranak’i Merary, izay levita sisa: Avy tamin’ny fokon’i Zebolona dia i Jokneama sy ny tany manodidina azy, i Karta sy ny tany manodidina azy,
35
i Dimna sy ny tany manodidina azy, i Nahalola sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra;
36
avy tamin’ny fokon’i Robena dia i Bezera sy ny tany manodidina azy, i Jahaza sy ny tany manodidina azy,
37
i Kedemota sy ny tany manodidina azy, i Mefata sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra;
38
ary avy tamin’ny fokon’i Gada, dia i Ramota any Gileada sy ny tany manodidina azy, ho tanàna fialofana ho an’izay nahafaty olona, ao koa i Mahanaima sy ny tany manodidina azy,
39
i Hesbona sy ny tany manodidina azy, i Jazera sy ny tany manodidina azy: Tanàna efatra izy rehetra.
40
Ny tanàna rehetra an’ny taranak’i Merary araka ny fianakaviany, izay sisa tamin’ny fianakavian’ny levita, dia tanàna roa amby folo no anjara azony tamin’ny antsapaka.
41
Ny tanàna rehetra an’ny levita tao anatin’ny lovan’ny Zanak’Israely dia valo amby efapolo, miampy ny tany manodidina azy avy.
42
Ireo tanàna ireo dia samy manana ny taniny manodidina azy avy; tahaka izany avokoa ireo tanàna rehetra ireo.
43
Dia nomen’NY TOMPO ny Israely ny tany rehetra izay efa nianianany homena ny razany; ary nolovainy izany ka nonenany.
44
Dia nomen’NY TOMPO fitsaharana amin’ny manodidina izy, araka izay rehetra nianianany tamin’ny razany, ka tsy nisy lehilahy tamin’ny fahavalony rehetra nahajanona teo anoloany; fa natolotry NY TOMPO teo an-tanany avokoa ny fahavalony rehetra.
45
Tsy nisy latsaka na dia kely akory aza ny zava-tsoa rehetra izay nolazain’NY TOMPO tamin’ny taranak’Israely; fa tanteraka avokoa izany rehetra izany.
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24