bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 14
Joshua 14
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
1
Izao no nolovan’ny Zanak’Israely tao amin’ny tany Kanana izay nampandovain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely azy.
2
Tamin’ny antsapaka no nahazoany ny lovany, araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy ny amin’ny foko sivy sy sasany.
3
Fa efa nomen’i Mosesy lova tany andafin’i Jordana ny foko roa sy sasany; fa ny taranak’i Levy dia tsy mba nomeny lova teo aminy.
4
Foko roa ny taranak’i Josefa, dia i Manase sy i Efraima; ary tsy mba nomeny anjara teo amin’ny tany ny taranak’i Levy, afa-tsy ny tanàna onenany sy ny tany manodidina ny tanànany ho an’ny omby aman’ondriny sy ny fananany.
5
Araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy no nataon’ny Zanak’Israely, dia nizara ny tany izy.
6
Dia nankany amin’i Josoa tany Gilgala ny taranak’i Joda; ary i Kaleba, zanak’i Jefone, kenizita, dia niteny taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, ny amiko sy ny aminao tany Kadesy-Barnea.
7
Efapolo taona aho fony aho nirahin’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, hiala tany Kadesy-Barnea hisafo ny tany; dia niverina aho nitondra teny taminy araka izay tao am-poko.
8
Kanefa ireo rahalahiko izay niara-niakatra tamiko dia nanaketraka ny fon’ny olona fa izaho kosa dia tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO Andriamanitro.
9
Dia nianiana i Mosesy tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Ny tany izay nodiavin’ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay satria tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO Andriamanitro ianao.
10
Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy NY TOMPO, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efapolo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’NY TOMPO izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-tany efitra ny Israely; ary ankehitriny indro, efa dimy amby valopolo taona aho izao.
11
Nefa mbola matanjaka ihany aho izao tahaka ny tamin’ny andro nanirahan’i Mosesy ahy: Tahaka ny tanjako tamin’izany ihany no mbola tanjako ankehitriny, na hivoaka hiady na hiverina.
12
Koa ankehitriny, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ, izay nolazain’NY TOMPO tamin’izany andro izany; fa efa renao tamin’io andro io fa mitoetra ao ny Anakita sady misy tanàna lehibe mimanda ao; angamba homba ahy NY TOMPO, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’NY TOMPO.
13
Dia nitsodrano azy i Josoa ka nanome an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone.
14
Izany no nahatonga an’i Hebrona ho lovan’i Kaleba, zanak’i Jefone, kenizita, mandraka androany, satria tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, izy.
15
Ary i Kiriata-Arba no anaran’i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ny Anakita izany i Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24