bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
/
Joshua 19
Joshua 19
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
1
Ny anjara faharoa azo tamin’ny antsapaka dia azon’i Simeona, dia ny fokon’i Simeona isam-pianakaviany; ary ny lovany dia tao anatin’ny lovan’ny taranak’i Joda.
2
Ary izao no azony ho lovany: i Bery-Sheba na i Seba, i Molada,
3
i Hazara-Soala, i Baala, i Azema,
4
i Eltolada, i Betola, i Horma,
5
i Ziklaga, i Bety-Markabota, i Hazara-Sosa,
6
i Bety-Lebaota ary i Sarohena: Tanàna telo amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy;
7
i Aina, i Rimona, i Etera, ary i Asana: Tanàna efatra mbamin’ny vohitra miankina aminy;
8
ary ny vohitra miankina aminy rehetra manodidina ireo tanàna ireo hatrany Baleta-Bera sy i Rama amin’ny Negeva. Ireo no lovan’ny foko taranak’i Simeona araka ny fianakaviany.
9
Avy tamin’ny anjaran’ny taranak’i Joda no nahazoan’ny taranak’i Simeona ny lovany; fa nalalaka loatra taminy ny anjaran’ny taranak’i Joda, koa izany no nahazoan’ny taranak’i Simeona anjara tao anatin’ny azy.
10
Ny anjara fahatelo azo tamin’ny antsapaka dia azon’ny taranak’i Zebolona isam-pianakaviany; ny sisintanin’ny lovany dia hatrany Sarida,
11
miakatra miankandrefana hatrany Marala, mahazo an’i Dabeseta, mihatra amin’ny lohasahan-driaka tandrifin’i Jokneama;
12
mitodika miantsinanana hatrany Sarida, hatramin’ny sisintanin’i Kislota-Tabara, mandroso hatrany Daberata, miakatra hatrany Jafia,
13
mandroso miantsinanana hatrany Gata-Hefera sy Ita-Kazina, mandroso hatrany Rimona, izay mipaka any Nea,
14
miolaka eo avaratr’iny ka mahazo an’i Hanatona, mihatra amin’ny lohasaha Jifta-Ela.
15
Ary i Katata, i Nahalola, i Simrona, Idala ary i Betlehema, dia tanàna roa amby folo sy ny vohitra miankina aminy.
16
Izany no lovan’ny taranak’i Zebolona araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
17
Ny anjara fahefatra azo tamin’ny antsapaka dia azon’Isakara, dia ny taranak’Isakara isam-pianakaviany.
18
Ny sisintaniny dia hatrany Jezirela, i Kesolota, i Sonema,
19
i Hafraima, i Siona, i Anaharata,
20
i Rabita, i Kisiona, i Abeza,
21
i Remeta, i Eny-Ganima, i Eny-Hada ary i Bety-Pazeza.
22
Ary ny faritaniny dia mahazo an’i Tabara, i Sahazoma, i Bety-Semesy, ka nihatra tany Jordana: Tanàna enina amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
23
Ireo no lovan’ny foko taranak’Isakara araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
24
Ny anjara fahadimy azo tamin’ny antsapaka dia azon’ny fokon’i Asera isam-pianakaviany.
25
Ny sisintaniny dia i Helkata, i Haly, i Batena, i Aksafa,
26
i Alameleka, i Amada ary i Misala, dia mihatra amin’i Karmela eo andrefana sy i Sihora-Libnata,
27
avy eo mitodika miantsinanana ho any Bety-Dagona, mihatra amin’i Zebolona, ny lohasaha Jifta-Ela any avaratra, i Bety-Emeka, i Neiela, mihatra amin’i Kabola eo ankavia,
28
i Ebrona, i Rehoba, i Hamona, i Kana, hatrany Sidona lehibe,
29
mitodika hatrany Rama sy hatrany Tiro, tanàna mimanda, mitodika hatrany Hosa, mihatra amin’ny ranomasina eo akaikin’ny tany Akziba,
30
i Oma, i Afeka ary i Rehoba: Tanàna roa amby roapolo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
31
Izany no lovan’ny foko taranak’i Asera araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny vohitra miankina aminy.
32
Ny anjara fahenina azo tamin’ny antsapaka dia an’ny taranak’i Naftaly isam-pianakaviany.
33
Ny sisintaniny dia hatrany Halefa ka hatrany amin’ny hazo terebinta ao Zananima, hatrany Adamy-Hanekeba, i Jabniela, hatrany Lakoma, mihatra tamin’i Jordana,
34
mitodika miankandrefana hatrany Aznota-Tabara, mandroso hatrany Hokoka, mihatra amin’i Zebolona eo atsimo sy i Asera eo andrefana ary Joda amoron’i Jordana eo atsinanana.
35
Ary ny tanàna mimanda dia i Zidima, i Zera, i Hamata, i Rakata, i Kinereta,
36
i Adama, i Rama, i Hazora,
37
i Kadesy, i Edrehy, i Eny-Hazora,
38
Irona, i Migdala-Ela, i Horema, i Bety-Anata ary i Bety-Semesy: Tanàna sivy amby folo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
39
Ireo no lovan’ny fokon’i Naftaly araka ny fianakaviana, dia ireo tanàna ireo mbamin’ny vohitra miankina aminy.
40
Ny anjara fahafito azo tamin’ny antsapaka dia an’ny fokon’i Dana araka ny fianakaviany.
41
Ary ny faritanin’ny lovany dia i Zora, i Estaola, Ira-Semesy,
42
i Salabima, i Aialona, i Jitla,
43
i Elona, i Timna, i Ekrona,
44
i Elteke, i Gibetona, i Balata,
45
i Jehoda, i Bene-Beraka, i Gata-Rimona,
46
i Me-Jarkona, i Rakona ary ny tany tandrifin’i Jopa.
47
Ny sisintanin’ny taranak’i Dana dia nandroso nihoatra ireo; fa niakatra ny taranak’i Dana, dia niady tamin’i Lesema ka naharesy azy ary namely azy tamin’ny lelan-tsabatra ka nahazo azy, dia nitoetra teo; ary ny anaran’i Lesema nataony hoe Dana araka ny anaran’i Dana rainy.
48
Izany no lovan’ny fokon’i Dana araka ny fianakaviany, dia ireo tanàna ireo sy ny vohitra miankina aminy.
49
Rehefa vitan’ny zanak’Israely ny fizarana ny tany holovany araka ny sisintaniny avy dia nomeny lova teo aminy koa i Josoa, zanak’i Nona.
50
Araka ny tenin’NY TOMPO dia nomeny azy ny tanàna izay nangatahiny, dia i Timnata-Sera any amin’ny tany havoanan’i Efraima; dia namboarin’i Josoa ilay tanàna ka nitoerany.
51
Ireo no lova izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fianakaviana tamin’ny fokon’ny Zanak’Israely tao Silo teo anatrehan’NY TOMPO, dia teo am-baravaran’ny tranolay fihaonana, araka ny antsapaka. Ary vitany avokoa ny fizarany ny tany.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24