bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 1
Exodus 1
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 2 →
1
Ireto no anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba na Israely tonga tany Ejipta niaraka tamin’ny rainy, samy nombàm-bady aman-janaka:
2
Reobèna, Simehôna, Levỳ, Joda,
3
Jisakara, Zebolòna, Benjamîna,
4
Dana, Naftalỳ, Gada ary Asera.
5
Miisa fitopolo izy rehetra taranak’i Jakôba, fa i Jôsefa dia efa tany Ejipta rahateo.
6
Tatỳ aoriana dia maty i Jôsefa sy ireo rahalahiny ary ny taranaka indray nihira taminy.
7
Taorian’izany dia niteraka betsaka ny Israelita ka nihamaro fatratra sady nihanahery tokoa ka nameno ny tany.
8
Mpanjaka vaovao kosa no nanomboka nanjaka tany Ejipta tamin’izay ka tsy nahalala an’i Jôsefa.
9
Hoy izy tamin’ny vahoakany: –Jereonareo fa betsaka ny vahoaka israelita sady mahery noho isika.
10
Koa tsy maintsy itadiavana tetika hamerana ny isany. Rehefa misy ady manko, dia homba ireo fahavalontsika izy ka hiady amintsika ary hiala ny tany.
11
Dia nanendry lehiben’ny asa fanompoana ny Ejiptianina mba hampikoy ny Israelita amin’ny asa mafy. Koa nanangana ny tanàna Pitôma sy Rahamsesa ny Israelita mba ho fitahirizam-bokatra ho an’ny Farao.
12
Kanefa arakaraka ny namoretana azy no vao mainka nitomboany sy nahazoany vahana ka natahoran’ny Ejiptianina azy.
13
Nampanompoin’ny Ejiptianina mafy tokoa ny Israelita
14
sady nataony nangidy ny fiainany tamin’ny fanompoana mafy: dia ny mandona tanimanga sy manao biriky ary manao ny asa any an-tsaha rehetra. Izany hoe ny asa fanompoana isan-karazany no nanereny azy mafy tokoa.
15
Nisy mpampivelona hebreo anankiroa nantsoina hoe Sifrà sy Pohà. Nandidy azy ireo ny mpanjakan’i Ejipta,
16
ka nanao hoe: –Rehefa mampiteraka ny vehivavy hebreo ianareo, dia jereo ny zaza vao teraka; ka raha zazalahy dia vonoy ho faty, fa raha zazavavy kosa dia velomy.
17
Natahotra an’Andriamanitra anefa ireo mpampivelona ireo ka tsy nanao araka izay nodidian’ny mpanjakan’i Ejipta, fa namela ireo zazalahy ho velona.
18
Koa nampanantsoin’ny mpanjaka ireo mpampivelona ka nanontaniany hoe: –Nahoana no nanao izany zavatra izany ianareo, ka namela ireo zazalahy ho velona?
19
Fa namaly ireo mpampivelona hoe: –Tsy mba tahaka ny vehivavy ejiptianina ireo vehivavy hebreo fa matanjaka; koa raha tsy mbola tonga akory ny mpampivelona, dia efa teraka izy.
20
Noho izany, dia nihamaro hatrany hatrany ireo Israelita sady nihanahery tokoa. Nasian’Andriamanitra soa ireo mpampivelona,
21
ka nomeny fara aman-dimby satria natahotra Azy.
22
Fa ny Farao kosa dia nandidy ny vahoakany rehetra ka nanao hoe: –Atsipazo ao amin’ny ony Neily ny zazalahy hebreo rehetra raha vao teraka, fa ny zazavavy kosa avelao ho velona.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40