bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 17
Exodus 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 18 →
1
Araka ny baikon’ny TOMPO dia niala tao an-taniefitr’i Sina ny fiangonana Israelita manontolo mba hanohy ny diany. Nitoby tao Refidima izy, kanefa tsy nisy rano hosotroin’ny vahoaka tao.
2
Dia nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita ka nanao taminy hoe: –Omeo rano hosotroina izahay! Fa nanontany azy ireo i Mosesy hoe: –Nahoana no mila ady amiko ianareo? Nahoana no maka fanahy ny TOMPO ianareo?
3
Fa rehefa main’ny hetaheta mafy ny vahoaka, dia nimonomonona tamin’i Mosesy ka nanao taminy hoe: –Nahoana moa ianao no nampiakatra anay niala tany Ejipta? Moa ny hahatonga anay ho fatin-ketaheta eto miaraka amin’ny zanakay sy ny bibinay ve?
4
Dia niantso vonjy tamin’ny TOMPO i Mosesy nanao hoe: –Inona no hataoko amin’ity vahoaka ity? Fa mila hitora-bato ahy mihitsy izy!
5
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy hoe: –Mandalova eo anoloan’ny vahoaka, makà vitsivitsy amin’ny loholon ’i Israely hiaraka aminao. Ento eny an-tananao ilay tehinao izay nikapohanao ny ranon’i Neily ka mandehana.
6
Izaho kosa dia hijoro eo anoloanao, eo ambonin’ny harambato eny an-tendrombohitra Hôreba; hokapohinao ny harambato, dia hamoaka rano hosotroin’ny vahoaka. Dia notanterahin’i Mosesy teo imason’ny loholon’i Israely izany baiko izany.
7
Nantsoina hoe Masà sy Meribà io toerana io, izany hoe «fakana fanahy» sy «filàna ady» satria nila ady tamin’i Mosesy ny Israelita, ary naka fanahy ny TOMPO tamin’ny nitenenany hoe: «Moa eto aminay tokoa ve ny TOMPO sa tsia?»
8
Tonga hiady amin’ny Israelita tao Refidima ny Hamalekita.
9
Dia hoy i Mosesy tamin’i Josoa: –Mifidiana lehilahy afaka hiaro antsika, dia mivoaha hiady amin’ny Hamalekita. Izaho kosa rahampitso dia hijoro eo an-tampon’ny havoana miaraka amin’ny tehin’Andriamanitra eny an-tanako.
10
Dia lasa i Josoa niady tamin’ny Hamalekita araka izay efa nandidian’i Mosesy azy; fa i Mosesy sy i Aharôna ary i Hora kosa dia niakatra teny an-tampon’ny havoana.
11
Ary raha mbola nasandratr’i Mosesy ny tanany, dia nahery ny Israelita; fa rehefa navelany hidina, dia nahery ny Hamalekita.
12
Ary nony vizaka ireo sandrin’i Mosesy, dia nalain’i Aharôna sy i Hora ny vato ka napetrany teo anilan’i Mosesy, ary nipetraka teo ambonin’io i Mosesy. Dia avy i Aharôna sy i Hora ka nanohana ny sandriny teo an-daniny sy an-kilany, dia naharitra tsy nidina ny tanany ambara-pilentiky ny masoandro.
13
Koa resin’i Josoa tanteraka tamin’ny lelan-tsabatra ny tafika hamalekita.
14
Ary hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Soraty ao amin’ny boky izany mba tsy hohadinoina; ary ambarao amin’i Josoa fa hofoanako tsy ho eto ambonin’ny tany mihitsy ny fahatsiarovana ny Hamalekita.
15
Dia nanamboatra alitara teo i Mosesy ka nomeny anarana hoe «Ny TOMPO fanevako».
16
Ary hoy izy hoe: –Satria ny Hamalekita efa nanainga tanana hanohitra ny sezafiandrianan’ny Tompo, dia hiady amin’izy ireo hatrany hatrany ny TOMPO.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40