bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 24
Exodus 24
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 25 →
1
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara atỳ Amiko etỳ an-tendrombohitra miaraka amin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo amin’ny Israely. Ka raha mbola eny lavidavitra eny ianareo, dia aoka hiankohoka amin’ny tany.
2
Avy eo dia ianao ihany no hanatona AHY, fa ny sisa kosa tsy mahazo manatona; ary ny vahoaka dia tsy hiakatra etỳ an-tendrombohitra miaraka aminareo.
3
Dia lasa nitatitra tamin’ny Israelita izay rehetra nolazain’ny TOMPO sy nandidiany azy i Mosesy, ka novalian’ny vahoaka manontolo indray niredona hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay avokoa.
4
Nosoratan’i Mosesy avokoa ny tenin’ny TOMPO taminy; ary nony ampitso dia nifoha maraina izy ka nanamboatra alitara iray teo am-pototry ny tendrombohitra sy nanangana tsangambato 12, ka iray avy isam-poko tao amin’ny Israely.
5
Naniraka tovolahy israelita izy mba hanolotra sorona dorana manontolo ho an’ny TOMPO sady hitondra ombilahy hatao sorom-pihavanana.
6
Dia nalain’i Mosesy ny antsasaky ny ran’ny biby ka nataony tao an-dovia, fa ny antsasany kosa nafafiny teo ambony alitara.
7
Avy eo dia nalainy ny bokin’ny fanekempihavanana ka novakîny mafy teo imason’ny vahoaka. Dia nanambara ny Israelita hoe: –Ny zavatra rehetra izay nandidian’ny TOMPO anay dia hotanterahinay an-tsakany sy an-davany.
8
Koa nalain’i Mosesy àry ny ra tao amin’ny lovia, dia nafafiny tamin’ny Israelita sady nataony hoe: –Ity ra ity no manamafy ny fanekempihavanana izay nataon’ny TOMPO taminareo fony Izy nanome ireo didy rehetra ireo ho anareo.
9
Taorian’izany, dia niakatra teny an-tendrombohitra i Mosesy, niaraka tamin’i Aharôna sy i Nadaba sy i Abihò ary loholona fitopolo tamin’i Israely.
10
Ary nahita an’ilay Andriamanitr’i Israely izy ireo: ny teo ambany tongony dia karazana lampivato safira, manga manganohano toa volon-danitra.
11
Tsy namely ireto olo-manga israelita ireto Andriamanitra, ka afaka nijery Azy ry zareo sady nihinana sy nisotro.
12
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Miakara etỳ akaikiko etỳ an-tendrombohitra, ary mijanòna eo. Homeko anao ny vatofisaka izay nanoratako ny didy aman-dalàna mba hampianarinao ny Israelita.
13
Dia niakatra teo an-tendrombohitr’Andriamanitra i Mosesy, niaraka tamin’i Josoa mpanompony,
14
rehefa avy nilaza tamin’ny loholona hoe: «Andraso eto izahay mandra-piverinay. Indreo i Aharôna sy i Hora hijanona miaraka aminareo; koa raha misy manana olana, dia manatòna azy roa lahy.»
15
Raha mbola nandroso niakatra ny tendrombohitra i Mosesy, dia rakotry ny rahona ny tendrombohitra.
16
Nipetraka teo an-tendrombohitra Sinay ny voninahitry ny TOMPO, ka ny rahona no nandrakotra azy nandritra ny enina andro. Tamin’ny andro fahafito dia niantso an’i Mosesy tao afovoan’io rahona io Andriamanitra.
17
Toy ny afo mandevona no fahitàn’ny Israelita ny voninahitry ny TOMPO teo an-tampon’ny tendrombohitra Sinay.
18
Niditra tao afovoan’ny rahona i Mosesy, ka nanohy niakatra ny tendrombohitra ary nijanona tao an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro sy efapolo alina.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40