bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 25
Exodus 25
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 26 →
1
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy:
2
–Ilazao ny Israelita mba hanomana fanomezana ho Ahy, ka avy amin’ny olona rehetra manolotra an-tsitrapo no anangony azy.
3
Ireto avy no fanatitra izay hangoninareo: volamena, volafotsy, halimo,
4
volon’ondry miloko volomparasy na mena na jaky, rongony madinika, volon’osy,
5
hoditr’ondry miloko mena, hoditra mafy, hazo mimôza,
6
solika hampiasaina amin’ny fitoeran-jiro, ilomanitra hafangaro amin’ny ilomasina fanokanana sy amin’ny vovo-javamanitra hodorana,
7
vato berila sy vatosoa hafa ho an’ny efôda sy ny saron-tratran’ny mpisorombe.
8
Hanamboatra tranolay masina ho Ahy ny Israelita mba hitoerako eo aminy.
9
Araka ny planina sy ny môdely izay hasehoko anao no handrafetanareo io fonena-masina io sy ny fanaka rehetra momba azy.
10
«Hisy Vatamasina hamboarina amin’ny hazo mimôzà; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
11
Horakofana takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany ary hasiana sisiny volamena manodidina eo amboniny.
12
Haba volamena efatra no hotefena ka haraikitra eo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.
13
Hisy bao roa hatao amin’ny hazo mimôzà, ary horakofana takela-bolamena.
14
Hatsofoka ao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.
15
Rehefa tafiditra amin’ny toerany ireo, dia tsy hoesorina intsony.
16
Ao anatin’io Vatamasina io no hametrahanao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.
17
«Hanaovana sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia hirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany.
18
Hanefena kerobima roa volamena amin’ny sakany roa eo ambony saron’ny Vatamasina.
19
Hovoasana mitambatra amin’ny saron’ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, eo amin’ny sakany avy.
20
Hifanatrika ny kerobima roa sady manatrika ny saron’ny Vatamasina izay alofany amin’ny elany mivelatra.
21
Hapetraka eo ambony Vatamasina ny sarony rehefa tafiditra ao anatiny ao ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana izay homeko anao.
22
Eo ambonin’ny Vatamasina, eo anelanelan’ny kerobima roa, no hisehoako aminao; eo no hanomezako anao ny baiko rehetra momba ny Israelita.
23
«Hisy koa latabatra hamboarina amin’ny hazo mimôzà, ka hirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
24
Horakofana takela-bolamena madio izany sady hasiana sisiny volamena manodidina.
25
Hanaovana fehivava mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady hasiana sisiny volamena eo ambonin’io fehivava io.
26
Hisy haba volamena efatra koa no hotefena, dia hapetraka eo amin’ny zorony efatra, mifanila amin’ny tongony efatra.
27
Hatao eo akaikin’ny fehivavany ny haba ka hampidirana bao mba hitondrana ny latabatra.
28
Hazo mimôzà no hanaovana ny bao roa, izay horakofana takela-bolamena; ary ireo no hilanjàna ny latabatra.
29
Hamboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay, ka samy hatao amin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.
30
Eo ambonin’io latabatra io no hametrahana ny mofo atolotra ho Ahy, ka hisy tsy tapaka eo anatrehako izany.
31
«Hisy koa fitoeran-jiro volamena madio hamboarina; voasana no hanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia hitambatra ho tena iray ihany.
32
Hasiana rantsana enina hivoaka avy amin’ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.
33
Isaky ny rantsana tsirairay dia hisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.
34
Eo amin’ilay tahobeny kosa dia hisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.
35
Ary eo ambanin’ny rantsana enina izay miainga avy amin’ny tahobeny dia hisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.
36
Mitambatra ho iray ihany amin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ka samy ho volamena madio avokoa izy rehetra.
37
Jiro fito no hamboarina ka hapetraka eo amin’io fitoeran-jiro io mba hanazava ny anoloany.
38
Ny tandra sy ny fitoeran-davenon-jiro dia hatao volamena madio.
39
Vongam-bolamena madio telopolo kilao no hampiasaina hanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.
40
Imasoy, ry Mosesy, ny hanatanterahana ny asa araka ny môdely izay nasehoko anao teto an-tendrombohitra.
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40