bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 14
Exodus 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 15 →
1
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO manao hoe:
2
–Ilazao ny Israelita mba hiverina hitoby ao akaikin’i Pi-Hahirôta eo anelanelan’i Migdôla sy ny ranomasina. Ao no hanorenanareo toby, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, eo akaikin’ny ranomasina.
3
Dia hiteny ny Farao hoe: «voan’ny tamberintany ny Israelita, ka voahidin’ny taniefitra.»
4
Ary hanamafy fo ny Farao Aho, dia hanenjika anareo izy. Kanefa hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny tafiny manontolo, ka ho fantatry ny Ejiptianina fa Izaho no TOMPO. Notanterahin’ny Israelita izany araka ny torolalana.
5
Rehefa nambara tamin’ny mpanjakan’i Ejipta sy ny tandapany fa efa mandositra ny Israelita, dia niova hevitra ny momba azy ireo ny Farao sy ny mpanompony ka niteny hoe: «Inona ity nataontsika? Nahoana no nalefantsika hiala tamin’ny fanompoana antsika ny Israelita?»
6
Dia nasain’ny Farao noziogaina tamin’ny kalesy ny soavaliny, ary nentiny nanaraka azy koa ny tafiny.
7
Nindaosiny avokoa ny kalesin’i Ejipta, ka isan’izany ny kalesy voafantina eninjato miaraka amin’ny mpitaingina azy tsirairay avy.
8
Ary ny TOMPO dia nanamafy fo ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hanenjika ny Israelita izay niala tany Ejipta tamin-kalalahana.
9
Ny tafika ejiptianina niaraka amin’ny soavaliny rehetra sy ny kalesiny rehetra ary ny mpitaingina azy dia nanenjika ny Israelita, ka nahatratra azy teo akaikin’i Pi-Hahirôta, mifanatrika amin’i Bahala-Tsefôna, izay nitobiany teo akaikin’ny ranomasina.
10
Natopin’ny Israelita ny masony ka indreny ny Ejiptianina tamy manenjika azy, ary ny Farao dia efa mby akaiky. Raiki-tahotra loatra ny Israelita ka niantsoantso ny TOMPO
11
sady niteny tamin’i Mosesy hoe: –Moa tsy nisy fasana ve tany Ejipta no nentinao ho faty atỳ an-taniefitra izahay? Izao ve no namoahanao anay hiala tany Ejipta?
12
Moa tsy izao zavatra izao ve no efa nilazanay taminao tany Ejipta hoe: «Avelao hilamina izahay hanompo ny Ejiptianina. Fa aleonay manompo ny Ejiptianina toy izay ho faty any an-taniefitra».
13
Fa namaly azy i Mosesy hoe: –Aza matahotra ianareo! Mahandrasa, fa ho hitanareo anio ny famonjena hataon’ny TOMPO aminareo! Satria ny Ejiptianina izay hitanareo androany dia tsy ho hitanareo intsony na oviana na oviana.
14
Ny TOMPO no hiady ho anareo, fa ianareo kosa hangina fotsiny.
15
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Nahoana no miantso vonjy amiko ianao? Ilazao ny Israelita mba handroso.
16
Ingao ny tehinao, ka ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao. Ary saraho ny rano, dia hamaky eo afovoan’ny rano eo amin’ny tany maina ny Israelita.
17
Fa Izaho hanamafy fo ny Ejiptianina ka hitsofoka hanenjika anareo izy. Dia hasehoko ny voninahitro amin’ny hanapotehako ny Farao sy ny andian-tafiny rehetra, ny kalesiny sy ny mpitaingina azy.
18
Ho fantatry ny Ejiptianina amin’izay fa Izaho no TOMPO rehefa asehoko azy araka izany ny voninahitro.
19
Ny anjeli n’Andriamanitra izay nialoha ny Israelita hatrizay dia nandeha nifindra teo aorian’ny toby. Toy izany koa, ny andry rahona izay teo alohan’izy ireo dia lasa any aoriany.
20
Nifindra teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita teo anelanelan’ny tobin’ny Ejiptianina sy ny tobin’ny Israelita ny andry rahona. Io andry rahona io dia maizina tany andaniny fa nanazava ny alina kosa taty ankilany. Koa tsy afaka nifanatona izy roa tonta nandritra ny alina.
21
Nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Ary ny TOMPO nampitsoka rivo-mahery avy any atsinanana nandritra ny alina manontolo ka nanosika ny ranomasina hanamaina azy. Nisaraka ny ranomasina,
22
ary nita teo am-povoany nandia tany maina ny Israelita, fa nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany ny rano.
23
Nanenjika azy ny Ejiptianina; ny soavalin’ny farao rehetra mbamin’ny kalesiny sy ny mpitaingina azy dia samy nitsofoka nanaraka azy ireo tao afovoan’ny ranomasina avokoa.
24
Ary nony efa nadiva haraina dia nijery ny tobin’ny Ejiptianina avy teo amin’ny andry afo sy rahona ny TOMPO, ka nanakorontana azy.
25
Nohidiany ny kodiaran’ny kalesy ka nihisatra ny fitarihana azy. Dia hoy ny Ejiptianina hoe: –Andao handositra ny Israelita isika, fa ny TOMPO no miady ho azy ireo amintsika!
26
Hoy ny TOMPO tamin’i Mosesy: –Ahinjiro eo ambony ranomasina ny tananao mba hiverenan’ny rano eo amin’ny Ejiptianina sy ny kalesiny ary ny mpitaingin-tsoavaliny.
27
Dia nahinjitr’i Mosesy teo ambony ranomasina ny tanany. Niverina ho amin’ny toerany ny ranomasina rehefa ho maraina ny andro ka nifanehatra taminy ireo Ejiptianina nandositra, dia narian’ny TOMPO tao afovoan’ny ranomasina ny Ejiptianina.
28
Nikatona ny ranomasina ka nandrakotra ny kalesy sy ny mpitaingin-tsoavaly; izay tafiky ny Farao manontolo nanenjika ny Israelita tao an-dranomasina dia tsy nisy afa-nitsoaka na iray aza.
29
Fa ny Israelita kosa dia niampita ny ranomasina nandia tany maina, fa ny rano dia nisavovona toa tamboho teo ankavanany sy ankaviany.
30
Namonjy ny Israelita teo an-tanan’ny Ejiptianina ny TOMPO tamin’izany andro izany, ka ny Israelita dia nahita ny fatin’ny Ejiptianina teny amoron-dranomasina.
31
Hitan’ny Israelita ny hery lehibe izay nampiasain’ny TOMPO hamelezana ny Ejiptianina. Izany no nanajan’ny Israelita ny TOMPO, ka nitokiany AZY sy nitokiany an’i Mosesy mpanompony.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40