bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 26
Exodus 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 27 →
1
«Ary momba ny fonena-masina, dia lamba temitra folo vita amin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no hanaovana azy, ravahana kerobima vita peta-kofehy tsara.
2
Hitovy avokoa ny refin’ny lamba temitra rehetra, ka 14 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.
3
Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny dimy hafa.
4
Hopetahana kofehy volon’ondry miloko volomparasy ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.
5
Hisy kofehy dimampolo amin’ny sisin’ny vitrana tsirairay, ka hifanandrify amin’ny laharan’ny kofehy eo amin’ny vitrana iray mifanila aminy.
6
Farango volamena dimampolo no hamboarina mba hanakambanana ny vitrana roa, dia hatambatra ho iray ihany ny fonena-masina manontolo.
7
«Avy eo dia tranolay faharoa no hamboarina amin’ny lamba temitra 11 vita amin’ny volon’osy, mba handrakofana ny fonena-masina.
8
Hitovy refy avokoa ny lamba temitra rehetra, ka 15 metatra ny lavany, ary roa metatra ny sakany.
9
Hatambatra ho vitrana iray aloha ny lamba temitra dimy; avy eo dia hatao toy izany koa ny enina hafa, ka ny lamba temitra fahenina dia haforitra eo anoloan’ny tranolay masina.
10
Hopetahana tadivavarana dimampolo ny sisin-damba farany amin’ny vitrana voalohany, ary hatao toy izany koa ny sisin-damba voalohany amin’ny vitrana faharoa.
11
Farango halimo dimampolo no hamboarina, dia hatsofoka amin’ny tadivavarana mba hampikambana ny lay ho iray ihany.
12
Manaraka ny sakan’ny lamba temitra dia antsasaky ny ambainy fanampiny no hikiraviravy ao ivohon’ny Tranolay masina.
13
Manaraka ny halavan’ny lamba dia hozaraina roa ny iray metatra fanampiny, ka hikiraviravy eo an-daniny roa amin’ny fonena-masina, mba haharakotra azy.
14
Mba hiarovana ny lay faharoa, dia hoditr’ondrilahy miloko mena sy sarona vita amin’ny hoditra mafy no harakotra eo amboniny.
15
«Hisy hazo fisaka hamboarina amin’ny hazo mimôzà ka hatsangana hitondra ny fonena-masina.
16
Hitovy refy ny hazo fisaka rehetra, ka dimy metatra ny lavan’ny tsirairay ary 75 santimetatra ny sakany.
17
Hasiana lahiny roa mirazotra isaky ny hazo fisaka.
18
Hazo fisaka roapolo no hatao ho an’ny lafiny atsimo amin’ny fonena-masina,
19
ary hasiana faladia volafotsy efapolo hitondra azy; ka isaky ny hazo fisaka dia faladiany roa avy, izay mifanandrify amin’ny lahiny roa.
20
Ho an’ny lafiny avaratra dia hazo fisaka roapolo koa no hatao,
21
miaraka amin’ny faladia volafotsy efapolo; ka faladiany roa avy isaky ny hazo fisaka.
22
Ho an’ny lafiny andrefana izay eo ivohon’ny fonena-masina dia hazo fisaka enina no hatao,
23
miampy hazo fisaka roa manokana hatao erỳ amin’ny zorony roa erỳ afara.
24
Ireo hazo fisaka roa ireo dia hisy elanelany ara-dalàna eo amin’ny fotony, fa hifanatona tsikelikely, ka hikambana eo amin’ny haba iray any an-dohany. Hatao mitovy izy roa ho hazo fisaka eo amin’ny zorony.
25
Koa ny lafiny ivohon’ny fonena-masina izany dia hisy hazo fisaka valo sy faladiany volafotsy 16, ka faladia roa avy isaky ny hazo fisaka.
26
«Hanamboarana bara mimôzà ireo hazo fisaka ireo, ka barany dimy hihazona ny hazo fisaka amin’ny lafiny iray amin’ny fonena-masina;
27
barany dimy koa hihazona ireo hazo fisaka amin’ny lafiny iray hafa; ary barany dimy hafa ho an’ireo hazo fisaka amin’ny lafiny ivoho ao andrefana.
28
Ny barany afovoany dia handalo eo am-pisasahan’ny haavon’ny hazo fisaka, ary hatao mahatakatra ny sisiny an-daniny roa amin’ny fonena-masina.
29
Horakofana takela-bolamena, na ny hazo fisaka na ny barany; ary hisy haba volamena hotefena hanatsofohana ny barany.
30
Rehefa izany, ry Mosesy, dia asaovy atsangana araka ny môdely izay efa nasehoko anao teto an-tendrombohitra ny fonena-masina.
31
«Mpahay taozavatra no hanao efitra lamba iray amin’ny rongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, ravahana kerobima roa vita amin’ny peta-kofehy tsara.
32
Io efitra lamba io dia hahantona amin’ny fantsika volamena eo amin’ny andry efatra vita amin’ny hazo mimôzà voarakotra takela-bolamena sady mipetraka amin’ny faladia volafotsy efatra.
33
Eo ambanin’ny farango no hanantonana ny efitra lamba. Any aorian’ny efitra lamba no hametrahana ny Vatamasina mirakitra ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana. Ny efitra lamba amin’izay no hampisaraka ny Toeramasina sy ny Toeramasina indrindra.
34
Avy eo, dia hapetraka eo ambonin’ny Vatamasina ilay sarony, ao amin’ny Toeramasina indrindra.
35
Hapetraka ao amin’ny fonena-masina, eo amin’ny lafiny avaratra, ny latabatra; ary ny fitoeran-jiro kosa manoloana ny latabatra amin’ny lafiny atsimo.
36
«Momba ny fidirana ao amin’ny tranolay masina dia aoka hanaovan’ny mpanenona za-draharaha varavarana lamba iray hafa amin’ny rongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky.
37
Hisy andry dimy hatao amin’ny hazo mimôzà, sady horakofana takela-bolamena, ka eo no hanantonana io varavarana lamba io amin’ny farango volamena. Faladia halimo dimy no harendrika hitsatohan’ireo andry ireo.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
Recommended Reading
Commentary
Exodus Commentaries
→
Devotional
Exodus Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (DIEM PROTESTANTA) Study Bible
→