bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 6
Exodus 6
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 7 →
1
Fa namaly an’i Mosesy ny TOMPO hoe: –Ankehitriny vao ho hitanao izay hataoko amin’ny Farao, fa noho ny herin-tsandriko dia havelany handeha ny Israelita; eny, noho ny herin-tsandriko, dia horoahiny hiala amin’ny taniny izy ireo!
2
Ary Andriamanitra niteny tamin’i Mosesy hoe: –Izaho no «TOMPO».
3
Tamin’ny anarana hoe «Andriamanitra Tsitoha » no nisehoako tamin’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba fa tsy mbola fantatr’ireo ny anarako hoe «TOMPO.»
4
Nanao fanekempihavanana tamin’izy ireo Aho fa homeko azy ny tany Kanahàna izay nivahiniany.
5
Efa reko ny fitarainan’ny Israelita amin’ny asa fanandevozana ampanaovin’ny Ejiptianina azy; koa nahatsiaro ny fanekempihavanako Aho.
6
Noho izany, dia lazao amin’ny Israelita hoe: «Izaho no TOMPO! Havoakako hiala amin’ny asa an-terivozona ampanaovin’ny Ejiptianina ianareo sy hoafahako amin’ny fanompoana azy; ka amin’ny heriko tsy hay tohaina sy amin’ny famaizana lehibe no hanavotako anareo.
7
Halaiko ho vahoakako ianareo, ary Izaho ho Andriamanitrareo; dia ho fantatrareo fa Izaho TOMPO Andriamanitrareo no namoaka anareo hiala amin’ny asa an-terivozona nampanaovin’ny Ejiptianina.
8
Hoentiko any amin’ny tany izay efa nianianako tamin’ny tsangan-tanana fa homeko an’i Abrahama sy i Itsehàka ary i Jakôba ianareo. Homeko ho fanananareo izany. Izaho no TOMPO.»
9
Notaterin’i Mosesy tamin’ny Israelita izany teny izany; nefa tsy nihaino azy akory ireo, fa kivy noho ny hamafin’ny fanompoana.
10
Niteny tamin’i Mosesy indray ny TOMPO hoe:
11
–Mandehana miteny amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba halefany hiala amin’ny taniny ireo Israelita.
12
Fa nanambara teo anatrehan’ny TOMPO i Mosesy hoe: –Na dia ny Israelita aza tsy nihaino ahy, koa ahoana no hihainoan’ny Farao ahy izay votsa vava ity?
13
Nefa mbola niteny tamin’i Mosesy sy i Aharôna ihany ny TOMPO, ka nandidy azy hankany amin’ny Israelita sy amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, mba hamoaka ny Israelita hiala tao Ejipta.
14
Toy izao no lisitry ny filoham-pianakaviana teo amin’ny Israelita: Ny zanakalahin’i Reobena, lahimatoan’i Jakôba, dia i Hanôka, i Palo, i Hetsirôna ary i Karmỳ. Izy efa-dahy no razamben’ny tarika reobenita.
15
Ny zanakalahin’i Simehôna dia i Jemoela, i Jamina, i Ôhada, i Jakina, i Tsôhara, ary i Saola; ity Saola ity dia zanany tamin’ilay vehivavy kanahanita. Izy enin-dahy no razamben’ireo tarika simehônita.
16
Ary ireto kosa no anaran’ny taranak’i Levỳ, tao amin’ny taranaka maro nifandimby: Telo no zanakalahin’i Levỳ, dia i Gersôna sy i Kehata ary i Merarỳ. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Levỳ.
17
Ny zanakalahin’i Gersôna dia i Zibnỳ sy i Simehỳ, izay samy manana ny tarika tandrify azy avy.
18
Ny zanakalahin’i Kehata dia i Hamrama, i Jitsehara, i Hebrôna ary i Hoziela. Naharitra telo amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Kehata.
19
Ny zanakalahin’i Merarỳ dia i Mahelỳ sy i Mosỳ. Ireo no razamben’ny tarika levita samy araka ny taranany avy.
20
I Hamrana dia nanambady an’i Jôkebeda anabavin-drainy ka niteraka an’i Aharôna sy i Mosesy. Naharitra fito amby telopolo amby zato taona ny andro niainan’i Hamrama.
21
Ny zanakalahin’i Jitsehara dia i Kôra sy i Nefega ary i Zikrỳ.
22
Ny zanakalahin’i Hoziela dia i Misaela sy i Elitsàfana ary i Sitrỳ.
23
I Aharôna dia nanambady an’i Eliseba, zanakavavin’i Haminadaba sady anabavin’i Nahasôna; io Eliseba io no niterahan’i Aharôna an’i Nadaba sy i Abihò ary i Elehazara sy i Itamara.
24
Ny zanakalahin’i Kôra dia i Asira sy i Elkanà ary i Abiasafa; ireo no razamben’ny tarika kôrahita.
25
I Elehazara, zanakalahin’i Aharôna, dia nanambady anankiray tamin’ny zanakavavin’i Potiela; ka io no niterahany an’i Pinehasa. Ireo rehetra ireo no filoham-pianakaviana tao amin’ny taranak’i Levỳ, samy araka ny tarika tandrify azy avy.
26
Fa i Aharôna sy i Mosesy kosa nobaikoin’ny TOMPO hoe: «Ataovy izay hamoahanareo ny Israelita avy any Ejipta amim-pilaminana tsara.»
27
Koa nandeha niteny tany amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, i Mosesy sy i Aharôna mba handefasany ny Israelita hiala amin’ny taniny.
28
Tamin’ny andro izay nitenenan’ny TOMPO tamin’i Mosesy tany Ejipta,
29
dia hoy Izy taminy: –Izaho no TOMPO! Koa lazao amin’ny Farao, mpanjakan’i Ejipta, izay rehetra ambarako aminao.
30
Fa novalian’i Mosesy hoe: –Indro votsa vava aho, ka tsy hihaino ahy mihitsy ny Farao!
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40