bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 13
Exodus 13
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
1
Dia niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO nanao hoe:
2
–Atokany ho ahy ny lahimatoa rehetra ao amin’ny Israelita, na olona na biby fiompy, fa Ahy ireny.
3
Dia hoy i Mosesy tamin’ny vahoaka: –Tsarovy ity andro anio ity: Fa tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anareo hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anareo. Koa rehefa mankalaza izany ianareo, dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora.
4
fa tahaka izao andro amin’ny volana Abiba izao no niainganareo.
5
Koa hotsarovanareo hatrany hatrany izany zavatra izany amin’io volana io rehefa izay ianareo hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita sy ny Hetita mbamin’ny Amôrita sy ny Hivita ary ny Jebosita. Tany izay nianian’ny TOMPO tamin’ny razanareo fa homena anareo izany, tany tondra-dronono sy tantely.
6
Mandritra ny fito andro no hihinananareo mofo tsy misy leviora, ary ny andro fahafito no hanaovanareo fety firavoravoana ho fanomezam-boninahitra ny TOMPO.
7
Mandritra io fito andro io dia aoka tsy hihinana mofo misy leviora ianareo, aoka tsy ho hita eo amin’ny faritaninareo rehetra na ny mofo misy leviora na ny leviora.
8
Mandritra io fety io no hitantaranareo amin’ny zanakareo hoe: «Izao no ataonay dia noho izay nataon’ny TOMPO taminay fony izahay niala tany Ejipta.»
9
Io fankalazana io dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro fa tokony hambaranareo ny lalànan’ny TOMPO satria IZY no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.
10
Isan-taona isan-taona, amin’ny fotoana voatondro, no hitandremanareo io fepetra io.
11
Ary hoy koa i Mosesy hoe: –Rehefa hampidirin’ny TOMPO ao amin’ny tanin’ny Kanahanita ianareo, ka homeny anareo ny tany araka izay efa nianianany taminareo sy ny razanareo,
12
dia atolory ho an’ny TOMPO ny voalohan-teraka rehetra; fa an’ny TOMPO ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinareo.
13
Ny voalohan-teraky ny boriky kosa dia soloy zanakondry lahy na zanakosy lahy; fa raha tsy izany, dia aolàny hatoka izy ho faty. Ny lahimatoa rehetra amin’ny olona eo amin’ny taranakareo kosa dia havotanareo.
14
Koa rehefa manontany anareo ny zanakareo any aoriana hoe: «Inona no anton’izao?», dia hovalianareo hoe: «Tamim-pahefana mahery no namoahan’ny TOMPO anay hiala tany Ejipta izay toera-nanandevozana anay.
15
Niziriziry tsy nety nandefa anay ny Farao, ka naringan’ny TOMPO ny lahimatoa rehetra tany Ejipta, nanomboka tamin’ny voalohan-teraky ny olona ka hatramin’ny voalohan-teraky ny biby fiompy. Izany no anoloranay ho sorona amin’ny TOMPO ny lahy voalohan-teraka rehetra eo amin’ny biby; fa ny lahimatoa eo amin’ny zanakay kosa dia havotanay.»
16
Ireo sorona ireo dia ho solon’ny marika eo amin’ny sandrinareo sy ny handrinareo, ka hampahatsiaro anareo fa ny TOMPO no namoaka anareo hiala tany Ejipta tamim-pahefana mahery.
17
Rehefa nalefan’ny Farao ny Israelita, dia tsy notarihin’Andriamanitra lalana hankany amin’ny tanin’ny Filistinina na dia akaiky aza io. Nanahy mantsy Andriamanitra fandrao hatahotra ny hahita ady ny vahoaka ka hiova hevitra, ary hiverina any Ejipta.
18
Izany no antony nitondrany azy amin’ny lalana mihodidina ny taniefitra, mankany amin’ny Ranomasin’ny Volotara. Voalamina tsara ny Israelita fony niala avy tany Ejipta.
19
Nalain’i Mosesy ny taolambalon’i Jôsefa ka nentiny niaraka taminy satria efa nampianiana ny Israelita i Jôsefa hoe: «Ho avy hanafaka anareo tokoa Andriamanitra, koa mianiàna amiko ianareo fa hampakatra ny taolambaloko miaraka aminareo.»
20
Niala tao Sokôta ny Israelita, ka mandeha mitohy tao Etama, any an-tsisin’ny taniefitra.
21
Nialoha azy ireo ny TOMPO ka andry rahona no nitarihany lalana azy nony antoandro, ary andry afo no nanazavàny azy nony alina, hany ka afaka nandeha andro aman’alina ny Israelita.
22
Tsy nitsahatra mialoha azy ireo ny andry rahona tamin’ny antoandro, na ny andry afo tamin’ny alina.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40