bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 37
Exodus 37
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 38 →
1
Namboarin’i Betsalela tamin’ny hazo mimôzà ny Vatamasina; ka mirefy 125 santimetatra ny lavany, 75 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
2
Norakofan’i Betsalela takela-bolamena madio ny atiny sy ny ivelany, ary nasiany sisiny volamena manodidina.
3
Notefeny ny haba volamena efatra ka naraikiny teo amin’ny zorony efatry ny Vatamasina, dia samy roa an-daniny avy.
4
Nisy bao roa nataony tamin’ny hazo mimôzà, ary norakofany takela-bolamena.
5
Natsofony tao amin’ireo haba ireo ny bao roa mba hilanjana ny Vatamasina.
6
Nanaovany sarony volamena madio ilay Vatamasina, ka io sarony io dia nirefy 125 santimetatra ny lavany ary 75 santimetatra ny sakany.
7
Nanefeny kerobima roa volamena tamin’ny sakany roa teo ambonin’ny saron’ny Vatamasina.
8
Novoasany mitambatra amin’ny saron’ny Vatamasina ireo kerobima roa ireo, teo amin’ny sakany avy.
9
Nifanatrika ny kerobima roa sady nanatrika ny saron’ny Vatamasina izay nalofany tamin’ny elany mivelatra.
10
Nisy latabatra namboarina tamin’ny hazo mimôzà, ka nirefy iray metatra ny lavany, 50 santimetatra ny sakany ary 75 santimetatra ny haavony.
11
Norakofana takela-bolamena madio izany, sady nasiana sisiny volamena manodidina.
12
Nasiana fehivavany mivelatra valo santimetatra manodidina azy sady nasiana sisiny volamena teo ambonin’io fehivava io.
13
Nisy haba volamena efatra koa notefena, dia napetaka teo amin’ny zorony efatra, nifanila tamin’ny tongony efatra.
14
Natao teo akaikin’ny fehivavany ny haba ka nampidirana bao mba hitondrana ny latabatra.
15
Hazo mimôzà no nanaovana ny bao roa, izay norakofana takela-bolamena; ary ireo no nilanjana ny latabatra.
16
Namboarina koa ny fitaovana fametraka eo ambonin’io latabatra io: dia lovia fisaka lehibe, kaopy, tavoara, tsatokaty ho an’ny fanatitra divay; ka samy natao tamin’ny volamena madio avokoa izy rehetra.
17
Namboarina ny fitoeran-jiro volamena madio; voasana no nanaovana azy, ka ny faladiany sy ny tahony, ny raviny sy ny bokony ary ny voniny dia nitambatra ho tena iray ihany.
18
Nasiana rantsana enina nivoaka avy amin’ny tahobeny, ka samy telo an-daniny avy.
19
Isaky ny rantsana tsirairay dia nisy felam-boninkazo telo miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.
20
Teo amin’ilay tahobeny kosa dia nisy felam-boninkazo efatra miendrika felam-paiso miaraka amin’ny bokony sy ny voniny.
21
Ary teo ambanin’ny rantsana enina izay niainga avy amin’ny tahobeny dia nisy boko iray isaky ny rantsana tsiroaroa.
22
Nitambatra ho iray ihany tamin’ny sisa rehetra ny boko sy ny rantsana, ary samy volamena madio avokoa izy rehetra.
23
Namboarina ny jiro fito sy ny tandra ary ny fitoeran-davenon-jiro, ka samy natao volamena madio avokoa.
24
Vongam-bolamena madio telopolo kilao no nampiasaina nanaovana ny fitoeran-jiro sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy.
25
Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ny alitara iray ho fandoroana vovo-javamanitra. Efamira izy io, ka nirefy dimampolo santimetatra avy ny lafiny tsirairay, ary iray metatra ny haavony. Nisy tandrony avy teo amin’ny zorony efatra ambony ary natao miray aminy.
26
Norakofana takela-bolamena madio ny tampony sy ny lafiny manodidina mbamin’ny tandrony, sady nasiana sisiny volamena manodidina.
27
Haba volamena roa avy no napetany teo ambanin’ny sisiny sady nataony tamin’ny zorony efatra, ka nampidirana bao mba hilanjana ny alitara.
28
Namboarina tamin’ny hazo mimôzà ireo bao roa ireo, ary norakofana takela-bolamena.
29
Mpamboatra zava-manitra no nanao ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana mbamin’ny vovo-javamanitra hodorana eo amin’ny alitara.
← Chapter 36
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 38 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40