bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 39
Exodus 39
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 40 →
1
Volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky no nanaovana ny lamba fandrakofana ny fanaka fampiasa tao amin’ny Toeramasina sy ny fanamiana voatokana ho an’i Aharôna, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
2
Kiran-dongony mafy, mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, no nanaovana ny efôda, sady nasiana peta-kofehy volamena.
3
Nohetezana tamin’ny takela-bolamena nofisahina ny kofehy volamena madinika, dia nafangaron’ireo mpanao peta-kofehy tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky niampy kiran-drongony mafy.
4
Beritelo nozairina tamin’ny sisiny roa no nitondrana ny efôda.
5
Notenomina ho iray amin’ny efôda sady natao tamin’ny kofehy mitovy amin’ny nanaovana azy ny samboady fitazonana ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
6
Namboarina ny vato berila dia natao tao anaty bokom-bolamena; nosoratana an-tsokitra teo ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba, natao toy ny fisokitra tombokase.
7
Napetaka teo ambony beritelon’ny efôda ireo vato ireo mba ho mariky ny fanatrehan’ny foko israelita 12, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
8
Mpahay taozavatra no nanao ny saron-tratra tamin’ny kiran-drongony mafy mifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, sady nasiany peta-kofehy volamena toy ny efôda.
9
Paosy efamira izy io, ka mirefy 25 santimetatra avy ny lafiny tsirairay
10
ary noravahana laharam-batosoa efatra: ny laharana voalohany dia sardoanina sy tôpaza ary emeralda;
11
ny laharana faharoa dia robisy sy safira ary diamondra;
12
ny laharana fahatelo dia ôpaka sy agata ary ametista;
13
ary ny laharana fahefatra dia krizôlita sy berila ary jaspa. Samy napetaka anaty bokom-bolamena avy ny vato tsirairay.
14
Nosoratana an-tsokitra teo amin’ny vatosoa tsirairay avy ny anaran’ireo zanakalahin’i Jakôba izay miisa 12; natao toy ny fisokitra tombokase izany, ka ireo vato ireo no solotenan’ny foko israelita 12.
15
Rojo volamena madinika roa, miolanolana toy ny tady voarandrana, no natao teo amin’ny saron-tratra;
16
nisy bokom-bolamena roa sy haba volamena roa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambony amin’ny saron-tratra.
17
Nafatotra tsirairay tamin’ireo haba amin’ny saron-tratra ireo ny rojo volamena madinika;
18
ary ny lanin’ny rojo roa kosa dia napetaka tamin’ny bokom-bolamena izay teo ambonin’ny beritelon’ny efôda, mba hahatonga ny saron-tratra ho eo anoloana.
19
Nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo amin’ny zorony roa ambany amin’ny saron-tratra manolotra ny efôda.
20
Mbola nisy haba volamena roa hafa koa namboarina ka napetaka teo ambanin’ny beritelon’ny efôda eo anoloana, teo amin’ny fikambanany; teo ambonin’ny samboadin’ny efôda no nametrahana ireo haba volamena ireo.
21
Natohy tady volomparasy ny haban’ny saron-tratra sy ny haban’ny efôda mba ho eo ambonin’ny beritelon’ny efôda ilay saron-tratra ka tsy hifindrafindra eo amin’ny efôda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
22
Ny akanjo lava ivelany izay hitondran’i Aharôna ny efôda dia natao manontolo tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy.
23
Nasiana vavany teo afovoany mba hidiran’ny loha, ka notenomina sy nohamafisina ny sisiny manodidina io vavany io mba tsy ho rovitra.
24
Ny moron-tongotr’akanjo manodidina dia noravahana sarin’ampongabendanitra vita tamin’ny volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky sy tamin’ny kiran-drongony mafy.
25
Notefena ny lakolosy kely volamena madio ka napetaka teny anelanelan’ny sarin’ampongabendanitra tamin’ny moron-tongotr’akanjo manodidina.
26
Koa ny sarin’ampongabendanitra dia nifanelanelana tamin’ny lakolosy kely teo ivelan’ny moron-tongotr’akanjo, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
27
Nanenomana akanjo ivelany tamin’ny kiran-drongony koa i Aharôna sy ireo zanany lahy;
28
notenomina toy izany koa ny fehiloha, ny lamba nanaovana ny satroka boribory, ary ny pataloha.
29
Fa ny fehikibo vita peta-kofehy no natao tamin’ny kiran-drongony mafy nifangaro volon’ondry miloko volomparasy sy mena ary jaky, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
30
Namboarina koa ny famantarana ny maha voatokana, dia firavaka volamena madio miendrika voninkazo ary teo amboniny nasiana soratra voasokitra toy ny amin’ny tombokase hoe: «Voatokana ho an’ny TOMPO.»
31
Dia nafatotra tamin’ny tady volon’ondry miloko volomparasy teo ambonin’ny satroka fehiloha izany, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
32
Vita ny asa rehetra momba ny fonena-masina na Tranolay fihaonana. Araka izay rehetra nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy no nanatanterahan’ny Israelita izany.
33
Nentin’ny Israelita tany amin’i Mosesy avokoa ny zavatra momba ny fonena-masina, dia: –ny tranolay sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy toy ny farango, ny hazo fisaka, ny barany, ny andry ary ny faladiany;
34
–ny sarona vita amin’ny hoditr’ondry miloko mena, ny sarona vita amin’ny hoditra mafy sy ny efitra lamba fanasarahana;
35
–ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, miaraka amin’ny baony sy ny sarony;
36
–ny latabatra voatokana sy ny baony ary ny fitaovana rehetra miaraka aminy mbamin’ny mofo fanolotra ho an’Andriamanitra;
37
–ny fitoeran-jiro miaraka amin’ireo jirony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ary ny solika fandrehitra;
38
–ny alitara volamena, ny ilomasina fanokanana, ny vovo-javamanitra hodorana; –ny varavarana lamba eo amin’ny fidirana amin’ny tranolay;
39
–ny alitara halimo sy ny makarakarany halimo, ny baony sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy; –ny kovetabe fidiovana sy ny faladiany;
40
–ny temitry ny kianja miaraka amin’ny andriny sy ny faladiany, ny varavarana lamba eo amin’ny vavahadin’ny kianja, miaraka amin’ny tadiny sy ny tsîmatra; –ny fitaovana rehetra fampiasa amin’ny raharaha ao amin’ny fonena-masina na hoe Tranolay fihaonana;
41
–ny lamba fandrakofana ny fanaka ao amin’ny Toeramasina ary ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany.
42
Notanterahin’ny Israelita ny asa rehetra araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
43
Koa rehefa hitan’i Mosesy fa vita araka izay nandidian’ny TOMPO avokoa ny zavatra rehetra, dia nitsodrano ny Israelita izy.
← Chapter 38
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 40 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40