bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 23
Exodus 23
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 24 →
1
«Aza manely tsaho foana, na manao vavolombelona mandainga hiray tsikombakomba ny olon-dratsy.
2
Aza manaiky hotarihin’ny maro hanao ratsy; aza mijoro ho vavolombelona noho ny hena-maso ny maro mitady hamadika ny rariny eo amin’ny fitsarana.
3
Aza manasohaso olona eo amin’ny fitsarana, na dia ny mahantra aza.
4
«Raha mifanena aminao fa diso lalana ny ombin’ny fahavalonao na ny borikiny, dia avereno any aminy.
5
Raha hitanao ny borikin’izay mankahala anao fa mihohaka eo ambanin’ny entana entiny, dia aza ilaozana fotsiny ilay olona fa ampio izy hanarina ny bibiny.
6
«Aza mamilivily ny rariny ananan’ny mahantranareo rehefa miseho fitsarana izy.
7
Aza mihaino ny lainga tsara lahatra. Aza manameloka ho faty ny tsy manan-tsiny sy ny olo-marina, satria Izaho Tompo dia tsy hihevitra ny olon-dratsy toy izany ho marina.
8
Aza mandray tsolotra fa ny tsolotra no mahajamba ny mason’ny mahiratra sy mamadika ny tenin’ny olo-marina.
9
«Aza mampijaly ny vahiny izay mipetraka ao aminareo. Fantatrareo tsara ny fiainan’ny vahiny satria efa mba vahiny tany Ejipta koa ny tenanareo.
10
«Mandritra ny enin-taona misesy no ahazoanareo mamafy ny taninareo sy mijinja ny vokatra avy aminy;
11
fa amin’ny taona fahafito dia tsy maintsy avelanareo hitsahatra tanteraka ny tany. Ny mahantra iray firenena aminareo amin’izay dia hahita hohanina, ary ny sisa dia hohanin’ny bibidia. Toy izany koa no hataonareo amin’ny tanimboalobokareo sy ny tanin’ôlivanareo.
12
«Enina andro no hanaovanareo ny raharahanareo fa amin’ny andro fahafito dia hitsahatra ianareo mba hahazoan’ny ombinareo sy ny borikinareo miala sasatra, ary mba hahazoan’ny mpanomponareo sy ny vahiny maka aina.
13
«Tandremo tsara izay rehetra nandidiako anareo; ary aoka ny anaran’andriamani-kafa tsy hantsoina mihitsy, na ho re tononina akory eo aminareo.
14
«Fety telo no hankalazainareo isan-taona ho fanomezam-boninahitra Ahy.
15
Ny fety voalohany hankalazainareo dia ny fetin’ny mofo tsy misy leviora: mandritra ny fito andro voatondro amin’ny volana Abiba no hihinananareo ny mofo tsy misy leviora araka izay efa nandidiako anareo. Tamin’io volana io manko no nialanareo tany Ejipta; koa aza miseho eo amin’ny alitarako mitondra tanam-polo.
16
Hankalazainareo manaraka izany ny fetin’ny fijinjana amin’ny fotoana ijinjanareo ny voaloham-bokatr’izay nafafinareo tany an-tsaha. Ary amin’ny faran’ny taona kosa no hankalazainareo ny fetim-bokatra, rehefa vitanareo avokoa ny famoriana ny vokatry ny fambolenareo any an-tsaha.
17
Koa intelo isan-taona izany ny lehilahy rehetra aminareo no ho tonga hiseho eo anatrehako TOMPO Andriamanitrareo.
18
«Aza manao sorom-biby ho Ahy miaraka amin’ny mofo misy leviora; ary aza tahirizina ho tra-maraina ny jaboran’ireo sorona fanomezam-boninahitra Ahy.
19
Haterinareo ao an-tranoko ny santatry ny vokatry ny taninareo satria Izaho no Tompo Andriamanitrareo. Nefa aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
20
«Haniraka anjely iray hialoha anareo Aho, mba hiaro anareo eny an-dàlana; izy no hitarika anareo ho ao amin’ny tany izay efa nomaniko ho anareo.
21
Mitandrema tsara eo anatrehany ka henoy izay lazainy, ary aza manohitra azy; fa tsy mahazaka fikomiana izy, satria mitondra ny anarako.
22
Raha mankatò azy hatrany ianareo, ka manatanteraka an-tsipiriany izay rehetra nandidiako anareo, dia Izaho Tompo no ho fahavalon’izay fahavalonareo, ary handrafy izay mandrafy anareo.
23
«Rehefa mandeha eo alohanareo ny anjeliko, ka mitarika anareo ho any amin’ny Amôrita sy ny Hitita, ny Perizita sy ny Kanahanita, ary ny Hivita sy ny Jebosita, dia hofongorako ireo firenena ireo.
24
Koa aza miankohoka eo anoloan’ny andriamaniny, na manao fanompoam-pivavahana aminy na mianatra ny fanaony, fa ravao mihitsy ny sarivongan’ireo sampiny sady potipoteho ny tsangambatony.
25
Izaho TOMPO Andriamanitrareo irery ihany no hivavahanareo; amin’izay Aho dia hitahy anareo ka hanome anareo sakafo sy fisotro, sady hampanalavitra ny aretina aminareo.
26
Tsy hisy vehivavy ho afa-jaza na ho momba eo amin’ny taninareo, ary hataoko ela velona ianareo.
27
«Halefako hialoha anareo ny tahotra Ahy, ka hisavoritaka ny firenena rehetra izay hidiranareo.
28
Halefako hialoha anareo koa ny takolapanenitra ka hampandositra ny Hivita sy ny Kanahanita ary ny Hetita mialoha ny fahatongavanareo.
29
Tsy hampandosiriko anareo ao anatin’ny taona iray ihany anefa ireo firenena ireo, fandrao hanjary ho lao ny tany ka hihamaro hamely anareo ny bibidia.
30
Horoahiko tsikelikely ny fahavalonareo, arakaraka ny hihamaroanareo ka handraisanareo ny tany ho anareo.
31
Ny faritaninareo dia hataoko mahafaoka hatreo amin’ny Ranomasin’ny Volotara ka hatrany amin’ny ranomasina Mediteranea, ary hatreo amin’ny taniefitr’i Sinay ka hatrany amin’ny ony Eofrata; fa hatolotro ho eo an-tananareo ny mponina amin’ireo faritany ireo ka horoahinareo.
32
Aza manao fanekempihavanana amin’ireo na amin’ny andriamaniny.
33
Aza avela honina ao amin’ny taninareo ireny fandrao mitarika anareo hanao fahadisoana amiko; satria raha manao fanompoam-pivavahana amin’ny andriamaniny ianareo, dia hanjary fandrika ho anareo izany.»
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40