bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Exodus 31
Exodus 31
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 32 →
1
Hoy koa ny TOMPO tamin’i Mosesy:
2
–Jereonao fa nofidiko i Betsalela, zanakalahin’i Orỳ sady zafikelin’i Hora, avy amin’ny fokon’i Joda,
3
ary nofenoiko ny Fanahiko mba ho tena kinga sy marani-tsaina ka mahalala ny haitao isan-karazany:
4
hainy ny manao vinavinan’asa, ny miasa volamena sy volafotsy ary halimo,
5
ny mandidy ny vatosoa sy mandrafitra azy, ny manao sokitra ny hazo, izany hoe hainy atao ny asa kanto samihafa.
6
Ary indro nomeko ho lefiny i Ôhôliaba, zanakalahin’i Ahisamàka, avy amin’ny fokon’i Dana, sady efa nomeko ny fahakingana lehibe izay an’ireo mpahay taozavatra hafa koa. Izy ireo no hiaraka hanatanteraka izay rehetra nandidiako anao hatao:
7
dia ny Tranolay fihaonana, ny Vatamasina misy ny raki-tsoratry ny fanekempihavanana, ny saron’ny Vatamasina, ny fitaovana rehetra momba ny tranolay masina,
8
ny latabatra voatokana, ny fitoeran-jiro volamena madio sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny alitara fandoroana vovo-javamanitra,
9
ny alitara fanaovana sorona sy ny fitaovana rehetra miaraka aminy, ny tavy fidiovana sy ny faladiany,
10
ny lamba fandrakofana ny fanaka, ny fanamiana voatokana hiakanjoan’i Aharôna sy ny zanany lahy eo am-panaovana ny raharahany,
11
ny ilomasina fampiasa amin’ny fanokanana, ary ny vovo-javamanitra voatokana ho an’ny Toeramasina. Hanaraka tanteraka ny torolalana izay nandidiako anao ny mpahay taozavatra amin’ny fanaovana ireo rehetra ireo.
12
Niteny tamin’i Mosesy ny TOMPO,
13
mba hamepetra ny Israelita hoe: –Tsy maintsy hajainareo mihitsy ny andro sabata, satria ny sabata no mariky ny fifandraisako aminareo isaky ny taranaka mifandimby, ka hiekena fa Izaho no TOMPO Izay nifidy anareo ho vahoakako.
14
Koa manajà ny sabata, fa andro voatokana aminareo izany. Fa izay tsy manaja ny andro sabata fa manao raharaha amin’io andro io dia hoesorina tsy ho anisan’ny firenena israelita ary hovonoina ho faty mihitsy.
15
Misy andro enina hiasana isan-kerinandro, fa ny andro fahafito dia sabata, andro fitsaharana voatokana ho Ahy TOMPO. Koa izay olona rehetra miasa amin’ny andro sabata dia hovonoina ho faty.
16
Tsy maintsy hajain’ny Israelita isaky ny taranaka mifandimby ny sabata satria fanekempihavanana raikitra izany.
17
Io andro io hatrany hatrany no ho mariky ny fifandraisana amiko sy amin’ny Israelita; enina andro manko no namoronako ny lanitra sy ny tany, fa tamin’ny andro fahafito dia nitsahatra Aho ary niala sasatra.
18
Rehefa vitan’Andriamanitra ny resaka nataony tamin’i Mosesy tao an-tendrombohitra Sinay, dia nomeny an’i Mosesy ny vatofisaka misy ny lalàna izay nosoratan’ny rantsan-tanan’Andriamanitra.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40