bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 10
Matthew 10
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
1
Dia nantsoin’i Jesoa ny mpianany 12 lahy ka nomeny fahefana handroaka fanahy maloto sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra.
2
Ary izao avy no anaran’ny apôstôly 12 lahy: voalohany i Simôna izay atao hoe Petera, dia i Andrea rahalahiny, i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy zanak’i Zebedeo,
3
i Filipo, i Bartôlômeo, i Tôma, i Matio ilay mpamory hetra, i Jakôba zanak’i Halfeo, i Tadeo,
4
i Simôna Kananeanina ary i Jodasy Iskariôta ilay nanolotra an’i Jesoa.
5
Izy 12 lahy ireo dia nirahin’i Jesoa sady nohafatrafarany hoe: –Aza mandeha any amin’ny faritra onenan’ny hafa firenena ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina;
6
fa aleo manatona ny ondry very, dia ny vahoaka Israely.
7
Ary rehefa mandeha ianareo, dia manaova antso avo hoe: «Efa tonga ny Fanjakàn’ny lanitra!»
8
Sitrano ny marary, atsangano ho velona ny maty, diovy ny marary hoditra, roahy ny demony; nahazo maimaimpoana ianareo, koa manomeza maimaimpoana.
9
Aza mitady vola hatao am-paosy, na volamena izany na volafotsy na varahina;
10
aza mitondra kitapom-batsy ho amin’ny dia, na akanjo hisoloana, na kapa, na tehina; fa ny mpiasa dia mendrika homena izay hivelomany.
11
Raha misy tanàna lehibe na tanàna kely idiranareo, dia fotory izay olona mendrika handray anareo; ka mitoera ao aminy mandra-piàlanareo ny tanàna.
12
Vao miditra ny trano ianareo dia miarahabà hoe: «Ho ao aminareo anie ny fiadanana!»
13
Koa raha mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka ho tonga aminy tokoa ny fiadanana rarînareo; fa raha tsy mandray anareo ny ao an-trano, dia aoka hiverina aminareo ny fiadanana rarînareo.
14
Ary izay trano na tanàna tsy handraisan’ny olona anareo na tsy hihainoany teny anareo, dia ialao; ka ahintsano eo ny vovoka avy amin’ny tongotrareo.
15
Lazaiko marina aminareo fa amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma sy i Gômôra noho ny hihatra amin’izany tanàna izany!
16
–Indro Aho maniraka anareo ho tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia. Noho izany, aoka ho malina tahaka ny bibilava ianareo, ary aoka ho tsotra tahaka ny voromahailala.
17
Mitandrema, fa hatolotry ny olona amin’ny mpitsara isan-tanàna ianareo sady hokapohiny any amin’ny sinagôgany;
18
ary hoentina eo anoloan’ny mpifehy sy ny mpanjaka noho ny maha mpianatro anareo, mba hijoroanareo ho vavolombelona manambara Ahy eo anatrehan’ny Jiosy sy ny hafa firenena.
19
Fa raha atolotry ny olona ianareo, aza manahy izay fomba hitenenanareo na izay teny holazainareo, satria homena anareo eo no ho eo ihany izay teny holazainareo.
20
Tsy teny avy aminareo no holazainareo fa teny avy amin’ny Fanahy Masina irahin’ilay Rainareo.
21
Hisy olona hanolotra ny iray tampo aminy hovonoina; hisy raim-pianakaviana hanolotra ny zanany hovonoina; ary hisy zanaka hanohitra ray aman-dreny ka hampanameloka azy ho faty.
22
Ho halan’ny olona rehetra ianareo satria miandany amiko; fa izay haharitra hatramin’ny farany dia ho voavonjy.
23
Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny tanàna hafa; eny, lazaiko marina aminareo fa tsy ho tapitra voatetinareo akory ny tanàna eto Israely, dia ho avy ny Zanak’olona.
24
Mpianatra tsy mihoatra ny mpampianatra azy; mpanompo tsy mihoatra ny tompony.
25
Ampy ho an’ny mpianatra ny tonga tahaka ny mpampianatra azy, ary ho an’ny mpanompo ny tonga tahaka ny tompony. Koa raha ny loham-pianakaviana aza nisy nanao hoe Belzeboba, mainka fa ny fianakaviany.
26
–Koa aza matahotra ny olombelona ianareo. Fa tsy misy afenina izay tsy haseho na takona izay tsy ho fantatra.
27
Izay lazaiko aminareo ao amin’ny maizina dia ambarao eny amin’ny mazava; ary izay ren’ny sofinareo dia antsoantsoy eny an-tampon-trano.
28
Ary aza matahotra ireo mamono mahafaty ny vatana, nefa tsy mahay mamono mahafaty ny fanahy; fa aleo matahotra an’Andriamanitra Izay mahay mahavery ny fanahy amam-batana any amin’ny lohasahan’afo.
29
Tsy ampaharoapolon’ny denàry monja ve no vidin’ny fody roa? Kanefa tsy hisy latsaka amin’ny tany izy ireny na iray aza, raha tsy lahatry ny Rainareo.
30
Na ny volon-dohanareo aza dia fantatr’Andriamanitra ny isany.
31
Koa aza matahotra, fa sarobidy noho ny fody maro ianareo!
32
–Noho izany, na zovy na zovy manaiky ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia hanaiky ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.
33
Fa na zovy na zovy mandà tsy ho mpiandany amiko eo anatrehan’ny olona, Izaho koa dia handà tsy ho mpiandany aminy eo anatrehan’ny Raiko Izay any an-danitra.
34
–Aza heverinareo fa tonga eto an-tany Aho hampihavana; tsy tonga hampihavana Aho, fa hampiady.
35
Eny, tonga Aho hampisaraka ny zanaka lahy amin’ny rainy, sy ny zanaka vavy amin’ny reniny, ary ny vinantovavy amin’ny rafozambaviny;
36
koa ny ankohonan’ny olona ihany no ho fahavalony.
37
Izay tia ny rainy na ny reniny mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy; ary izay tia ny zanany lahy na ny zanany vavy mihoatra noho ny fitiavany Ahy dia tsy mendrika Ahy.
38
Ary izay tsy mitondra ny hazofijaliany ka tsy miaraka amiko dia tsy mendrika Ahy.
39
Izay mamonjy ny ainy no hahavery azy, fa izay mahafoy ny ainy noho ny fitiavana Ahy no hahavonjy azy.
40
–Izay mandray anareo dia mandray Ahy; ary izay mandray Ahy dia mandray Ilay naniraka Ahy.
41
Izay mandray mpaminanin ’Andriamanitra noho izy mpaminanin’Andriamanitra dia hahazo valisoana mpaminanin’Andriamanitra; ary izay mandray olo-marina noho izy olo-marina dia hahazo valisoan’olo-marina;
42
ary lazaiko marina aminareo fa na iza na iza hanome rano mangatsiaka, na eran’ny kaopy ihany aza, hosotroin’ny anankiray amin’ireo mpianatro madinika ireo noho izy mpianatro, dia tsy ho diso valisoa.
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28