bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 11
Matthew 11
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
1
Nony vitan’i Jesoa ny hafatrafatra ho an’ireo mpianany 12 lahy, dia niala teo Izy hampianatra sy hitoriteny any amin’ny tanànan-dry zareo Jiosy.
2
Ren’i Jôhany Mpanao batisa tao am-ponja ny asa nataon’i Jesoa, ka nisy nirahin’i Jôhany ny mpianany
3
hanontany azy hoe: –Ianao ve no Ilay ho avy sa olon-kafa no mbola tokony handrasanay?
4
Dia hoy i Jesoa namaly ireto iraka: –Ndeha ambarao an’i Jôhany ny zavatra hitanareo sy renareo:
5
mahiratra ny jamba, mandeha tsara ny mandringa, madio ny marary hoditra, mandre ny marenina, atsangana ho velona ny maty, itoriana ny Vaovao Mahafaly ny mahantra.
6
Koa sambatra izay tsy voasakana hino Ahy!
7
Nony lasa ireto iraka, dia niteny momba an’i Jôhany tamin’ny vahoaka i Jesoa nanao hoe: –Hizaha inona no nalehanareo tany an-taniefitra? Volotara hetsiketsehin-drivotra ve? Tsia!
8
Fa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Olona marevaka fitafiana ve? Izay marevaka fitafiana dia any amin’ny lapan’ny mpanjaka!
9
Koa hizaha inona àry no nalehanareo tany? Mpaminany ve? Izany tokoa, hoy Aho aminareo, ary mihoatra noho ny mpaminany aza.
10
Fa i Jôhany no ilay voalazan’ny Soratra Masina hoe: «Indro alefako hialoha Anao ny irako, hoy Andriamanitra, mba hamboatra ny lalan-kalehanao!»
11
–Tsy mbola nisy lehibe noho i Jôhany tamin’ny olombelona rehetra; kanefa lazaiko marina aminareo fa izay kely indrindra ao amin’ny Fanjakàn’ny lanitra dia lehibe noho izy.
12
Hatramin’ny andro nitorian’i Jôhany Mpanao batisa no mankatỳ, ny Fanjakàn’ny lanitra dia toherina amin’ny alalan’ny herisetra ka ny mpanao herisetra no mitady handrombaka azy.
13
Eny, ny mpaminany rehetra sy ny lalànan ’i Mosesy ka miafara amin’ny andron’i Jôhany dia nanambara mialoha ny Fanjakàn’ny lanitra.
14
Ary raha mety mandray ianareo, dia i Jôhany no Elià voalaza fa ho avy.
15
Izay manan-tsofina hihainoana, aoka hihaino!
16
Iza no hanoharako ny olona ankehitriny? Tahaka ny ankizy mipetra-potsiny eny an-kianja ka omen’ny namany tsiny hoe:
17
«Ianareo itsofany sodina, tsy mandihy; ianareo anaovanay hira fisaonana, tsy mitomany!»
18
Fa tonga i Jôhany Mpanao batisa, tsy mihinana sady tsy misotro, nefa lazaina hoe: «Ondranondranana!»
19
Tonga indray ny Zanak’olona, mihinana sy misotro, nefa lazaina hoe: «Olona tendan-kanina sy mpiboboka divay, sakaizan’ny mpamory hetra sy ny mpanota!» Andriamanitra kosa, araka ny fahendreny, dia asehon’ny asany ho marina.
20
Tamin’izay i Jesoa dia niteny mafy ireo tanàna nahavitana ny ankamaroan’ny asa mahagaga nataony, satria tsy niala tamin’ny toetra ratsiny ireo mponina ao aminy; ka hoy i Jesoa:
21
–Mampalahelo ianao, ry Kôrazìna! Mampalahelo ianao, ry Betsaidà! Raha i Tiro sy i Sidôna no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminareo, dia efa ela ireo no nitafy lamba fisaonana ary nihosin-davenona hanambaràny fa nialany ny toetra ratsiny.
22
Ka hoy Aho aminareo hoe: amin’ny andro fitsarana, dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Tiro sy i Sidôna noho ny hihatra amin’i Kôrazìna sy i Betsaidà!
23
Ary ianao, ry Kafarnahòma, heverinao ve fa hasandratra hatrany an-danitra ianao? Tsia, haetry hatrany amin’ny toeran’ny maty ianao! Raha i Sôdôma manko no nahavitana ireo asa mahagaga natao teo aminao, dia ho naharitra mandraka androany izany tanàna izany.
24
Ka hoy Aho aminareo hoe: amin’ny andro fitsarana dia ho azoazo kokoa ny sazy hihatra amin’i Sôdôma noho ny hihatra amin’i Kafarnahòma!
25
Tamin’izay fotoana izay dia niteny i Jesoa nanao hoe: –Ray ô, Tompon’ny tany aman-danitra Ianao, ka misaotra Anao Aho fa ireo zavatra nafeninao tamin’ny hendry sy ny manan-tsaina dia nasehonao tamin’ny madinika.
26
Eny, Ray ô, izany tokoa no sitrakao!
27
Efa natolotry ny Raiko ho Ahy ny zavatra rehetra; ary tsy misy olona mahalala tsara ny Zanaka afa-tsy ny Ray, na mahalala tsara ny Ray afa-tsy ny Zanaka mbamin’izay tian’ny Zanaka hanehoana azy!
28
Mankanesa atỳ amiko ianareo rehetra torovana sy vesaran’ny lalàna, fa Izaho no hanome fialan-tsasatra anareo.
29
Raiso ny fampianarako ary mianara amiko fa malemy fanahy sady tsy miavona am-po Aho; ary dia hahita fialan-tsasatra ao anatinareo ianareo.
30
Eny, mora raisina ny fampianarako ary mora arahina ny lalànako.
← Chapter 10
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 12 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28