bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 3
Matthew 3
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
1
Tamin’izany vaninandro izany, dia niseho tany an-taniefitr’i Jodea i Jôhany Mpanao batisa, ary nanao antso avo hoe:
2
–Ialao ny toe-dratsy fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra!
3
Izy no ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe: «Injany misy feon’olona miantso mafy ao an-taniefitra hoe: Amboary ny lalan’ny Tompo; ahitsio ny hizorany!»
4
Akanjo volon-drameva ary fehikibo hoditra no fanaovan’i Jôhany; valala sy tantely remby no sakafony.
5
Tamin’izay dia nirohotra nankany amin’i Jôhany ny olona avy any Jerosalema sy avy any Jodea lafy valo mbamin’ny faritany rehetra amoron’ny ony Jôrdàna;
6
ary niaiky heloka izy ireo ka dia nataon’i Jôhany batisa tao Jôrdàna.
7
Rehefa hitan’i Jôhany ny Farisianina sy ny Tsadoseanina maro nanatona azy mba hataony batisa, dia nilazany hoe: –Ry tarana-menarana, iza no nanoro hevitra anareo mba handositra tsy ho tratra amin’ny hatezeran’Andriamanitra izay efa antomotra.
8
Asehoy amin’ny fitondrantena mendrika fa nialanareo tokoa ny toe-dratsinareo.
9
Ary aza mihambo anakampo hoe: manana an’i Abrahama ho razambenay izahay! Satria lazaiko aminareo fa hain’Andriamanitra atao ny manangana zanaka ho an’i Abrahama avy amin’ireto vato ireto.
10
Indro efa eo am-poto-kazo ny famaky: ka ny hazo rehetra tsy mamoa voa tsara dia hokapaina ary hatsipy ao anaty afo.
11
Hoy koa i Jôhany: –Ny ahy, ao amin’ny rano no anaovako batisa anareo ho mariky ny fialana amin’ny toetra ratsy. Fa Ilay tamy aoriako dia mahery noho izaho ary tsy mendrika hivimbina ny kapany akory aho; ny Azy dia ao amin’ny Fanahy Masina sy afo no hanaovany batisa anareo.
12
Efa eny an-tanany ny fikororohana ary hodioviny tanteraka ny vary eo am-pamoloana; ka ny vary moa hangoniny an-tsompitra, fa ny mololo kosa hodorany amin’ny afo tsy mitsaha-mirehitra.
13
Tamin’izay dia niseho i Jesoa; avy any Galilea Izy no nanatona an’i Jôhany teo amoron’i Jôrdàna mba hataony batisa.
14
Nandà mafy i Jôhany ka nanao hoe: –Izaho no tokony hataonao batisa, ka Ianao indray ve no mankatỳ amiko?
15
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Ekeo ihany aloha, fa izany no tsy maintsy anatontosantsika ny zavatra rehetra voasoritr’Andriamanitra. Izay vao nanaiky i Jôhany.
16
Nony vita batisa i Jesoa, dia niala avy hatrany tao anaty rano. Ary indro nisokatra tamin’i Jesoa ny lanitra ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra nidina tahaka ny voromahailala nankeo amboniny.
17
Dia injany nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako!
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28