bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 2
Matthew 2
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 3 →
1
Rehefa teraka tao Betlehema tanànan’i Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreny nisy olon-kendry mpandinika momba ny kintana niainga avy tany atsinanana ary tonga tao Jerosalema,
2
ka nanontany hoe: –Aiza moa ilay Mpanjakan’ny Jiosy vao teraka? Efa hitanay niposaka tany atsinanana manko ny kintany, koa indreto izahay tonga hiankohoka eo anatrehany.
3
Vao nandre izany i Herôda mpanjaka, dia nihorohoro izy mbamin’i Jerosalema iray vohitra.
4
Novorîny avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny mpahay lalàna teo amin’ny vahoakany, ka nanontaniany hoe: –Aiza moa no tokony hahaterahan’ny Mesia?
5
Dia hoy ireo taminy: –Ao Betlehema, tanàna any Jodea, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina tamin’ny alalan’ny mpaminany:
6
«Ary ianao, ry Betlehema, tanin’i Joda, tsy ianao tsy akory no kely indrindra amin’ireo tanàna malazan’i Jodea; fa avy aminao no hipoiran’ilay filoha izay ho mpiandry an’i Israely vahoakako.»
7
Tamin’izay dia nampiantsoin’i Herôda mangingina ireto olon-kendry ka nofotopotoriny tsara taminy ilay fotoana nisehoan’ny kintana;
8
izay vao nalefany ho any Betlehema sady nataony hoe: –Ndeha àry ka fotopotory tsara ny amin’ilay zaza; rehefa hitanareo dia ilazao aho, fa te hankany koa aho hiankohoka eo anatrehany.
9
Nony avy nandre ny tenin’ny mpanjaka ireo olon-kendry, dia niainga. Ary indro tazany indray ilay kintana hitany fony niposaka, hany ka faly dia faly aoka izany ry zareo. Nialoha lalana azy ireo hatrany ilay kintana ary tsy nijanona raha tsy efa teo ambonin’ny toerana nisy ny zaza.
11
Niditra tao an-trano ireo olon-kendry ka nahita ny zaza teny amin’i Maria reniny ary niankohoka teo anatrehan’ilay zaza ho fanajana azy. Rehefa izany, nanokatra ny vata fasiany rakitra ireto mpamangy ary nanolotra fanatitra ho azy: dia volamena sy ditin-kazo manitra ary miora.
12
Ary notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, ka dia lalan-kafa no nizorany hody any amin’ny tany fonenany.
13
Rehefa lasa nody ireo olon-kendry, dia nisehoan’ anjelin ’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa ka nilazany hoe: –Mifohaza ianao, ka ento mandositra any Ejipta ny zazakely sy ny reniny; ary mitoera any ambara-pilazako aminao indray. Fa efa hotadiavin’i Herôda ny zazakely mba hamonoany azy.
14
Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny nankany Ejipta dieny mbola alina.
15
Ary nitoetra tany i Jôsefa telo mianaka ambara-pahafatin’i Herôda; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Avy any Ejipta no niantsoako ny zanako!»
16
Tamin’izay dia tsinjon’i Herôda fa voafitak’ireo olon-kendry izy ka tena vinitra. Ary naniraka olona izy hamono tsy an-kanavaka ny zazalahikely tao Betlehema sy ny manodidina rehetra, hatramin’ny roa taona no ho midina, araka ilay fotoana nofotopotoriny tsara tamin’ireo olon-kendry.
17
Tamin’izay no tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany hoe:
18
«Injay nisy fitomaniana sy dradradradra tsy anerany heno tao Ramà: I Rahely no nitomany ny zanany, ka tsy nety nampiononina satria tsy eo intsony ireny!»
19
Rehefa maty kosa i Herôda, dia nisehoan’ anjelin ’ny Tompo tamin’ny nofy i Jôsefa raha tany Ejipta ka nilazany hoe:
20
–Mifohaza ianao, ka ento mody any amin’ny tanin’i Israely ny zazakely sy ny reniny, fa efa maty ireo nitady ny ain’ny zaza.
21
Dia nifoha i Jôsefa ka nitondra ny zazakely sy ny reniny niverina tany amin’ny tanin’i Israely.
22
Nony ren’i Jôsefa kosa fa i Arkelaosy no nanjaka tany Jodea nandimby an’i Herôda rainy, dia natahotra ny hankany izy. Notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy indray anefa izy ka lasa nankany amin’ny faritany Galilea.
23
Ary nony tonga tany izy telo mianaka, dia niorim-ponenana tao amin’ny tanàna atao hoe Nazareta; koa tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’ny mpaminany hoe: «Hantsoina hoe Nazareanina Izy!»
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28