bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 20
Matthew 20
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
1
Fa ny Fanjakàn’ny lanitra dia tahaka ny amin’ity lehilahy anankiray tompona tanimboaloboka. Niainga vao maraina be ralehilahy hanakarama mpiasa ho any an-tanimboalobony.
2
Ka rehefa nifanekeny denàry anankiray avy isan’andro ireo mpiasa, dia nirahiny hiasa any an-tanimboalobony.
3
Niainga indray izy tamin’ny sivy maraina ka nahita mpiasa hafa nidonana-poana teo an-kianja
4
ary niteny taminy hoe: «Ndeha koa ianareo miasa any an-tanimboaloboko fa homeko izay karama ara-drariny.» Dia nankany ireo.
5
Niainga koa izy tamin’ny 12 antoandro sy tamin’ny telo tolakandro, ary dia nanao toy izany.
6
Niainga farany izy tamin’ny dimy hariva ka mbola nahita mpiasa hafa nidonana-poana ary nanontany azy hoe: «Nahoana ianareo no midonana-poana eto mandritra ny andro tontolo?»
7
Fa hoy ireo taminy: «Satria tsy nisy nanakarama anay!» Dia hoy ralehilahy taminy: «Ndeha koa ianareo miasa any amin’ny tanimboaloboko.»
8
–Nony hariva ny andro, dia hoy ny tompon’ilay tanimboaloboka tamin’ny mpitandrim-pananany hoe: «Antsoy ny mpiasa ary aloavy ny karamany, ka aseseo avy amin’ireo nilatsaka farany ka hatramin’ireo nilatsaka voalohany.»
9
Dia tonga ireo nilatsaka tamin’ny dimy hariva ka nandray denàry anankiray avy.
10
Tonga kosa ireo nilatsaka voalohany ary nanampo handray bebe kokoa, kanjo denàry anankiray avy ihany koa no voarainy.
11
Teo am-pandraisana izany, dia nimonomonona tamin’ny tompon’ilay tanimboaloboka ireto mpiasa ireto
12
nanao hoe: «Ireo nilatsaka farany ireo dia ora iray monja no niasany, kanefa nampitovînao karama aminay nisasatra nandritra ny andro sady niaritra ny hafanana.»
13
Dia novalian’ilay tompon’ny tanimboaloboka ny anankiray tamin’ireo ka nilazany hoe: «Ry sakaiza, tsy manao zavatra tsy an-drariny aminao aho. Moa tsy denàry anankiray ve no nifanekenao tamiko?
14
Raiso ny anao, dia mandehana; fa ilay nilatsaka farany dia tiako homena toraka ny anao koa.
15
Tsy azoko anaovana izay tiako ve ny fananako? Sa mialona ianao satria mazava fo aho?»
16
Dia nofaranan’i Jesoa hoe: –Dia toy izany, ny farany ho voalohany ary ny voalohany ho farany!
17
Tamin’i Jesoa niakatra ho any Jerosalema dia nalainy nitokana ny mpianatra 12 lahy ka teny am-pandehanana no nilazany hoe:
18
–Indro miakatra ho any Jerosalema isika. Ary ny Zanak’olona dia hatolotra an’ireo lohandoha-mpisorona sy mpahay lalàna ka hohelohiny ho faty;
19
ry zareo kosa hanolotra Azy amin’ny hafa firenena mba hoesoiny sy hokapohiny ary hohomboany amin’ny hazofijaliana. Kanefa hitsangana velona Izy amin’ny andro fahatelo.
20
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa ny vadin’i Zebedeo mbamin’ireo zanany lahy. Sady niankohoka nanoloana Azy ravehivavy no nangata-javatra taminy.
21
Ka hoy i Jesoa tamin-dravehivavy: –Inona no irînao? Dia novaliany hoe: –Omeo teny ireto zanako roa lahy ireto fa hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, rehefa tonga mpanjaka Ianao.
22
Fa hoy i Jesoa: –Tsy fantatrareo mirahalahy izay angatahinareo; vitanareo ve ny hiaritra fijaliana tahaka ny hiaretako? Dia novalian’izy mirahalahy hoe: –Vitanay!
23
Ary hoy i Jesoa tamin’izy roa lahy: –Ny fijaliana hiaretako, dia hiaretanareo tokoa; fa izany hoe hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako izany kosa dia tsy miankina amiko, fa ho an’izay nanomanan’ny Raiko azy!
24
Nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’i Jakôba sy i Jôhany.
25
Fa nantsoin’i Jesoa izy rehetra ka nilazany hoe: –Fantatrareo fa, eo amin’ny hafa firenena, ny filoha dia manjakazaka; ary ny lehibe dia manampatra fahefana.
26
Tsy mba toy izany kosa eo aminareo; fa na iza na iza te ho lehibe eo aminareo dia ho mpanomponareo;
27
ary na iza na iza te ho voalohany eo aminareo dia ho mpiasanareo.
28
Dia tahaka ny Zanak’olona izany: tsy hotompoina manko no nahatongavany fa hanompo ary hanolotra ny ainy ho fanavotana ny besinimaro!
29
Nony niala tao Jerikao i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nisy vahoaka betsaka nanaraka an’i Jesoa.
30
Ary indreo nisy jamba roa lahy nipetraka teo amoron-dalana. Reny fa hoe i Jesoa no nandalo, ka niantsoantso mafy izy roa lahy nanao hoe: –Ry Tompo, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!
31
Norahonan’ny vahoaka izy roa lahy hangina, kanefa vao mainka koa niantsoantso mafy hoe: –Ry Tompo, Zanak’i Davida ô, mamindrà fo aminay!
32
Dia nijanona i Jesoa sady niantso azy roa lahy ka nanao hoe: –Inona no tianareo hataoko aminareo?
33
Ary hoy ireo taminy: –Tompo ô, ny mba hampahiratra ny masonay!
34
Onena i Jesoa ary nikasika ny mason’ireto jamba. Dia nahiratra niaraka tamin’izay izy roa lahy, ka lasa nanaraka an’i Jesoa.
← Chapter 19
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 21 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28