bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 14
Matthew 14
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
1
Tamin’izany andro izany, dia ren’i Herôda mpanjaka ny lazan’i Jesoa,
2
ary hoy izy tamin’ny mpanompony: –I Jôhany Mpanao batisa izay: efa maty izy no velona indray, ka izany no ananany hery ahavitany asa mahagaga.
3
I Herôda manko no nampisambotra an’i Jôhany ary nampigadra azy sy nampanao azy am-ponja; ny amin’i Herôdiada, vadin’i Filipo rahalahin’i Herôda, no antony.
4
Fa hoy i Jôhany tamin’i Herôda: –Tsy azonao atao ny manambady an’i Herôdiada!
5
Dia nifofo ny ain’i Jôhany i Herôda, saingy natahotra ny vahoaka jiosy, satria noheverin-dry zareo ho mpaminanin ’Andriamanitra i Jôhany.
6
Nony tonga anefa ny fitsingerenan’ny andro nahaterahan’i Herôda, dia nandihy teo anatrehan’ny olona nasaina ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda.
7
Noho izany, dia niozonozona mihitsy ity mpanjaka fa hanome an-drazazavavy ny zavatra hangatahiny na inona na inona.
8
Rehefa nomen-dreniny hevitra razazavavy, dia niteny hoe: –Omeo ahy etoana an-dovia ny lohan’i Jôhany Mpanao batisa!
9
Nalahelo ny mpanjaka; saingy noho izy niozonozona teo anatrehan’ny olona niara-nisakafo taminy, dia nasainy homena an-drazazavavy izany.
10
Ary naniraka olona i Herôda hanapa-doha an’i Jôhany tany am-ponja.
11
Dia nentina an-dovia ny lohan’i Jôhany; ka nomena an-drazazavavy, ary nentina tany amin-dreniny.
12
Tonga kosa ny mpianatr ’i Jôhany, ka naka ny faty sy nandevina azy, ary lasa nilaza tamin’i Jesoa ny zava-nitranga.
13
Nony nahare izany i Jesoa, dia niala teo ka niondrana an-tsambokely mba hitokana any an-taniefitra. Vao nandre ny foto-dian’i Jesoa ny vahoaka, dia niainga avy amin’ny tanàna samihafa ka nizotra ny moron-drano nanaraka Azy.
14
Rehefa nidina avy ao an-tsambokely i Jesoa, dia nahita vahoaka marobe, ka onena azy ka nanasitrana ny marary teo aminy.
15
Nony hariva ny andro, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany ka nanao hoe: –Taniefitra ity toerana ity ary ny andro efa hariva; koa ravao ny vahoaka mba hamonjy tanàna hividy sakafo.
16
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Tsy tokony handeha izy; ianareo no aoka hanome hanina azy.
17
Dia hoy ny mpianatra taminy: –Tsy misy afa-tsy mofo dimy sy trondro anankiroa atỳ aminay.
18
Ary hoy i Jesoa: –Ento atỳ amiko izany.
19
Dia nasain’i Jesoa nipetraka teny amin’ny ahitra ny vahoaka. Noraisin’i Jesoa tamin’izay ny mofo dimy sy ny trondro anankiroa; ary rehefa niandrandra ny lanitra ka nisaotra an’Andriamanitra Izy, dia nanapaka ny mofo sy nanome azy ny mpianatra; ny mpianatra kosa nandroso izany tamin’ny vahoaka.
20
Dia samy nihinana avokoa izy rehetra ka voky. Ary nentin’ireo mpianatra ny tapa-mofo aman-trondro ambiny ka nahafeno sobika 12.
21
Nefa dia tokony ho dimy arivo ny vatan-dehilahy nihinana teo, afa-tsy ny zaza amam-behivavy.
22
Vetivety foana taorian’izay, dia noteren’i Jesoa hiditra tao an-tsambokely ireo mpianatra ary nasainy hialoha Azy eny ampita; fa Izy mbola handefa ny vahoaka hody.
23
Rehefa avy nandefa ny vahoaka i Jesoa, dia niakatra tany an-tendrombohitra mba hitokana hivavaka. Nony maizina ny andro, dia i Jesoa irery sisa teo.
24
Ny sambokely tamin’izay dia efa kilaometatra vitsivitsy avy eny amorona ary natopatopan’ny alon-drano, satria notohain’ny rivotra.
25
Ary tamin’ny maraina efa naneno akoho, dia lasa nanatona ny mpianany i Jesoa, nandeha teny ambony rano.
26
Kanjo nahatazana an’i Jesoa nandeha teny ambony rano ireo mpianatra ka raiki-tahotra sady nanao hoe: –Matoatoa io! Niantsoantso mafy ny mpianatra noho ny tahotra.
27
Avy hatrany anefa dia niteny i Jesoa nanao taminy hoe: –Mahereza, fa Izaho ity; aoka izay ny tahotra!
28
Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Tompo ô, raha Ianao tokoa, dia asaovy mankeny aminao eny ambony rano aho.
29
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Avia! Ary niala tao an-tsambokely i Petera ka nandeha teny ambony rano hankeny amin’i Jesoa.
30
Kanjo nony hitan’i Petera fa nahery ny rivotra, dia natahotra izy; ary raha nanomboka nilentika izy, dia niantsoantso mafy hoe: –Tompo ô, vonjeo aho!
31
Avy hatrany i Jesoa dia nanatsotra tanana ka nandray an’i Petera ary nanao taminy hoe: –Ry kely finoana, nahoana no nisalasala ianao?
32
Ary rehefa tafakatra tao an-tsambokely i Jesoa sy i Petera, dia nitsahatra ny rivotra.
33
Ry zareo tao an-tsambokely kosa niankohoka teo anatrehan’i Jesoa sady niteny hoe: –Tena Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao!
34
Nony tafita ny rano i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia tonga teo amin’ny faritanin’i Genesareta.
35
Nahafantatra an’i Jesoa ny tompon-tany tao, ka nandefa iraka teny amin’ny tany rehetra manodidina hilaza ny fahatongavany; ary dia nentin’ny olona teo amin’i Jesoa ny marary rehetra.
36
Niangavian’ny olona Izy mba hamela ny marary hikasika na dia ny somotraviavin-dambany ihany aza; ary izay rehetra nikasika dia sitrana avokoa.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28