bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 26
Matthew 26
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 27 →
1
Rehefa vitan’i Jesoa avokoa ireo fampianarana ireo, dia izao no teniny tamin’ny mpianany:
2
–Fantatrareo fa indroa andro sisa tsy hahatongavan’ny fankalazana ny Paska; ary ny Zanak’olona dia hatolotra hohomboana amin’ny hazofijaliana.
3
Tamin’izay ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon ’ny vahoaka jiosy dia nivory tao amin’ny lapan’ny mpisorombe atao hoe Kaiafa.
4
Ary niara-nioko izy rehetra hisambotra an’i Jesoa am-pitaka sy hamono Azy.
5
Nefa hoy ry zareo hoe: –Aoka tsy ho amin’ny andro fankalazana, mba tsy hampitabataba ny vahoaka!
6
Tany Betania i Jesoa tamin’izay ary tao an-tranon’i Simôna mpivaro-bakoly.
7
Raha mbola teo am-pisakafoana i Jesoa, dia nisy vehivavy anankiray nitondra tavoahangy alabasitra feno ilomanitra sarobidy; ary naidin-dravehivavy tamin’ny lohan’i Jesoa ny ilomanitra.
8
Tezitra ireo mpianatra nony nahita izany ka nanao hoe: –Nahoana re iny no dia lanîna foana tahaka izao?
9
Azo namidy lafo be iny ilomanitra iny ka omena ny mahantra ny vidiny.
10
Tsikaritr’i Jesoa izany ka hoy Izy tamin’ny mpianany: –Nahoana no anaovanareo izay mampalahelo an-dravehivavy? Eny, asa soa iny nataony tamiko iny.
11
Ny mahantra dia misy eto aminareo mandrakariva; fa Izaho kosa tsy mba eto aminareo mandrakariva.
12
Naidin’ity vehivavy ity tamin’ny tenako iny ilomanitra iny, ary mba hamboarany Ahy halevina no nanaovany an’izany dieny mialoha.
13
Lazaiko marina aminareo fa na aiza na aiza eran’izao tontolo izao hanambaràna ity Vaovao Mahafaly ity dia holazaina koa izao nataon’ity vehivavy ity izao mba ho fahatsiarovana azy.
14
Tamin’izay ny anankiray tamin’ny mpianatra 12 lahy, ilay atao hoe Jodasy Iskariôta, dia nankany amin’ny lohandoha-mpisorona
15
ka nanao taminy hoe: –Homenareo hoatrinona aho hanolorako anareo an’i Jesoa? Dia nanisa sekela volafotsy telopolo homena an’i Jodasy ry zareo.
16
Ary nanomboka hatreo no nitadiavan’i Jodasy izay fotoana tsara hanolorany an’i Jesoa.
17
Tamin’ny andro voalohany natao hihinanana ny azima, dia nanatona an’i Jesoa ny mpianany hanontany Azy hoe: –Aiza no tianao hanomananay ho anao ny sakafo Paska?
18
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Mandehana mankany an-tanàna ao amin-dranona ka lazao aminy hoe: «Izao no tenin’ny Mpampianatra: Efa tonga ny fotoanandroko; ka ato aminao no hanaovako ny sakafo Paska miaraka amin’ny mpianatro.»
19
Dia nanao araka izany nasain’i Jesoa nataony izany ireo mpianatra, ka nanomana ny sakafo Paska.
20
Nony hariva ny andro, dia nipetraka hihinana i Jesoa mbamin’ny 12 lahy.
21
Raha teo am-pisakafoana izy rehetra, dia hoy i Jesoa: –Lazaiko marina aminareo fa hanolotra Ahy ny anankiray aminareo!
22
Nalahelo mafy ireto mpianatra, ka samy niteny tamin’i Jesoa hoe: –Tsy izaho manko izany, Tompoko!
23
Fa hoy i Jesoa: –Ilay niara-nanatsoboka mofo tamiko tao anaty lovia, izy no hanolotra Ahy.
24
Ny Zanak’olona dia efa akaikin’ny ho faty, araka ny voalazan’ny Soratra Masina momba Azy, kanefa mampalahelo ilay olona hanolotra ny Zanak’olona! Tsara raha tsy ary izany olona izany!
25
Dia mba niteny koa i Jodasy, ilay efa hanolotra an’i Jesoa, ary nanao hoe: –Tsy izaho izany, ry Mpampianatra! Dia hoy i Jesoa taminy: –Anao izany teny izany!
26
Raha mbola teo am-pisakafoana ry i Jesoa sy ny mpianany, dia nandray mofo i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia notapatapahiny sy nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Raiso ary hano fa ny tenako ity.
27
Avy eo nandray kalisy i Jesoa; ary nisaorany an’Andriamanitra izany, dia nomeny ny mpianany ka nataony hoe: –Isotroinareo rehetra
28
fa ny rako ity, dia ilay ra anorenan’Andriamanitra ny fanekempihavanany sady alatsaka ho an’ny besinimaro ho famelan-keloka.
29
Lazaiko aminareo fa tsy hisotro divay intsony aho mandra-pahatongan’ilay andro hisotroako ny divay vaovao miaraka aminareo any amin’ny Fanjakan’ny Raiko.
30
Ary rehefa avy nihira ny salamo fiderana i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia lasa nankany amin’ny tendrombohitra Analanôliva.
31
Tamin’izay dia hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Anio alina dia handao Ahy avokoa ianareo, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Hasiako ny mpiandry, dia hiparitaka ny ondry andrasana.»
32
Fa rehefa tafatsangana velona Aho, dia hialoha anareo any Galilea.
33
Dia niteny i Petera ka nanao tamin’i Jesoa hoe: –Na dia handao Anao avokoa aza ny olona rehetra, izaho kosa tsy mba handao Anao na oviana na oviana.
34
Fa hoy i Jesoa tamin’i Petera: –Lazaiko marina aminao fa anio alina alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.
35
Ary novalian’i Petera hoe: –Na dia hovonoina miaraka aminao aza aho, dia tsy handà Anao na oviana na oviana. Ary dia samy nilaza toy izany koa ny mpianatra rehetra.
36
Tamin’izay i Jesoa mbamin’ireo mpianany dia tonga tao amin’ny saha anankiray atao hoe Getsemane; ka hoy i Jesoa tamin’ny mpianany: –Mipetraha eto ianareo, fa mbola hankeroa hivavaka Aho!
37
Nentin’i Jesoa niaraka taminy kosa i Petera mbamin’izy roa lahy zanak’i Zebedeo. Dia nanomboka nozoim-pahoriana sy feno tebiteby fatratra i Jesoa,
38
ary dia niteny tamin’izy telo lahy hoe: –Ory dia ory ny fanahiko, ka hila hahafaty Ahy. Mijanòna eto ianareo ary miaraha miari-tory amiko!
39
Dia nandroso kely i Jesoa, ary niankohoka tamin’ny tany ka nivavaka hoe: –Raiko ô, raha azo atao, esory lavitra Ahy izao fijaliana izao; kanefa tsy hoe araka izay sitrapoko, fa araka izay sitraponao!
40
Dia niverina nankeo amin’ny mpianany telo lahy i Jesoa ary nahita azy natory; ka hoy Izy tamin’i Petera: –Hay tsy nahari-tory miaraka amiko adiny iray akory ianareo?
41
Miareta tory ary mivavaha mba tsy ho azon’ny fakampanahy. Marisika ihany ny fanahin’ny olona, fa ny nofo no malemy!
42
Dia nihataka fanindroany i Jesoa ary nivavaka hoe: –Raiko ô, raha tsy azo esorina izao fijaliana izao fa tsy maintsy hiaretako, dia aoka ny sitraponao no hatao!
43
Nony niverina nankeo amin’izy telo lahy indray i Jesoa, dia mbola nahita azy natory; fa efa navesatra ny masony.
44
Dia nandao azy telo lahy i Jesoa ary nihataka indray; dia nivavaka fanintelony ka ny teniny teo ihany no nataony.
45
Ary niverina Izy nankeo amin’ny mpianany telo lahy, ka nanao taminy hoe: –Mbola matory sy miala sasatra ihany ve ianareo? Indro efa akaiky ny fotoanandro, ary efa hatolotra eo am-pelatanan’ny mpanota ny Zanak’olona!
46
Mitsangàna, andao isika handeha! Indro efa akaiky ilay hanolotra Ahy!
47
Raha mbola niteny i Jesoa, dia indro tonga i Jodasy, anankiray amin’ny 12 lahy; ary olona maro nirongo sabatra sy kibay, irak’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo loholon ’ny vahoaka jiosy, no tafaraka taminy.
48
Ilay hanolotra an’i Jesoa dia efa nanome famantarana azy ireo toy izao: «Izay horohako no Izy, ka sambory.»
49
Ary nanatona an’i Jesoa avy hatrany i Jodasy, ka nanao taminy hoe: –Mpampianatra ô, ho ao aminao anie ny fiadanana! Dia nanoroka Azy i Jodasy.
50
Fa i Jesoa kosa niteny hoe: –Ry sakaiza, izany ve no alehanao eto? Tamin’izay dia nohatonin’ireo iraka i Jesoa, ary nohazoniny sady nosamboriny.
51
Indro kosa ny anankiray tamin’ireo nomba an’i Jesoa fa naninjitra tanana ka nanatsoaka sabatra, ary namely ny mpanompon’ny mpisorombe ka nahafaka ny sofiny.
52
Ary dia hoy i Jesoa tamin’io mpianany io: –Avereno amin’ny toerany ny sabatrao, fa izay rehetra mamely amin’ny sabatra dia ho fatin’ny sabatra.
53
Heverinao ve fa tsy azoko atao ny mangataka amin’ny Raiko, ary ankehitriny izao ihany Aho dia handefasany anjely marobe mihoatra noho ny andian-tafika 12?
54
Kanefa raha izany, ahoana no hahatanterahan’ny Soratra Masina izay milaza fa tsy maintsy ho tonga izao?
55
Tamin’izay fotoana izay i Jesoa dia niteny tamin’ny andian’olona nirahina hoe: –Toy ny hisambotra jiolahy izato fiavinareo mirongo sabatra sy kibay hisambotra Ahy! Isan’andro Aho dia nipetraka nampianatra teo an-kianjan’ny tempoly, kanefa tsy nosamborinareo.
56
Fa tonga kosa izany rehetra izany mba hahatanterahan’izay voalazan’ireo mpaminani n’Andriamanitra ao amin’ny Soratra Masina. Tamin’izay dia nandao an’i Jesoa ny mpianatra rehetra ka nandositra.
57
Ary izay efa nisambotra an’i Jesoa dia nitondra Azy ho any an-tranon’i Kaiafa mpisorombe, izay nivorian’ny mpahay lalàna sy ny loholona rahateo.
58
Fa i Petera kosa nanaraka an’i Jesoa teny lavidavitra teny mandra-pahatonga tao an-tokotanin’ny tranon’ny mpisorombe. Dia niditra tao an-tokotany i Petera ary niara-nipetraka tamin’ny mpiandry raharaha teo mba hahita izay fiafaran-javatra.
59
Nokarohin’ireo lohandoha-mpisorona sy ireo rehetra anisan’ny Fitsarana ambony teo amin’ny Jiosy izay mety hiampangana an’i Jesoa, na dia amin’ny lainga aza, mba hanamelohana Azy ho faty;
60
saingy tsy nahita ry zareo na dia tonga maro teo aza ny mpiampanga lainga an’i Jesoa. Nony farany, dia nisy olona roa lahy tonga teo
61
ka nanao hoe: –Izao no voalazan’ilay io; azoko ravana ity tempoli n’Andriamanitra ity ary haoriko indray ao anatin’ny telo andro.
62
Dia nitsangana ny mpisorombe ary niteny tamin’i Jesoa hoe: –Tsy mamaly na inona na inona ve Ianao? Inona no iampangan’ireo Anao?
63
Fa nangina i Jesoa. Dia hoy ny mpisorombe taminy: –Mandidy Anao aho, amin’ny anaran’ilay Andriamanitra velona, mba hilaza aminay raha Ianao no ilay Mesia, ilay Zanak’Andriamanitra.
64
Dia novalian’i Jesoa hoe: –Anao izany teny izany! Kanefa ambarako aminareo fa tsy ho ela intsony dia ho hitanareo ny Zanak’olona mipetraka eo ankavanan’ilay Andriamanitra mahery ary koa tamy eo amin’ny rahon’ny habakabaka.
65
Tamin’izay ny mpisorombe dia nandriatra ny fitafiany sady niteny hoe: –Nanevateva an’Andriamanitra Izy; ka inona indray no ilàntsika vavolombelona hiampanga. Indro renareo teo ny fanevatevàny an’Andriamanitra;
66
ka ahoana no hevitrareo? Dia hoy ireo: –Mendrika Azy ny ho faty!
67
Tamin’izay dia nandrora ny tavan’i Jesoa ry zareo ary namely totohondry Azy; ny sasany kosa namely tehamaina Azy
68
sady nanao hoe: –Vinanio, ry Mesia, lazao izay namely Anao!
69
Nipetraka teo ivelany tao an-tokotany i Petera. Dia nisy vehivavy mpiasa anankiray nanatona an’i Petera ka niteny taminy hoe: –Ianao koa niaraka tamin’i Jesoa, Ilay avy any Galilea.
70
Fa nandà teo anatrehan’izy rehetra i Petera ka nanao hoe: –Tsy fantatro izay lazainao!
71
Dia lasa nankeo am-bavahady i Petera; kanjo nisy vehivavy mpiasa anankiray hafa nahatazana azy ary niteny tamin’izay teo hoe: –Io rangahy io koa niaraka tamin’i Jesoa, Ilay avy any Nazareta.
72
Ary nandà indray i Petera ka nanao hoe: –Mianiana aho fa tsy fantatro izany Lehilahy izany.
73
Nony afaka kelikely, dia nanatona an’i Petera ny olona teo ka nanao taminy hoe: –Tena anisan’ireny tokoa ianao, sady ny fiteninao rahateo mampiharihary izany.
74
Ary sady niozona sy nianiana i Petera no nanao hoe: –Tsy fantatro izany Lehilahy izany. Niaraka tamin’izay dia nisy akoho naneno;
75
ary tsaroan’i Petera ny teny voalazan’i Jesoa hoe: «Alohan’ny maneno akoho, dia handà Ahy intelo ianao.» Dia lasa nankany ivelany i Petera ka nitomany fatratra.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28