bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 27
Matthew 27
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 28 →
1
Nony maraina ny andro, dia nikaon-doha avokoa ny lohandoha-mpisorona sy ny loholon ’ny vahoaka jiosy hamelezana an’i Jesoa, mba hampanamelohana Azy ho faty.
2
Dia nampamatotra Azy ry zareo sy nitondra Azy ary nanolotra Azy an’i Pilato governora rômanina.
3
Tamin’izay i Jodasy, ilay nanolotra an’i Jesoa, dia nahita fa voaheloka ho faty i Jesoa. Ary nanenina i Jodasy ka namerina ny sekela volafotsy telopolo tamin’ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona
4
sady nilaza hoe: –Nanota aho fa nanolotra olona tsy manan-tsiny hovonoina. Fa hoy ireo: –Ahoanay inona izany? Raharahanao ny anao!
5
Sady nanipy ny vola tao amin’ny Toeramasina i Jodasy no niala teo, ary dia lasa nananton-tena.
6
Ireo lohandoha-mpisorona kosa naka ny vola ary niteny hoe: –Tsy azo alatsaka amin’ny rakitry ny tempoly ireto vola ireto satria vidin-dra.
7
Rehefa nikaon-doha ry zareo, dia nampiasa ny vola hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany mba hatao fasam-bahiny.
8
Izany no iantsoana io saha io mandraka androany hoe Sahan-dra.
9
Tamin’izay dia tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany hoe: «Nalaiko ny sekela volafotsy telopolo (karaman’ilay nokaramain’ny Israelita sasany)
10
ary nomeko hividianana ny sahan’ny mpanefy vilany, araka ny nandidian’ny Tompo ahy.»
11
Dia nijoro teo anatrehan’ny governora i Jesoa ary nanontany Azy ny governora nanao hoe: –Ianao ve no Mpanjakan’ny Jiosy? Dia hoy i Jesoa: –Anao izany teny izany!
12
Fa raha niampanga Azy ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona, dia tsy novalian’i Jesoa akory.
13
Tamin’izay i Pilato dia niteny tamin’i Jesoa hoe: –Tsy renao ve izany zavatra maro iampangany Anao izany?
14
Fa tsy namaly an’i Pilato akory i Jesoa na indraim-bava aza, hany ka gaga mihitsy ny governora.
15
Ary fanaon’ny governora isaky ny fankalazana ny Paska ny mandefa mpigadra anankiray, dia izay tian’ny vahoaka.
16
Nisy mpigadra malaza atao hoe [Jesoa] Barabasy tamin’izay;
17
koa dia ny vahoaka tafavory no nitenenan’i Pilato hoe: –Iza no tianareo halefako ho anareo, i [Jesoa] Barabasy sa i Jesoa ilay atao hoe Kristy?
18
Fantatr’i Pilato fa fialonana no nanoloran-dry zareo an’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy.
19
Ary raha mbola nipetraka teo amin’ny fitsarana iny i Pilato, dia naniraka olona ny vadiny hilaza aminy hoe: «Aza manao na inona na inona amin’io olo-marina io, fa nampahory ahy be ihany izay nanofisako Azy any naraina izay!»
20
Ny lohandoha-mpisorona sy ny loholona kosa dia nitaona ny vahoaka mba hitaky ny handefasana an’i Barabasy ary ny hamonoana an’i Jesoa.
21
Dia niteny tamin’ny vahoaka indray i Pilato nanao hoe: –Iza amin’izy roa lahy ireto no tianareo halefako ho anareo? Ka hoy ny vahoaka: –I Barabasy!
22
Dia nanontany azy ireo i Pilato hoe: –Ahoana kosa àry no hataoko amin’i Jesoa, ilay atao hoe Kristy? Fa novalian’izy rehetra hoe: –Aoka Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana!
23
Dia hoy ny governora: –Fa inona ary no ratsy nataony? Kanjo vao mainka koa niantsoantso mafy ny vahoaka nanao hoe: –Aoka Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana!
24
Nony hitan’i Pilato fa tsy nahomby izy fa vao mainka nitombo aza ny tabataba, dia naka rano izy ka nanasa tanana teo anatrehan’ny vahoaka sady nanao hoe: –Afa-tsiny amin’ny hahafatesan’io Lehilahy io aho! Raharahanareo ny anareo.
25
Dia izao no navalin’ny vahoaka rehetra: –Aoka ho zakainay sy ny taranakay ny fahafatesany!
26
Tamin’izay dia nalefan’i Pilato ho azy ireo i Barabasy; fa i Jesoa kosa nasain’i Pilato nokapohina ary natolony mba hohomboana amin’ny hazofijaliana.
27
Tamin’izay dia nentin’ny miaramilan’i Pilato ho any amin’ny lapan’ny governora i Jesoa ary novorîn’ireo hankeo amin’i Jesoa ny tarika miaramila iray manontolo.
28
Dia nendahin’ireto miaramila ny fitafian’i Jesoa, ary akanjobe jaky no nampitafîny Azy;
29
avy eo dia nandrandrana fehiloha tsilo ry zareo ka nasatrony teo an-dohany, ary nampitazona volotara ny tanany ankavanana. Dia nandohalika teo anatrehan’i Jesoa ireto miaramila sady naneso Azy hoe: –Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jiosy!
30
Dia nororan-dry zareo Izy ary nalainy ilay volotara ka nikapohany ny lohany.
31
Nony avy naneso Azy toy izany ireo miaramila, dia nesorin’ireo ny akanjobe teny aminy ka nampanaoviny Azy indray ny fitafiany; ary dia nentiny Izy hohomboana amin’ny hazofijaliana.
32
Vao tafavoaka ny tanàna ireo miaramila, dia tojo lehilahy sireneanina atao hoe Simôna, ka nanery azy hitondra ny hazofijalian’i Jesoa.
33
Rehefa tonga teo amin’ny toerana atao hoe Gôlgôtà (izay midika hoe Ikarandoha),
34
dia nomen-dry zareo divay miharo zava-mangidy i Jesoa hosotroiny; fa nony nanandrana izany Izy, dia tsy nety nisotro.
35
Dia nohomboan’ny miaramila tamin’ny hazofijaliana Izy, ary nanaovany loka no fizara ny fitafiany.
36
Vita izay, dia nipetraka niambina Azy teo ry zareo.
37
Ary teo ambonin’ny lohan’i Jesoa dia nasiany soratra milaza ny nanamelohana Azy hoe: «Ity no Jesoa, ilay Mpanjakan’ny Jiosy.»
38
Tamin’izay dia nisy jiolahy roa nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka tamin’i Jesoa, ka ny anankiray teo ankavanany ary ny anankiray teo ankaviany.
39
Ireo mpandalo kosa dia nanevateva an’i Jesoa sady nihifikifi-doha
40
ka nanao hoe: –Ry Ilay mandrava ny tempoly sy manorina azy anatin’ny telo andro ity, vonjeo ny tenanao, raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, ary midîna avy eo amin’ny hazofijaliana!
41
Naneso an’i Jesoa toy izany koa ny lohandoha-mpisorona mbamin’ny mpahay lalàna sy ny loholona ka nanao hoe:
42
–Namonjy olon-kafa Izy, fa ny tenany tsy hainy vonjena. Mpanjakan’i Israely hono Izy, koa ankehitriny aoka hidina avy eo amin’ny hazofijaliana, dia hinoanay.
43
Andriamanitra no itokiany; koa ankehitriny, raha tia Azy Andriamanitra, dia aoka hanafaka Azy, fa hoy Izy manko hoe: «Zanak’Andriamanitra Aho.»
44
Dia nandatsa Azy toy izany koa ireo jiolahy nohomboana tamin’ny hazofijaliana niaraka taminy.
45
Hatramin’ny mitataovovonana dia nanomboka rakotra haizina ny faritany manontolo, ka naharitra hatramin’ny telo tolakandro izany.
46
Ary tamin’ny telo tolakandro teo ho eo i Jesoa dia niantso tamin’ny feo mahery nanao hoe: –Ely, Ely, lamà sabaktàny? (izany hoe: «Andriamanitro ô, Andriamanitro ô, nahoana no dia nilaozanao Aho?»)
47
Ny sasany tamin’ireo olona nijanona teo, raha nandre izany, dia niteny hoe: –Miantso an’i Elià ny anao!
48
Niaraka tamin’izay dia nihazakazaka ny anankiray tamin-dry zareo naka spaonjy; dia novontosany vinaingitra ilay spaonjy ary notohiziny volotara ka natohony an’i Jesoa mba hotsentsefiny.
49
Fa ny sasany kosa nanao hoe: –Avelao hoe hojerentsika raha ho avy hamonjy Azy tokoa i Elià!
50
Fa niantso tamin’ny feo mahery indray i Jesoa, dia niala aina.
51
Ary indro ny efitra lamba tao amin’ny Toeramasina fa nitriatra nizara roa hatrany ambony ka hatrany ambany. Dia nihorohoro ny tany; nitresaka ny vatolampy;
52
ary nisokatra ny fasana ka maro ny olona anisan’ny vahoakan’Andriamanitra efa nodimandry no velona indray.
53
Dia niala tao am-pasana ireo olona ireo rehefa nitsangana velona i Jesoa ary niditra tao Jerosalema tanàna masina izy ireo, ka niseho tamin’olona maro.
54
Ary ilay kapiteny sy ireo miaramila niambina an’i Jesoa niaraka taminy kosa, raha vao nahita ny horohorontany sy ny zava-nitranga, dia raiki-tahotra mafy sady loa-bolana hoe: –Tena Zanak’Andriamanitra tokoa io Lehilahy io!
55
Nisy vehivavy maro koa teo, nitazana avy teny lavidavitra teny: dia ireo niaraka tamin’i Jesoa hatrany Galilea ka nanampy Azy.
56
Anisan’ireo i Maria avy any Magdalà, sy i Maria renin-dry i Jakôba sy i Jôsefa mirahalahy, ary ny vadin’i Zebedeo.
57
Nony hariva ny andro, dia tonga ity lehilahy mpanankarena avy any amin’ny tanàna atao hoe Harimatia; i Jôsefa no anarany ary mpianatr’i Jesoa ihany koa izy.
58
Nanatona an’i Pilato izy nangataka ny vatan’i Jesoa; ary dia nasain’i Pilato nomena azy izany.
59
Nalain’i Jôsefa ny vatan’i Jesoa, dia nofonosiny lamba sarobidy madio
60
ary napetrany tao amin’ny fasana vaovao izay nampandavahany ho an’ny tenany tamin’ny vatolampy. Rehefa avy nanakodia vato makadiry teo amin’ny vavafasana i Jôsefa, dia lasa nandeha.
61
Ary teo i Maria avy any Magdalà sy ilay Maria anankiray hafa ka nipetraka tandrifin’ny fasana.
62
Ny ampitson’iny andro fiomanana amin’ny sabata iny, dia niara-nivory tany amin’i Pilato ny lohandoha-mpisorona sy ny Farisianina
63
ka nanao hoe: –Tompoko, tsaroanay fa fony mbola velona iny mpamitaka iny dia izao no teniny: «Amin’ny andro fahatelo, dia hitsangana velona Aho.»
64
Koa asaovy ambenana ny fasany ambara-pahafaky ny andro fahatelo, fandrao avy ireo mpianany hangalatra ny fatiny ka hilaza amin’ny vahoaka hoe: «Nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy»; ka ho ratsy kokoa ny fitaka farany noho ny voalohany.
65
Dia hoy i Pilato tamin-dry zareo: –Manana mpiambina ianareo, koa ndeha ataovy tsara antoka ny fasana araka izay fantatrareo fa mety.
66
Dia lasa izy ireo ka nataony tsara antoka ny fasana: nasiany tombokase ny vato hidim-pasana sady nametrahany mpiambina.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28