bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 17
Matthew 17
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 18 →
1
Enina andro taorian’izay, dia nalain’i Jesoa niaraka taminy ry i Petera mbamin-dry i Jakôba sy i Jôhany mirahalahy, ka nentiny nitokana tany an-tendrombohitra avo anankiray.
2
Dia niova tarehy teo anatrehan’izy telo lahy i Jesoa: namirapiratra tahaka ny masoandro ny tavany ary tonga fotsy tahaka ny hazavana ny fitafiany.
3
Ary indreo koa hitan’izy telo lahy i Mosesy sy i Elià niresaka tamin’i Jesoa.
4
Dia hoy i Petera tamin’i Jesoa: –Tompo ô, tsara ho antsika ny mitoetra eto; koa raha sitrakao, dia hanao lay telo eto aho: ny anankiray ho Anao, ny anankiray ho an’i Mosesy, ary ny anankiray ho an’i Elià.
5
Raha mbola niteny i Petera, dia nisy rahona mazava nanarona azy rehetra; ary injao nisy feo avy tao amin’io rahona io nanao hoe: –Ity no Zanako, ilay Malalako; Izy no sitrako! Henoy Izy!
6
Nony nandre izany ireto mpianatra telo lahy, dia natahotra mafy ka lavo niankohoka tamin’ny tany.
7
Fa nanatona azy i Jesoa, dia nanohina azy sady niteny hoe: –Miarena! Aoka izay ny tahotra!
8
Dia niandrandra hijery izy telo lahy, ka tsy nahita olona afa-tsy i Jesoa irery ihany.
9
Tamin’izy efa-mianaka nidina avy tany an-tendrombohitra, dia izao no baiko nomen’i Jesoa azy telo lahy: –Aza lazaina na amin’iza na amin’iza iny fahitana iny, mandra-pitsangan’ny Zanak’olona ho velona avy any amin’ny maty.
10
Dia nanontany an’i Jesoa izy telo lahy nanao hoe: –Nahoana àry no lazain’ny mpahay lalàna fa tsy maintsy ho avy i Elià, alohan’ny hahatongavan’ny Mesia?
11
Ary novalian’i Jesoa hoe: –Tsy maintsy ho avy i Elià hampody ny zavatra rehetra amin’ny laoniny.
12
Nefa izao no lazaiko aminareo: Efa tonga tokoa i Elià, saingy tsy fantatry ny olona sasany ka nanaovany izay fampijaliana rehetra tiany hatao taminy; dia tahaka izany koa no hampijalian-dry zareo ny Zanak’olona.
13
Tamin’izay dia azon’ireto mpianatra telo lahy an-tsaina fa i Jôhany Mpanao batisa no voalazan’i Jesoa taminy.
14
Nony tafaverina teo amin’ny vahoaka ry i Jesoa efa-mianaka, dia nisy lehilahy anankiray nanatona an’i Jesoa ary nandohalika teo anatrehany
15
sady nanao hoe: –Tompo ô, mamindrà fo amin’ny zanako lahy! Mararin’ny androbe izy ka mijaly tokoa, fa matetika mianjera any anaty afo na any anaty rano.
16
Efa nentiko teo amin’ireo mpianatrao, saingy tsy nahasitrana azy ry zareo.
17
Dia hoy i Jesoa: –Karazan’olona tsy mino sady be siasia ianareo! Mandra-pahoviana no hitoerako eto aminareo? Mandra-pahoviana no handeferako aminareo? Ento atỳ amiko ny zaza!
18
Dia notenenin’i Jesoa mafy ny demony ka niala tamin’ilay zaza; ary sitrana razazalahy nanomboka hatramin’io ora io.
19
Tamin’izay dia nanatona an’i Jesoa manokana ireto mpianatra ka nanontany Azy hoe: –Nahoana izahay no tsy naharoaka iny demony iny?
20
Dia hoy i Jesoa taminy: –Satria kely finoana loatra ianareo! Eny, lazaiko marina aminareo fa raha manam-pinoana tahaka ny voan-tsinapy anankiray ianareo ka hiteny amin’io tendrombohitra io hoe: «Mifindrà erỳ», dia hifindra izy; ary tsy hisy tsy ho hainareo hatao. [
21
Iny karazan-demony iny anefa dia tsy tafavoaka, raha tsy amin’ny fivavahana sy ny fifadian-kanina.]
22
Raha mbola tafaraka tany Galilea ry i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia hoy i Jesoa taminy: –Efa hatolotra eo an-tanan’ny olona ny Zanak’olona
23
ka hovonoiny ho faty, ary hitsangana velona amin’ny andro fahatelo. Dia nalahelo mafy ireo mpianatra.
24
Nony tonga tao Kafarnahòma i Jesoa mbamin’ny mpianany, dia nanatona an’i Petera ireo mpandray ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly, ary nanontany azy hoe: –Moa tsy mandoa ny denàry anankiroa hetran’ny tempoly ve ny Mpampianatrareo?
25
Dia novalian’i Petera hoe: –Mandoa izany Izy! Vao niditra tao an-trano i Petera, dia notsenain’i Jesoa nilazany hoe: –Ahoana no hevitrao, ry Simôna? Iza no andraisan’ny mpanjaka etỳ an-tany fadintseranana sy hetra, ny ankohonany sa ny olon-kafa?
26
Dia novalian’i Petera hoe: –Ny olon-kafa! Ary hoy i Jesoa taminy: –Raha izany àry, dia afaka ny ankohonany.
27
Kanefa aoka isika tsy hanao izay hampisafoaka ireo olona ireo! Noho izany, ndeha ianao manjono eny am-parihy, dia raiso izay trondro voalohany azonao; ary sokafy ny vavany fa hahitanao vola mitetina denàry efatra. Ento izany ka omeo ireo olona ireo hanefana ny hetrako sy ny anao!
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28