bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 28
Matthew 28
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
1
Taorian’ny sabata, raha vao nazava ratsy ny andro alahady, dia lasa nizaha ny fasana i Maria ilay avy any Magdalà sy i Maria anankiray hafa.
2
Ary injay nisy horohorontany mahery vaika, fa nisy anjeli n’ny Tompo nidina avy tany an-danitra tonga nanakodia ny vato hidim-pasana ary nipetraka teo amboniny.
3
Namiratra tahaka ny tselatra ny tarehiny ary fotsy tahaka ny oram-panala ny fitafiany.
4
Azon’ny tahotra ireo mpiambina raha nahita azy ka nivadi-po ary nody maty.
5
Dia niteny tamin’ireto vehivavy ilay anjely nanao hoe: –Aoka tsy hatahotra ianareo! Fantatro fa i Jesoa, Ilay nohomboana tamin’ny hazofijaliana, no tadiavinareo.
6
Tsy ato Izy, satria efa nitsangana velona araka ny voalazany. Avia ka jereo ny toerana nametrahana Azy.
7
Ndeha haingana lazao amin’ny mpianany hoe: «Efa nitsangana velona avy tany amin’ny maty Izy, ary indro mialoha anareo any Galilea, ka any no hahitanareo Azy.» Izany àry, fa efa nilazako ianareo.
8
Dia niala haingana tao am-pasana ireo vehivavy, sady natahotra no faly tokoa, ary nihazakazaka hampandre ny mpianatr’i Jesoa.
9
Tampotampoka eo dia nifanatrika tamin’ireto vehivavy i Jesoa ary niteny taminy hoe: –Ho ao aminareo anie ny fiadanana! Dia nanatona an’i Jesoa ireto vehivavy ka namihina ny tongony sady nitsaoka Azy.
10
Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Aoka izay ny tahotra! Ndeha ampandreneso ireo mpianatro izay rahalahiko, ary asaovy mankany Galilea fa any no hahitany Ahy.
11
Raha mbola teny an-dalana ireto vehivavy, dia indreny tafaverina tao an-tanànan’i Jerosalema ny sasany tamin’ireo mpiambina ny fasana ka nitantara ny zava-nitranga rehetra tamin’ny lohandoha-mpisorona.
12
Dia nivory niaraka tamin’ireo loholona ny lohandoha-mpisorona; ka rehefa nikaon-doha, dia nanome vola be ny miaramila ry zareo
13
sady nanao taminy hoe: –Lazao fa tonga alina ny mpianatr’i Jesoa nangalatra ny fatiny, raha sendra natory ianareo.
14
Ary raha ren’ny governora izany, dia izahay no handresy lahatra azy sady hanao izay tsy hampaninona anareo.
15
Dia nandray ny vola ny miaramila ka nanao araka ny teny nomen-dry zareo azy. Ary izany tantara izany no niely tamin’ireo Jiosy mandraka androany.
16
Ary ny mpianatra 11 lahy dia nankany Galilea, any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa halehany.
17
Nony nahita an’i Jesoa ny mpianatra, dia nitsaoka Azy; kanefa mbola nisalasala ihany ny sasany.
18
Dia nanatona azy rehetra i Jesoa ka nanao taminy hoe: –Efa nomena Ahy avokoa ny fahefana any an-danitra sy etỳ an-tany;
19
koa mandehana ianareo, ataovy mpianatro ny firenena rehetra; ka ataovy batisa ho amin’ny anaran’ny Ray sy ny Zanaka ary ny Fanahy Masina,
20
sady ampianaro hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho miaraka aminareo isan’andro vaky mandra-pahatongan’ny fiafaran’izao tontolo izao.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28