bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
/
Matthew 4
Matthew 4
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
1
Ary dia notarihin’ny Fanahin’Andriamanitra hankany an-taniefitra i Jesoa, mba halain’ny devoly fanahy.
2
Rehefa avy nifady hanina efapolo andro sy efapolo alina i Jesoa, dia noana;
3
ary nohatonin’ny mpaka fanahy Izy ka nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, teneno ireo vato ireo hanjary mofo.
4
Fa novalian’i Jesoa hoe: –Izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Tsy ny mofo ihany no hiveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.»
5
Avy eo dia nentin’ny devoly ho any Jerosalema tanàna masina i Jesoa, ka najorony teo an-tendron’ny zoron’ny tempoly
6
sady nataony hoe: –Raha Zanak’Andriamanitra tokoa Ianao, mianjerà any ambany any, fa izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Homen’ny Tompo baiko ireo anjeliny noho ny aminao, ka ny anjely hitondra Anao eny an-tanany mba tsy ho tafintohim-bato ny tongotrao.»
7
Fa hoy i Jesoa taminy: –Izao koa no voalazan’ny Soratra Masina: «Aza maka fanahy ny Tompo Andriamanitrao.»
8
Ary nentin’ny devoly ho any amin’ny tendrombohitra avo dia avo indray i Jesoa, ka nasehony Azy ny fanjakana rehetra eo amin’izao tontolo izao mbamin’ny voninahiny
9
sady nataony hoe: –Homeko Anao avokoa ireo, raha miankohoka eto anoloako Ianao ho fanajana ahy!
10
Tamin’izay dia hoy i Jesoa taminy: –Mialà, ry Satàna, satria izao no voalazan’ny Soratra Masina: «Ny Tompo Andriamanitrao no hiankohofanao, ary Izy irery no hivavahanao!»
11
Izay vao nandao Azy ny devoly, ary indreo nisy anjely tonga teo amin’i Jesoa ka nanompo Azy.
12
Nony ren’i Jesoa fa naiditra am-ponja i Jôhany, dia lasa nankany Galilea Izy.
13
Ary nilaozany i Nazareta ka lasa Izy niorim-ponenana tao Kafarnahòma, tanàna amoron’ny farihin’i Galilea, anatin’ny faritanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ.
14
Ka tanteraka ilay voalazan’ny Tompo tamin’ny alalan’i Isaià mpaminany hoe:
15
«Ry tanin’i Zebolòna sy i Naftalỳ, ry lalana amoron’ny farihy, ry faritra ampitan’i Jôrdàna, ry Galilea onenan’ny hafa firenena,
16
ny vahoaka izay mihitsoka amin’ny maizina dia nahita hazavana lehibe, ary ny olona izay mihitsoka amin’ny toerana alofan’ny fahafatesana dia niposahan’ny hazavana.»
17
Hatramin’izay i Jesoa dia nanomboka nitoriteny ka nanao hoe: –Ialao ny toe-dratsy, fa efa akaiky ny Fanjakàn’ny lanitra.
18
Nitsangantsangana teny amoron’ny farihin’i Galilea i Jesoa ka nahita olona mirahalahy, dia i Simôna ilay atao hoe Petera sy i Andrea rahalahiny; nanipy harato tao anaty farihy izy roa lahy fa mpanarato no raharahany.
19
Dia hoy i Jesoa taminy: –Andao hiaraka amiko fa hataoko mpanarato olona ianareo!
20
Dia nilaozany avy hatrany ny haratony ka lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.
21
Ary nandroso ihany i Jesoa ka nahita olona mirahalahy hafa koa, dia i Jakôba sy i Jôhany zanak’i Zebedeo; tafaraka tamin’i Zebedeo rainy teo an-tsambokely izy roa lahy ary nanamboatra harato.
22
Nantsoin’i Jesoa izy mirahalahy; ary nilaozany avy hatrany ny sambokely sy ny rainy fa lasa izy roa lahy niaraka tamin’i Jesoa.
23
Ary nitety an’i Galilea manontolo i Jesoa, ka nampianatra tany amin’ny sinagôga n-dry zareo ary nanao antso avo ny Vaovao Mahafaly momba ny Fanjakàn’ny lanitra sady nanasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra teo amin’ny vahoaka.
24
Ary niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona teo aminy avokoa izay mety ho marary ianjadian’ny aretina sy fanaintainana isan-karazany, dia ny azon’ny demony sy ny mararin’ny androbe ary ny malemy ka nositraniny avokoa.
25
Vahoaka marobe no nanaraka Azy avy any Galilea sy Dekapôly, avy tany Jerosalema sy Jodea ary avy any andafin’i Jôrdàna.
← Chapter 3
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 5 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28